Ezra 5:1-17

  • Niverina nanorina ny tempoly indray ny Jiosy (1-5)

  • Taratasin’i Tatenay ho an’i Dariosy Mpanjaka (6-17)

5  Ary naminany tamin’ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema i Hagay+ mpaminany sy Zakaria+ mpaminany zafikelin’i Ido.+ Naminany tamin’ny anaran’ilay Andriamanitry ny Israely nitarika azy ireo izy roa lahy.  Tamin’izay i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela sy Jesoa+ zanak’i Jozadaka no nanomboka nanorina indray an’ilay tranon’Andriamanitra+ tany Jerosalema. Ary nisy mpaminanin’Andriamanitra niaraka taminy sy nanampy azy.+  Tamin’izay fotoana izay dia tonga teo aminy i Tatenay Governora tatỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano* sy Setara-bozenay ary ny mpiara-miasa aminy, ka nanontany hoe: “Iza no nanome baiko anareo hanorina an’io trano io sy handrafitra an’io zavatra io?”*  Hoy koa izy ireo: “Iza avy no anaran’ny lehilahy manao an’io trano io?”  Nitsinjo an’ireo anti-panahin’ny* Jiosy anefa Andriamanitra,*+ ka tsy nisy nahasakana azy ireo tsy hanohy an’ilay asa, mandra-pandefa tatitra tany amin’i Dariosy sy mandra-pahazo valin-taratasy momba an’izany.  Intỳ ny dika mitovy amin’ilay taratasy ho an’i Dariosy Mpanjaka, izay nalefan’i Tatenay Governora tatỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano, sy Setara-bozenay, ary ny mpiara-miasa aminy, izay governora lefitra tatỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.  Nandefasan’izy ireo tatitra izy, ka izao no voasoratra tao: “Ho an’i Dariosy Mpanjaka: “Fiadanana anie ho anao!  Tsara ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ny faritanin’i Joda izahay, tany an-tranon’ilay Andriamanitra tena miavaka. Misy manorina izy io, ka vato lehibe nakodiadia no anaovana azy, ary efa napetraka ireo hazo ao anaty rindrina. Mazoto manao an’ilay asa ny olona, ary mandroso haingana ilay izy.  Dia nanontanianay ny anti-panahy teo amin’izy ireo hoe: ‘Iza no nanome baiko anareo hanorina an’io trano io sy handrafitra an’io zavatra io?’*+ 10  Nanontanianay koa ny anaran’izy ireo mba hahafahanay hanoratra ny anaran’izay lehilahy mitarika azy, ka hampahafantarinay anao. 11  “Dia izao no navalin’izy ireo anay: ‘Mpanompon’ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay, ka manorina indray an’ilay trano namboarina taona maro lasa izay. Mpanjaka niavaka iray teo amin’ny Israely no nanorina sy namita azy io.+ 12  Nampahatezitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra+ anefa ny razambenay, ka nataony resin’i Nebokadnezara+ Kaldeanina, mpanjakan’i Babylona. Dia noravan’i Nebokadnezara ity trano ity,+ ary nataony sesitany tany Babylona ny vahoaka.+ 13  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Babylona anefa, dia nanome baiko mba hanorenana indray an’ity tranon’Andriamanitra ity i Kyrosy Mpanjaka.+ 14  Navoakan’i Kyrosy Mpanjaka avy tao amin’ny tempolin’i Babylona koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tato amin’ny tranon’Andriamanitra. Efa nalain’i Nebokadnezara tato amin’ny tempolin’i Jerosalema ireny, dia nentiny tany amin’ny tempolin’i Babylona.+ Nomena an’i Sesbazara*+ ireny, dia ilay lehilahy nataon’i Kyrosy governora.+ 15  Hoy i Kyrosy taminy: “Ento ireo fitaovana ireo ka apetraho ao amin’ilay tempoly any Jerosalema. Dia aoreno indray eo amin’ilay toerany taloha ny tranon’Andriamanitra.”+ 16  Dia tonga io Sesbazara io ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra+ teto Jerosalema. Efa naorina ilay trano tamin’izay, nefa mbola tsy vita hatramin’izao.’+ 17  “Raha mety amin’ny mpanjaka àry, dia maniraha olona hikaroka ao amin’ny fitehirizana ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka ao Babylona, mba hahitana raha tena namoaka baiko tokoa i Kyrosy Mpanjaka hoe haorina indray io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io.+ Dia aleo alefa atỳ aminay izay tapaky ny mpanjaka momba an’izany.”

Fanamarihana

Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Na: “sy hametraka an’ireo vatan-kazo ireo?”
Jereo F.T.
Na: “Teo amin’ireo anti-panahin’ny Jiosy anefa ny mason’Andriamanitra.”
Na: “hametraka an’ireo vatan-kazo ireo.”
Mety ho ilay Zerobabela resahin’ny Ezr 2:2; 3:8.