Estera 5:1-14

  • Nankeo anatrehan’ny mpanjaka i Estera (1-8)

  • Tezitra be i Hamana; nirehareha be izy (9-14)

5  Tamin’ny andro fahatelo,+ dia nanao akanjom-boninahitra i Estera, ka nitsangana teo amin’ny tokotany anatiny teo anoloan’ny tranon’ny* mpanjaka. Tao an-tranony ny mpanjaka tamin’izay, sady nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany tandrifin’ny fidirana.  Dia faly ny mpanjaka raha vao nahita an’i Estera vadin’ny mpanjaka nitsangana teo amin’ilay tokotany, ka notondroiny tamin’ilay tehina volamena+ teny an-tanany izy. Dia nanatona i Estera ka nikasika ny tendron’ilay tehina.  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Misy olana angaha, ry Estera vadin’ny mpanjaka? Inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.”  Dia hoy i Estera: “Nanao fanasana ho an’ny mpanjaka aho androany, ka raha mba mety amin’ny mpanjaka dia mba tongava any miaraka amin’i Hamana.”+  Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: “Teneno i Hamana hoe tongava haingana, fa izay no fangatahan’i Estera.” Dia nankao amin’ilay fanasana nataon’i Estera ny mpanjaka sy Hamana.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, rehefa naroso ny divay: “Inona no angatahinao, fa homena anao izany? Ary inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.”+  Dia hoy i Estera: “Izao no mba angatahiko sy tadiaviko:  Raha mba mahazo sitraka amin’ny mpanjaka aho, ka mety amin’ny mpanjaka ny hanome an’izay angatahiko sy tadiaviko, dia mba tongava ianao sy Hamana any amin’ilay fanasana hataoko ho anareo rahampitso. Amin’izay aho no hilaza ny fangatahako.”  Dia lasa i Hamana tamin’iny andro iny, sady falifaly erỳ. Vao nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka anefa izy, dia tezitra be taminy. Hitany mantsy hoe tsy nitsangana i Mordekay sady tsy natahotra azy.+ 10  Nifehy tena anefa i Hamana ka nody tany an-tranony. Nampanantsoiny avy eo ny namany sy Zaresy+ vadiny. 11  Dia nirehareha be i Hamana hoe nanan-karena be sy nanana zanaka be dia be,+ ary nomen’ny mpanjaka toerana ambony kokoa sady nataony ambony noho ireo andriana sy mpanompon’ny mpanjaka.+ 12  Hoy koa i Hamana: “Angaha izay ihany! Izaho irery no nasain’i Estera vadin’ny mpanjaka, mba hiaraka tamin’ny mpanjaka tany amin’ilay fanasana nataony.+ Dia mbola nasainy hiaraka aminy sy ny mpanjaka koa aza aho rahampitso.+ 13  Tsy misy mahafa-po ahy anefa izany rehetra izany, raha mbola hitako mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay, ilay Jiosy iny.” 14  Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny namany rehetra: “Mampanaova tsato-kazo 50 hakiho.* Dia rahampitso maraina ihany dia angataho amin’ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay.+ Mandehana miaraka amin’ny mpanjaka avy eo, dia ankafizo ilay fanasana.” Dia tian’i Hamana ilay soso-kevitra, ka nampanao an’ilay tsato-kazo izy.

Fanamarihana

Na: “lapan’ny.”
22,3 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.