Ezra 1:1-11

  • Didin’i Kyrosy Mpanjaka hoe haorina indray ny tempoly (1-4)

  • Niomankomana hody any Jerosalema ny Jiosy natao sesitany tany Babylona (5-11)

1  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nampirisihin’i Jehovah hanao fanambarana nanerana ny fanjakany i Kyrosy mpanjakan’i Persa, mba ho tanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Nataony an-tsoratra koa ilay fanambarana,+ hoe:  “Izao no tenin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa: ‘Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ ary naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema,+ any Joda.  Iza aminareo àry no anisan’ny vahoakany? Enga anie hanampy azy ny Andriamaniny! Dia aleo izy hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely—Izy no tena Andriamanitra—izany hoe ilay tranony tany Jerosalema.*  Raha vahiny mipetraka any an-tanin’olona izy,+ na aiza na aiza, dia tokony hampian’ny mpiara-monina aminy,* ka homeny volafotsy, sy volamena, sy zavatra hafa, sy biby fiompy, ary fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra+ izay tany Jerosalema.’”  Dia niomankomana handeha ny lohan’ny fianakaviamben’ny Joda sy Benjamina ary ny mpisorona sy ny Levita, izany hoe izay rehetra nentanin’ilay tena Andriamanitra, mba hanorina indray an’ilay tranon’i Jehovah tany Jerosalema.  Nanampy azy daholo ny manodidina ka nanome* fitaovana volafotsy sy volamena, sy zavatra hafa, sy biby fiompy, ary zava-tsarobidy, ankoatra ny zavatra rehetra hatao fanatitra an-tsitrapo.  Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka koa ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah, izay efa nalain’i Nebokadnezara avy tany Jerosalema sady nataony tao an-tranon’ny andriamaniny.+  Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka izany, ka i Mitredata mpitahiry ny harenam-panjakana, no nasainy nanara-maso sy nanisa an’izany mba homena an’i Sesbazara,*+ mpiadidy teo amin’ny Joda.  Izao no isany: Haron-kely volamena 30, haron-kely volafotsy 1 000, fitaovana 29 fanampiny, 10  vilia baolina kely volamena 30, vilia baolina kely volafotsy 410, ary fitaovana hafa 1 000. 11  Nisy 5 400 ny isan’ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra. Nentin’i Sesbazara daholo izany, rehefa niala tany Babylona mba ho any Jerosalema ny olona natao sesitany.+

Fanamarihana

Na mety hoe “izay any Jerosalema.”
Abt: “lehilahy ao amin’ny toerana misy azy.”
Abt: “nanatanjaka ny tanan’izy ireo tamin’ny.”
Mety ho ilay Zerobabela resahin’ny Ezr 2:2; 3:8.