Estera 6:1-14

  • Nomen’ny mpanjaka voninahitra i Mordekay (1-14)

6  Ary tsy nahita tory ny mpanjaka* tamin’iny alina iny, ka nasainy nentina teo aminy ny boky mirakitra ny tantara tamin’izany andro izany.+ Dia novakina tamin’ny mpanjaka ilay izy.  Hita tao ny tatitra nataon’i Mordekay momba an’i Bigtana sy Taresy, tandapan’ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, izay nanao tetika hamonoana* an’i Ahasoerosy Mpanjaka.+  Ary hoy ny mpanjaka: “Inona ny voninahitra sy valisoa efa mba nomena an’i Mordekay tamin’izany nataony izany?” Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka: “Mbola tsy nisy na inona na inona nomena azy.”  Taorian’izay dia hoy ny mpanjaka: “Iza no ao an-tokotany ao?” Teo amin’ny tokotany ivelan’ny+ tranon’ny* mpanjaka i Hamana tamin’izay. Saika hangataka tamin’ny mpanjaka mantsy izy hoe hahantona eo amin’ilay tsato-kazo efa nomaniny ho azy i Mordekay.+  Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjaka: “I Hamana+ no mijoro ao an-tokotany ao.” Dia hoy ny mpanjaka: “Ampandrosoy izy.”  Rehefa niditra i Hamana, dia hoy ny mpanjaka taminy: “Inona no tokony hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra?” Ary niteny anakampo i Hamana hoe: “Iza indray moa no tian’ny mpanjaka homena voninahitra afa-tsy izaho?”+  Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Izao no tokony hatao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra:  Halaina ny akanjom-boninahitra+ fanaovan’ny mpanjaka, sy ny soavaly fitaingenan’ny mpanjaka, dia hasiana satroboninahitra ilay soavaly.  Dia aleo ny andriana ambony iray eto amin’ny fanjakana no hiandraikitra an’ilay akanjo sy ilay soavaly. Hampanaovina an’ilay akanjo avy eo ilay lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra. Hampitaingenina an’ilay soavaly izy ka hoentina eny amin’ny tany malalaky ny tanàna. Ary tokony hisy hiantsoantso eo alohany hoe: ‘Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra!’”+ 10  Tonga dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: “Alaivo haingana ilay akanjo sy ilay soavaly. Dia ataovy amin’i Mordekay Jiosy, ilay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka, izany teninao izany ka aza atao misy latsaka na iray aza.” 11  Nalain’i Hamana àry ilay akanjo ka nampanaoviny an’i Mordekay.+ Nalainy koa ilay soavaly ka nampitaingeniny an’ilay izy i Mordekay, dia nentiny teny amin’ny tany malalaky ny tanàna. Ary niantsoantso teo alohany izy hoe: “Izao no atao amin’ny lehilahy tian’ny mpanjaka homena voninahitra!” 12  Niverina teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay taorian’izay. I Hamana kosa nody haingana tany an-tranony, ary nalahelo be izy ka nosaronany ny lohany. 13  Dia notantarain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny+ sy ny namany rehetra ny zava-drehetra nanjo azy. Dia hoy ny olon-kendriny sy Zaresy vadiny: “Jiosy* i Mordekay, nefa efa nanomboka lavo teo anatrehany sahady ianao. Dia tsy haharesy azy ianao fa tsy maintsy ho vita hatreo ny aminao.” 14  Raha mbola niresaka izy ireo, dia tonga ny tandapan’ny mpanjaka mba haka haingana an’i Hamana ho any amin’ilay fanasana nataon’i Estera.+

Fanamarihana

Abt: “Nandositra ny torimason’ny mpanjaka.”
Abt: “hikasihan-tanana.”
Na: “lapan’ny.”
Na: “Taranaky ny Jiosy.”