Ezra 4:1-24

  • Nisy nanohitra ny olona nanorina ny tempoly (1-6)

  • Nandefa fitarainana tany amin’i Artaksersesy Mpanjaka ny fahavalo (7-16)

  • Namaly i Artaksersesy (17-22)

  • Najanona ny fanorenana ny tempoly (23, 24)

4  Henon’ny fahavalon’ny Joda sy Benjamina+ fa nanorina tempoly ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ny olona nody avy tany an-tsesitany.+  Dia nanatona an’i Zerobabela sy ireo lohan’ny fianakaviambe avy hatrany izy ireo, ka nilaza hoe: “Avelao izahay hiara-manorina aminareo. Fa manompo* an’ilay Andriamanitrareo+ koa izahay, hoatr’anareo ihany. Ary izy no anoloranay sorona, efa hatramin’ny andron’i Esara-hadona+ mpanjakan’i Asyria, ilay nitondra anay tatỳ.”+  Hoy anefa i Zerobabela sy Jesoa ary ny sisa tamin’ireo lohan’ny fianakaviamben’ny Israely: “Tsy manan-jo hiaraka aminay hanorina trano ho an’ny Andriamanitray ianareo.+ Fa izahay ihany no hanorina azy ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka ny didin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa.”+  Ary nanakivy* sy nanaketraka ny mponin’i Joda foana ny olona manodidina, amin’izay izy ireo tsy hazoto hanorina intsony.+  Nanakarama mpanolo-tsaina hanohitra azy ireo koa izy ireny+ tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy+ mpanjakan’i Persa, mba tsy ho tanteraka ilay tetikasa.  Ary nanoratra taratasy hiampangana ny mponin’i Joda sy Jerosalema izy ireny, raha vao nanjaka i Ahasoerosy.  Nanoratra ho an’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa koa ry Bislama sy Mitredata sy Tabela ary ny mpiara-miasa aminy sasany, tamin’ny andron’i Artaksersesy. Nadikany tamin’ny fiteny aramianina+ ilay taratasy, ka soratra aramianina no nanoratany azy.*  * Nanoratra taratasy hiampangana ny mponin’i Jerosalema tany amin’i Artaksersesy Mpanjaka i Rehoma lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra. Izao ilay taratasy:  —Ireto avy no nanoratra: I Rehoma lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra, sy ny mpiara-miasa aminy sasany, ny mpitsara, ny governora lefitra, ny mpitan-tsoratra, ny olona any Ereka,+ ny Babylonianina, ny mponin’i Sosa,+ izany hoe ny Elamita,+ 10  ny sisa tavela amin’ireo firenena natao sesitany, izay napetrak’i Asnapara lehibe sady mendri-kaja tany amin’ireo tanànan’i Samaria,+ ary ny sisa tavela tany amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.* Ary 11  ity ny dika mitovy amin’ilay taratasy nalefan’izy ireo tany aminy.— “Ho an’i Artaksersesy Mpanjaka. Manoratra ho anao ny mpanomponao atỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano. 12  Tokony ho fantatry ny mpanjaka fa ireo Jiosy niala tany aminao ka nankatỳ aminay dia efa tonga any Jerosalema. Manorina indray an’ilay tanànan’ny mpikomy sy ny olon-dratsy izy ireo, ary efa mamita ny manda+ sady manamboatra ny fototra. 13  Tokony ho fantatry ny mpanjaka fa raha voaorina indray io tanàna io ary vita ny mandany, dia tsy handoa hetra na haba+ na hetran-dalana izy ireo, ka hiteraka fatiantoka ho an’ny tahirim-bolam-panjakana izany. 14  Izahay mantsy mandray karama avy any an-dapa,* ary tsy mety aminay koa ny mijery fotsiny hoe ho matiantoka ny mpanjaka. Dia mandefa an’izao taratasy izao izahay mba hampahafantarana an’izany amin’ny mpanjaka. 15  Amin’izay ianao mba mikaroka ao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’ny razambenao.+ Dia ho hitanao ao amin’ilay boky ka ho fantatrao fa tanànan’ny mpikomy izy io, ary mitondra fatiantoka ho an’ny mpanjaka sy ny faritany. Efa hatry ny ela be no nisy mpitarika fikomiana tao. Dia izany no antony nandravana an’io tanàna io.+ 16  Ampahafantarinay anao, ry mpanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka vita ny mandany, dia tsy ho voafehinao intsony* ny faritra atỳ Ampitan’ny Renirano.”+ 17  Izao no taratasy nalefan’ny mpanjaka ho an’i Rehoma lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana, sy Simsay mpanoratra, sy ny mpiara-miasa aminy sasany nipetraka tany Samaria, ary ny olona sisa tavela tatỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano: “Miarahaba anareo aho! 18  Efa voavaky tsara* teto anatrehako ilay taratasy nalefanareo tatỳ aminay. 19  Koa nampanao fikarohana aho, ka hita fa efa hatry ny ela be io tanàna io no nanohitra mpanjaka sady nikomy imbetsaka.+ 20  Nisy mpanjaka nahery tao Jerosalema, ary ny faritra Ampitan’ny Renirano manontolo no nanjakan’izy ireo, ka nandoavana hetra sy haba ary hetran-dalana izy ireo. 21  Koa omeo baiko ireo lehilahy ireo mba hanajanona an’ilay asa, ka tsy hanorina an’io tanàna io indray raha tsy izaho no manome baiko. 22  Tandremo sao hataonareo tsirambina izany, sao vao mainka matiantoka ny mpanjaka.”+ 23  Rehefa voavaky teo anatrehan’i Rehoma sy Simsay mpanoratra ary ny namany ny dika mitovy amin’ilay taratasin’i Artaksersesy Mpanjaka, dia lasa haingana izy ireo nankany amin’ny Jiosy tany Jerosalema. Dia notereny hanajanona an’ilay asa ny Jiosy. 24  Tamin’izay àry ilay asa tao amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema no nijanona. Mbola niato ilay izy hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjakan’i Persa.+

Fanamarihana

Abt: “mitady.”
Abt: “nampiraviravy tanana.”
Na mety hoe “ary nosoratana tamin’ny teny aramianina ilay izy ary avy eo nadika.”
Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny Ezr 4:8 ka hatramin’ny 6:18, tamin’ny voalohany.
Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Abt: “mihinana ny siran’ny lapa.”
Abt: “tsy hanana anjara intsony ianao amin’ny.”
Na mety hoe “Efa nadika sy voavaky.”