Ezra 10:1-44

  • Fifanekena hoe horoahina ny vehivavy hafa firenena (1-14)

  • Noroahina ireo vehivavy hafa firenena (15-44)

10  Raha mbola nivavaka+ sy nibaboka teo i Ezra, ka mbola nitomany sy nihohoka teo anoloan’ny tranon’ilay tena Andriamanitra, dia nisy Israelita be dia be nitangorona teo aminy, dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy. Nitomany be koa mantsy ny olona.  Dia niteny tamin’i Ezra i Sekania zanak’i Jehiela,+ avy amin’ny taranak’i Elama,+ hoe: “Nivadika tamin’Andriamanitsika izahay, satria nanambady* vehivavy hafa firenena avy tamin’ny mponina manodidina.+ Mbola misy fanantenana ihany anefa ho an’ny Israely.  Andao àry isika hanao fifanekena amin’Andriamanitsika+ hoe horoahina ireo vehivavy rehetra ireo sy izay naterany, araka ny toromarika nomen’i Jehovah sy ireo manaja ny* didin’Andriamanitsika.+ Andao hatao mifanaraka amin’ny Lalàna ny zavatra ataontsika.  Mitsangàna fa adidinao izao raharaha izao, ary manohana anao izahay. Mahereza dia manaova zavatra.”  Dia nitsangana i Ezra, ka nasainy nianiana ny lehiben’ny mpisorona sy ny Levita ary ny Israely rehetra hoe hanatanteraka an’izany.+ Dia nianiana izy ireo.  Ary niala teo anoloan’ny tranon’ilay tena Andriamanitra i Ezra, ka nankao amin’ny efitr’i* Johanana zanak’i Eliasiba. Tsy nihinan-kanina na nisotro rano anefa izy, na dia nankao aza, satria nalahelo fa nivadika ny olona avy natao sesitany.+  Dia nampilaza nanerana an’i Joda sy Jerosalema izy ireo hoe tokony hivory any Jerosalema izay rehetra avy natao sesitany.  Nanapa-kevitra koa ny andriana sy ny anti-panahy hoe izay tsy tonga ao anatin’ny telo andro, dia horoahina tsy ho anisan’ny fiangonan’ny olona avy natao sesitany,+ ary halaina* daholo ny fananany.  Dia tafavory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda sy Benjamina tao anatin’ny telo andro, tamin’ny andro faha-20 amin’ny volana fahasivy. Nipetraka teo an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra ny olona rehetra, ary nangovitra izy ireo satria raharaha lehibe no hodinihina sady avy be koa ny orana. 10  Dia nitsangana i Ezra mpisorona ka niteny hoe: “Nivadika tamin’Andriamanitra ianareo satria nanambady vehivavy hafa firenena,+ ka vao mainka meloka ny Israely. 11  Samia ianareo mibaboka amin’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ka ataovy ny sitrapony. Dia misaraha amin’ny mponina manodidina sy amin’ireo vehivavy hafa firenena vadinareo ireo.”+ 12  Dia niara-niredona ny fiangonana manontolo hoe: “Adidinay ny manatanteraka an-tsakany sy an-davany an’izay lazainao. 13  Be dia be anefa ny olona eto sady fotoanan’ny orana izao, ka tsy ho vita ny hijoro etỳ ivelany. Tsy ho voalamina iray na roa andro koa ity raharaha ity, satria tena nikomy mihitsy izahay tamin’iny nataonay iny. 14  Koa raha mety re dia aleo ny andriananay no hisolo tena ny fiangonana manontolo e!+ Ary aleo izay rehetra manambady vehivavy hafa firenena ao amin’ny tanànanay no ho tonga amin’ny fotoana voatondro, miaraka amin’ny anti-panahy sy ny mpitsaran’ny tanàna tsirairay. Amin’izay dia hilamina ity raharaha ity, ka tsy ho tezitra be amintsika intsony ilay Andriamanitsika.” 15  Tsy nanaiky an’izany anefa i Jonatana zanak’i Asahela sy Jahaza zanak’i Tikva, ary nanampy azy ireo koa i Mesolama sy Sabetahy+ izay samy Levita. 16  Ny olona avy natao sesitany kosa nanatanteraka an’izay efa nifanarahana. Tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo àry, dia nivory nitokana i Ezra mpisorona sy ny lohan’ireo fianakaviambe, dia izay rehetra voatonona anarana, mba handinika an’ilay raharaha. 17  Voalamin’izy ireo tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany ny momba ny lehilahy rehetra nanambady vehivavy hafa firenena. 18  Dia fantatra hoe nisy nanambady vehivavy hafa firenena koa ny taranaky ny mpisorona,+ ka ny avy tamin’ny taranak’i Jesoa+ zanak’i Jozadaka sy ny rahalahiny dia i Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia. 19  Nampanantena* handroaka ny vadiny anefa izy ireo. Meloka izy ireo ka nampanantena hanome ondrilahy avy amin’ny andian’ondry, ho fanatitra noho ny heloka.+ 20  Ny avy tamin’ny taranak’i Imera+ dia i Hanany sy Zebadia. 21  Ny avy tamin’ny taranak’i Harima+ dia i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, ary Ozia. 22  Ny avy tamin’ny taranak’i Pasora+ dia i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, ary Elasa. 23  Ny avy tamin’ny Levita dia i Jozabada, Simey, Kelaia na Kelita, Petahia, Joda, ary Eliezera. 24  Ary ny avy tamin’ireo mpihira dia i Eliasiba, ary ny avy tamin’ireo mpiandry vavahady dia i Saloma sy Talema ary Ory. 25  Ny avy tamin’ny Israely, avy tamin’ny taranak’i Parosy,+ dia i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, ary Benaia. 26  Ny avy tamin’ny taranak’i Elama+ dia i Matania, Zakaria, Jehiela,+ Abdia, Jeremota, ary Elia. 27  Ny avy tamin’ny taranak’i Zato+ dia i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, ary Aziza. 28  Ny avy tamin’ny taranak’i Bebay+ dia i Johanana, Hanania, Zabay, ary Atlay. 29  Ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, Seala, ary Jeremota. 30  Ny avy tamin’ny taranak’i Pahata-moaba+ dia i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezalila, Binoy, ary Manase. 31  Ny avy tamin’ny taranak’i Harima+ dia i Eliezera, Jisia, Malkia,+ Semaia, Simeona, 32  Benjamina, Maloka, ary Semaria. 33  Ny avy tamin’ny taranak’i Hasoma+ dia i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, ary Simey. 34  Ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Maday, Amrama, Oela, 35  Benaia, Bedeia, Keloho, 36  Vania, Meremota, Eliasiba, 37  Matania, Matenay, ary Jasao. 38  Ny avy tamin’ny taranak’i Binoy dia i Simey, 39  Selemia, Natana, Adaia, 40  Maknadebay, Sasay, Saray, 41  Azarela, Selemia, Semaria, 42  Saloma, Amaria, ary Josefa. 43  Ary ny avy tamin’ny taranak’i Nebo dia i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Jadao, Joela, ary Benaia. 44  Nanambady vehivavy hafa firenena+ daholo ireo, ka nandroaka an’ireny vadiny ireny sy ny zanany.+

Fanamarihana

Na: “nitondra tao an-tranonay.”
Abt: “mangovitra amin’ny.”
Na: “trano fisakafoan’i.”
Na: “horarana.”
Abt: “Nanome ny tanany mba.”