Ezekiela 45:1-25
45 “‘Rehefa mizara an’ilay tany ho lovanareo ianareo,+ dia tokony hisy ampahany hatolotrareo ho fanomezana ho an’i Jehovah.+ Ho masina io ampahany io. Tokony ho 25 000 hakiho* ny lavany, ary 10 000 hakiho ny sakany.+ Ho ampahany masina izy manontolo.*
2 Hakana efamira io faritra io mba hanaovana toerana masina, ka 500 hakiho avy ny lafiny efatra.*+ Ary hisy kijana mirefy 50 hakiho avy ny lafiny efatra.+
3 Avy amin’io faritra voarefy io ianareo no handrefy 25 000 hakiho ho lavany, ary 10 000 hakiho ho sakany. Ao no hisy ny toerana masina, dia ilay zavatra masina indrindra.
4 Ampahany masina alaina avy amin’ilay tany izy io ka ho an’ny mpisorona,+ ho an’ny mpanompo ao amin’ny toerana masina izay manatona mba hanompo an’i Jehovah.+ Ao amin’io toerana io no hisy ny tranon’izy ireo, ary ho faritra masina hisy an’ilay toerana masina izy io.
5 “‘Hisy ampahany koa ho an’ny Levita, izany hoe ny mpanompo ao amin’ny tempoly, ka 25 000 hakiho ny lavany ary 10 000 hakiho ny sakany.+ Homena efitra fisakafoana 20*+ izy ireo ho fananany.
6 “‘Tokony hanome faritra iray ho fananan’ilay tanàna ianareo, ka 25 000 hakiho ny lavany, izany hoe mitovy amin’ilay fanomezana masina, ary 5 000 hakiho ny sakany.+ Ho an’ny taranak’Israely rehetra izy io.
7 “‘Ary homena ny mpiadidy ny andaniny roa amin’ilay fanomezana masina sy ny andaniny roa amin’ilay faritra nomena an’ilay tanàna. Ho eo akaikin’ilay fanomezana masina sy ilay fananan’ny tanàna ilay izy, ary ho eo amin’ny ilany andrefana sy ny ilany atsinanana. Hitovy amin’ny lavan’ny tany nomena ny foko iray eo akaikiny ilay izy, manomboka eo amin’ny sisiny andrefana ka hatreo amin’ny sisiny atsinanana.+
8 Ho lasa fananany any Israely io tany io. Tsy hampijaly ny vahoakako intsony ny mpiadidiko,+ ary hozarazarain’izy ireo amin’ny foko tsirairay amin’ny taranak’Israely ilay tany.’+
9 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry mpiadidy ny Israely!’
“‘Aoka izay ny herisetra sy ny fampijaliana, fa manaova ny rariny sy ny hitsiny.+ Aza alaina an-keriny intsony ny fananan’ny vahoakako’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
10 ‘Tokony ho mizana marina sy efaha* marina ary bata* marina no hampiasainareo.+
11 Samy tsy tokony hiova ny fatran’ny efaha sy ny bata. Tokony ho ampahafolon’ny homera* ny bata iray, ary ampahafolon’ny homera koa ny efaha iray. Ny homera no tokony hampiasaina rehefa mamatra.
12 Ny iray sekely*+ dia 20 gera.* Ny iray mane* kosa 20 sekely miampy 25 sekely sy 15 sekely.’
13 “‘Izao no fanomezana tokony hatolotrareo: Varimbazaha ampahenin’ny efaha isaky ny homera, ary vary orza ampahenin’ny efaha isaky ny homera.
14 Ny bata no hamarana ny habetsahan’ny menaka tokony homena. Ampahafolon’ny kora* ny iray bata. Iray homera ny folo bata, satria mitovy amin’ny iray homera ny folo bata.
15 Avy amin’ny andian’ondrin’ny Israely no tokony hakanareo ondry iray isaky ny ondry 200. Hampiasaina amin’ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra dorana manontolo+ ary ny sorona iombonana+ ireny, mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho an’ny vahoaka’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
16 “‘Tokony homen’ny vahoaka manontolo ho an’ny mpiadidy ny Israely izany fanomezana izany.+
17 Ilay mpiadidy kosa no hiandraikitra ny fanatitra dorana manontolo+ sy ny fanatitra varimbazaha+ ary ny fanatitra zava-pisotro, mandritra ny fety,+ ny tsinam-bolana, ny Sabata,+ ary mandritra ny fety rehetra nasaina nankalazain’ny taranak’Israely.+ Izy no hanome ny fanatitra noho ny ota, ny fanatitra varimbazaha, ny fanatitra dorana manontolo, ary ny sorona iombonana, mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho an’ny taranak’Israely.’
18 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, dia makà vantotr’ombilahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny andiany. Ary tokony hodiovinareo ho afaka amin’ny ota ny toerana masina.+
19 Dia hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hohosorany an’ilay izy ny tolàm-baravaran’ny tempoly,+ sy ny zorony efatra amin’ilay ambaratonga manodidina eo amin’ny alitara, ary ny tolàm-bavahadin’ny tokotany anatiny.
20 Izany koa no hataonao amin’ny andro fahafiton’ny volana, ho an’izay manota tsy nahy, na manota satria tsy nahalala.+ Tokony hanao fandrakofam-pahotana ho an’ilay tempoly ianareo.+
21 “‘Amin’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany no hankalazanareo ny Paska.+ Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy lalivay no tokony hohanina.+
22 Hanome vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota ny mpiadidy, amin’io andro io, mba handrakofana ny fahotany sy ny fahotan’ny vahoaka manontolo.+
23 Mandritra ny fito andro hankalazana an’ilay fety, dia hanome vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito isan’andro izy, mandritra ny fito andro, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Jehovah.+ Biby tsy misy kilema daholo ireo. Hanome osilahy iray isan’andro koa izy mba ho fanatitra noho ny ota.
24 Tokony hanome fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha isaky ny vantotr’ombilahy no homeny, ary lafarinina iray efaha isaky ny ondrilahy. Hanome menaka iray hina* isaky ny lafarinina iray efaha koa izy.
25 “‘Manomboka amin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia tokony hanome fanatitra mitovy amin’ireo ihany izy mandritra ny fito andro amin’ilay fety,+ na fanatitra noho ny ota izany, na fanatitra dorana manontolo, na fanatitra varimbazaha, na menaka.’”
Fanamarihana
^ Na: “izay ao anatin’ny sisin-taniny rehetra.”
^ Abt: “500 sy 500.”
^ Na: “efitrefitra 20.”