Estera 7:1-10

  • Notenenin’i Estera ilay tetik’i Hamana (1-6a)

  • Nahantona teo amin’ilay tsato-kazo nataony ihany i Hamana (6b-10)

7  Dia lasa ny mpanjaka sy Hamana+ nankao amin’ilay fanasana nataon’i Estera vadin’ny mpanjaka.  Hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera tamin’io andro faharoa io, rehefa naroso ny divay: “Inona no angatahinao, ry Estera vadin’ny mpanjaka, fa homena anao izany? Ary inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.”+  Dia hoy i Estera vadin’ny mpanjaka: “Raha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka ô, ary raha mety amin’ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko, ary ny hitsimbinana ny fireneko+ no tadiaviko.  Fa namidy izahay,+ dia izaho sy ny fireneko, mba hovonoina sy haringana ary haripaka.+ Raha mba namidy ho mpanompolahy sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho. Hisy vokany ratsy amin’ny mpanjaka anefa izany loza izany, fa tsy hitondra soa ho azy.”  Ary hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka: “Iza ny olona sahy nanao an’izany, ary aiza izany olona izany?”  Dia hoy i Estera: “Io Hamana ratsy fanahy io no fahavalo sy mpanohitra anay!” Dia nivarahontsana teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadiny i Hamana.  Ary romotra be ny mpanjaka ka nitsangana niala teo amin’ilay fanasana, dia nankany amin’ny zaridainan’ny lapa. I Hamana kosa nitsangana hitalaho tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka mba hitsimbinana ny ainy. Fantany mantsy fa tsy maintsy hosazin’ny mpanjaka izy.  Dia niverina avy tany amin’ny zaridainan’ny lapa ny mpanjaka, ka nankao amin’ny trano nisy an’ilay fanasana. Ary hitany niankohoka teo ambonin’ilay fandriana nisy an’i Estera i Hamana. Dia hoy ny mpanjaka: “Dia mbola tadiavin’io hovetavetaina ato an-tranoko koa angaha ny vadin’ny mpanjaka?” Raha vao tapitra ny tenin’ny mpanjaka, dia nisy nanarona ny tarehin’i Hamana.  Ary hoy i Harbona,+ tandapan’ny mpanjaka: “I Hamana koa efa nanomana tsato-kazo hanantonana an’i Mordekay,+ nefa i Mordekay no nanao tatitra nahavonjy ny mpanjaka.+ Ao akaikin’ny tranon’i Hamana ao ilay izy, ary 50 hakiho* ny haavony.” Dia hoy ny mpanjaka: “Ahantony eo amin’izany i Hamana.” 10  Dia nahanton’izy ireo teo amin’ilay tsato-kazo nomaniny ho an’i Mordekay i Hamana, ka tsy romotra intsony ny mpanjaka.

Fanamarihana

22,3 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.