Ezra 3:1-13

  • Naorina indray ny alitara, ary natolotra ny sorona (1-6)

  • Nanomboka ny fanorenana ny tempoly (7-9)

  • Napetraka ny fototry ny tempoly (10-13)

3  Efa samy tany amin’ny tanànany avy ny Israelita,* tamin’ny volana fahafito.+ Dia niray saina izy ireo ka nivory tao Jerosalema.  Ary nanorina ny alitaran’ilay Andriamanitry ny Israely i Jesoa+ zanak’i Jozadaka, sy ny mpisorona hafa, ary Zerobabela+ zanak’i Sealtiela+ sy ireo rahalahiny. Amin’izay izy ireo ho afaka hanolotra sorona dorana eo ambonin’izy io, araka izay voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy,+ lehilahin’Andriamanitra.  Dia nataon’izy ireo teo amin’ilay toerany taloha ilay alitara, na dia natahotra ny mponina manodidina aza izy ireo.+ Ary nanolotra sorona dorana ho an’i Jehovah teo ambonin’ilay alitara izy ireo, dia ny sorona dorana amin’ny maraina sy hariva.+  Dia nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo* araka izay voasoratra izy ireo,+ ka nanao sorona dorana isan’andro, araka ny isa notakina ho an’ny andro tsirairay.+  Nataon’izy ireo koa ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka,+ sy ny fanatitra fanao amin’ny tsinam-bolana+ sy amin’ny fotoanan’ny fety masina rehetra+ ho an’i Jehovah, ary ny fanatitra nomen’izay te hanolotra fanatitra an-tsitrapo+ ho an’i Jehovah.  Koa nanolotra sorona dorana ho an’i Jehovah izy ireo, nanomboka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafito,+ na dia mbola tsy napetraka aza ny fototry ny tempolin’i Jehovah.  Nomen’izy ireo vola ny mpipai-bato+ sy ny mpanao asa tanana.+ Ary nomeny sakafo sy zava-pisotro ary menaka ny olona avy any Sidona sy Tyro. Ireo mantsy no nandefa hazo sedera teny amin’ny ranomasina avy any Libàna ka hatrany Jopa,+ araka ny fanomezan-dalana nomen’i Kyrosy mpanjakan’i Persa+ azy.  Tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa, taorian’ny nahatongavan’izy ireo teo amin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra tany Jerosalema, dia nanomboka an’ilay asa i Zerobabela zanak’i Sealtiela, sy Jesoa zanak’i Jozadaka, sy ny rahalahin’izy ireo hafa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra babo+ ka niverina tany Jerosalema. Notendren’izy ireo ho mpanara-maso ny asa tao an-tranon’i Jehovah ny Levita 20 taona no ho miakatra.  Dia niara-niasa mba hanara-maso an’ireo niasa tao amin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra i Jesoa sy ny zanany sy ny rahalahiny, Kadmiela sy ny zanany, izay taranak’i Joda, ary ny taranak’i Henadada+ sy ny zanak’ireo ary ny rahalahiny, izay samy Levita. 10  Ary nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Jehovah ny mpanorina.+ Dia nijoro teo mba hidera an’i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita taranak’i Asafa, araka ny toromarik’i Davida mpanjakan’ny Israely. Nanao akanjona mpisorona ny mpisorona tamin’izay sady nitondra trompetra,+ fa ny Levita kosa nitondra kipantsona.+ 11  Ary nanao hira nifamaly+ izy ireo ka nidera sy nisaotra an’i Jehovah, “fa tsara izy; tia ny Israely izy sady tsy mivadika aminy mandrakizay.”+ Dia nihoby mafy nidera an’i Jehovah ny olona rehetra, satria tafapetraka ny fototry ny tranon’i Jehovah. 12  Be dia be tamin’ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ireo fianakaviambe, izany hoe tamin’ireo lehilahy zokiolona nahita an’ilay trano taloha,+ no nigogogogo nitomany rehefa nahita hoe tafapetraka ny fototr’ilay trano. Be dia be koa anefa ny olon-kafa nihoby mafy.+ 13  Koa tsy hay intsony ny nanavaka ny feon’izay faly sy nihorakoraka sy izay nitomany, satria nitabataba be ny olona ka heno hatrany lavitra be ilay feo.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
Na: “Fialokalofana Tsy Maharitra.”