Estera 8:1-17

  • Nomena toerana ambony i Mordekay (1, 2)

  • Niangavy ny mpanjaka i Estera (3-6)

  • Didy vaovao navoakan’ny mpanjaka (7-14)

  • Avotra ny Jiosy; nifaly izy ireo (15-17)

8  Tamin’iny andro iny, dia nomen’i Ahasoerosy Mpanjaka an’i Estera vadin’ny mpanjaka ny tranon’i Hamana,+ ilay fahavalon’ny Jiosy.+ Nankeo anatrehan’ny mpanjaka koa i Mordekay, satria efa nolazain’i Estera hoe mpihavana izy ireo.+  Dia nesorin’ny mpanjaka ny peratra fanombohan-kaseny+ izay efa nalainy teny amin’i Hamana, ka nomeny an’i Mordekay. Notendren’i Estera hiandraikitra ny tao an-tranon’i Hamana koa i Mordekay.+  Ary niresaka tamin’ny mpanjaka indray i Estera, ka niankohoka teo an-tongony izy sady nitomany sy niangavy azy mba hanarina ny ratsy vitan’i Hamana Agagita sy hanafoana an’ilay teti-dratsiny handripahana ny Jiosy.+  Notondroin’ny mpanjaka tamin’ilay tehina volamena àry i Estera+ ka nitsangana. Ary nijoro teo anatrehan’ny mpanjaka izy,  dia niteny hoe: “Raha mety amin’ny mpanjaka, ary raha hitan’ny mpanjaka fa mety izao ka mahafinaritra ny mpanjaka aho, dia aleo mba hisy didy hosoratana hoe hofoanana izay nosoratan’iny Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita iny,+ ilay nanao teti-dratsy handripahana ny Jiosy any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana.  Fa hataoko ahoana ny hijery fotsiny ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny hijery fotsiny ny fandripahana ny havako?”  Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka sy Mordekay Jiosy: “Efa nomeko an’i Estera ny tranon’i Hamana,+ ary efa nasaiko nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy+ fa nitetika ny hamely* ny Jiosy.  Azonareo atao àry ny manoratra an’izay hitanareo fa mety mba hamonjena ny Jiosy. Ataovy amin’ny anaran’ny mpanjaka izany, ary tombohy amin’ny peratra fanombohan-kasen’ny mpanjaka. Tsy azo foanana mantsy izay efa nosoratana tamin’ny anaran’ny mpanjaka sy notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.”+  Ary nampanantsoina tamin’io andro io ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka, tamin’ny andro faha-23 amin’ny volana fahatelo, izany hoe ny volana Sivàna.* Dia nosoratan’izy ireo ny zava-drehetra nandidian’i Mordekay ny Jiosy sy ny lehibem-paritany+ sy ny governora ary ny andrianan’ny faritany+ tany amin’ireo faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia. Nosoratana araka izay soratra fampiasan’ny faritany* tsirairay sy araka ny fitenin’ny firenena tsirairay ilay izy, sady nosoratana ho an’ny Jiosy araka izay soratra fampiasan’izy ireo* sy ny fiteniny. 10  Dia nosoratan’i Mordekay tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka ilay taratasy, sady notombohiny tamin’ny peratra fanombohan-kasen’ny+ mpanjaka. Nampitondrainy an’ireo mpitondra hafatra mitaingina soavaly ilay izy avy eo. Soavaly mahery mandeha sady natokana ho amin’ny fanompoana ny mpanjaka no nitaingenan’izy ireo. 11  Voalaza tao amin’ireny taratasy ireny fa navelan’ny mpanjaka hifamory sy hiaro ny ainy ny Jiosy tany amin’ny tanàna rehetra. Navelany koa izy ireo hamono sy handringana ary handripaka an’izay tafiky ny firenena na faritany mety hanafika azy, anisan’izany ny zaza amam-behivavy, dia avy eo haka ny fananan’ireny.+ 12  Tokony hatao andro iray ihany izany any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia ny faha-13 amin’ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.*+ 13  Tokony havoaka ho lalàna any amin’ny faritany rehetra izay voasoratra ao* amin’ilay taratasy. Tokony holazaina any amin’ny firenena rehetra koa ilay izy, mba ho vonona hamaly ny fahavalony ny Jiosy amin’io andro io.+ 14  Tonga dia lasa àry ireo mpitondra hafatra mitaingina soavaly fampiasa amin’ny fanompoana ny mpanjaka, ka nandeha haingana izy ireo noho ny baikon’ny mpanjaka. Navoaka tao an-dapan’i* Sosana*+ koa ilay lalàna. 15  Ary niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Mordekay, nanao akanjom-boninahitra vita tamin’ny lamba manga sy fotsy. Nanao satroboninahitra volamena lehibe koa izy, sady nanao akanjo ivelany tena tsara vita tamin’ny volonondry volomparasy.+ Dia nihorakoraka sy faly be ny tao an-tanànan’i Sosana,* 16  satria avotra ny* Jiosy. Dia nifaly sy niravoravo izy ireo ary nahazo voninahitra. 17  Ary nifaly sy niravoravo ny Jiosy, tany amin’ny faritany sy tanàna rehetra nahazo an’ilay didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Nanao fanasambe sy nanao fety be izy ireo. Be dia be koa ny olona tao amin’ilay tany no nilaza ny tenany hoe Jiosy,+ satria tena natahoran’izy ireo ny Jiosy.

Fanamarihana

Abt: “fa nanatsotra ny tanany hamely.”
Na: “araka ny fomba fanoratr’izy ireo.”
Na: “araka ny fomba fanoratry ny faritany.”
Na: “ny dika mitovy.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”
Abt: “nisy hazavana ho an’ny.”