Estera 9:1-32

  • Nandresy ny Jiosy (1-19)

  • Nanomboka nankalazaina ny Fetin’ny Porima (20-32)

9  Dia tonga ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.*+ Tamin’io andro io no tokony hanatanterahana ny tenin’ny mpanjaka sy ny didiny.+ Tamin’izay ny fahavalon’ny Jiosy no nanantena hoe handresy azy, saingy nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy an’izay nankahala azy.+  Dia nifamory tany amin’ny tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ireo faritany manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka,+ mba hiady amin’izay nitady hanisy ratsy azy. Ary tsy nisy nahajoro teo anatrehan’ny Jiosy, satria tena natahoran’ny olona rehetra izy ireo.+  Nanampy an’ireo Jiosy daholo koa ny andrianan’ny faritany, ny lehibem-paritany,+ ny governora, ary izay nikarakara ny raharahan’ny mpanjaka, satria natahotra an’i Mordekay izy ireo.  Nitana toerana ambony tao an-dapan’ny* mpanjaka mantsy i Mordekay,+ ary niely eran’ny faritany rehetra ny lazany satria lasa nisondrotra foana izy.  Ary nasian’ny Jiosy tamin’ny sabatra ny fahavalony rehetra, ka novonoiny sy naringany. Dia nanao izay tiany tamin’izay nankahala azy ny Jiosy.+  Namono sy nandripaka 500 lahy tao an-dapan’i* Sosana*+ àry ny Jiosy.  Novonoin’izy ireo koa i Parsandata, Dalfona, Aspata,  Porata, Adalia, Aridata,  Parmasta, Arisay, Ariday, ary Vaizata, 10  dia izy folo lahy zanak’i Hamana zanak’i Hamedota, ilay fahavalon’ny Jiosy.+ Tsy nandroba fananana anefa ny Jiosy, rehefa avy namono an’ireny.+ 11  Tamin’iny andro iny ihany, dia nolazaina tamin’ny mpanjaka ny isan’ny maty tao an-dapan’i* Sosana.* 12  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka: “Namono sy nandripaka 500 lahy teto an-dapan’i* Sosana* ny Jiosy, ary maty koa ny zanak’i Hamana folo lahy. Ary mba nanao ahoana ny tany amin’ny faritany hafa manerana ny fanjakana?+ Inona amin’izay no tianao hangatahina, fa homena anao izany? Sao dia mbola misy zavatra hafa tadiavinao, fa hotanterahina izany?” 13  Dia hoy i Estera: “Rahampitso, raha mba mety amin’ny mpanjaka,+ dia aleo mbola havela hanao araka ny lalàna nampiharina androany ny Jiosy eto Sosana.*+ Aleo koa hahantona eo amin’ny tsato-kazo ny zanak’i Hamana folo lahy.”+ 14  Dia nasain’ny mpanjaka natao izany. Ary nisy lalàna navoaka tao Sosana,* ka nahantona ny zanak’i Hamana folo lahy. 15  Dia nifamory indray ny Jiosy tao Sosana* tamin’ny andro faha-14 amin’ny volana Adara,+ ka nahafaty 300 lahy tao. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo. 16  Nifamory sy niaro ny ainy koa ny Jiosy sisa tany amin’ireo faritany manerana ny fanjakana.+ Dia naripak’izy ireo ny fahavalony,+ ka nahafaty 75 000 tamin’ireo nankahala azy izy ireo. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo. 17  Ny andro faha-13 amin’ny volana Adara tamin’izay. Nitsahatra anefa izy ireo tamin’ny andro faha-14, ary nataony andro fety sy hifalifaliana io andro io. 18  Ny Jiosy tao Sosana* kosa nifamory tamin’ny andro faha-13+ sy faha-14.+ Nitsahatra izy ireo tamin’ny andro faha-15, ary nataony andro fety sy hifalifaliana io andro io. 19  Izany no nahatonga ny Jiosy tany amin’ireo tanàna ivelan’ny renivohitra hanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho andro fifaliana sy fanaovana fety+ ary fotoana ifanaterana sakafo.+ 20  Dia nosoratan’i Mordekay+ ireny zava-nitranga ireny. Ary nandefasany taratasy ny Jiosy rehetra tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, na ny lavitra na ny akaiky. 21  Nomeny toromarika izy ireo hoe tokony hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin’ny volana Adara. 22  Tamin’ireo andro ireo mantsy ny Jiosy no nafahana tamin’ny fahavalony. Tamin’io volana io koa ny alahelony no nivadika ho fifaliana, ary ny andro fahoriany+ lasa andro fanaovana fety. Tokony hankalaza an’ireo andro ireo izy ireo ka hanao fety sy hifalifaly, sady hifanatitra sakafo sy hanao fanomezana ho an’ny mahantra. 23  Dia neken’ny Jiosy hoe hataony isan-taona ilay fety, sady hataony koa izay nosoratan’i Mordekay taminy. 24  Efa nanao tetika handripahana ny Jiosy+ mantsy i Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ilay fahavalon’ny Jiosy rehetra. Efa nampanao Pora+—na Antsapaka—koa izy mba hahatonga azy ireo hisahotaka sy ho ripaka. 25  Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka anefa i Estera, dia namoaka an’izao didy natao an-tsoratra izao ny mpanjaka:+ “Hivaly amin’i* Hamana anie ilay tetika saika hamelezany ny Jiosy!”+ Dia nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.+ 26  Izany no antony niantsoana an’ireo andro ireo hoe Porima,* izay avy amin’ilay teny hoe Pora.+ Ary izay rehetra voasoratra tao amin’ilay taratasy, sy izay hitan’ireo Jiosy sy nanjo azy, 27  no nahatonga azy ireo hanaiky hoe tsy maintsy hankalaza an’ireo andro roa ireo foana izy ireo sy ny taranany ary izay rehetra miandany aminy,+ ary tsy maintsy hanatanteraka an’izay voasoratra momba an’ireo andro ireo, amin’ny fotoana efa nifanarahana isan-taona. 28  Tokony hotsarovana ireo andro ireo, ary tokony hankalazain’ny taranaka mifandimby sy ny fianakaviana tsirairay sy ny faritany tsirairay ary ny tanàna tsirairay. Tokony hankalaza an’ireo andro Porima ireo foana ny Jiosy, ary tokony hahatsiaro an’ireo foana ny taranany. Tsy tokony hajanony mihitsy izany. 29  Dia nampiasa ny fahefana feno nomena azy i Estera vadin’ny mpanjaka, zanak’i Abihaila, sy Mordekay Jiosy, ka nanoratra taratasy faharoa mba hanamafisana ny momba ny Porima. 30  Dia nandefasany taratasy ny Jiosy rehetra tany amin’ny faritany 127+ manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy,+ ka zavatra mampihavana sady marina no nosoratany tao. 31  Nohamafisina tao fa tokony hankalaza ny Porima amin’ny fotoana efa nifanarahana ny Jiosy rehetra, araka ny tenin’i Mordekay Jiosy sy Estera vadin’ny mpanjaka tamin’izy ireo.+ Efa nanaiky koa ny Jiosy hoe tsy maintsy hanao an’izany izy sy ny taranany,+ sady hifady hanina+ sy hitalaho amin’Andriamanitra.+ 32  Dia nanamafy an’ireo zava-drehetra momba ny Porima+ ireo ny baikon’i Estera, ary nosoratana tao amin’ny boky izany.

Fanamarihana

Abt: “an-tranon’ny.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy teto.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”
Abt: “Hitsingerina eo an-dohan’i.”
Midika hoe “Antsapaka” ny hoe “Porima”, ary lasa nilazana ny fety nankalazain’ny Jiosy isaky ny volana faha-12 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana. Jereo F.F. B15.