Ezra 6:1-22

  • Fikarohana nataon’i Dariosy sy ny didy navoakany (1-12)

  • Vita ny tempoly ary notokanana (13-18)

  • Nankalazaina ny Paska (19-22)

6  Tamin’izay i Dariosy Mpanjaka no nanome baiko, ka nisy nanao fikarohana tao amin’ny trano fitehirizana taratasy,* izay nametrahana ny harena notehirizina tany Babylona.  Dia nisy horonam-boky hita tao amin’ilay tanàna voaro mafy tao Ekbatana, tany amin’ny faritanin’i Media, ka izao no didy voasoratra tao:  “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka, dia nanome an’izao baiko izao momba ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema i Kyrosy Mpanjaka:+ ‘Aoreno indray ilay trano ka ao no hanaovana sorona. Ataovy mafy tsara ny fototr’ilay trano. Tokony hatao 60 hakiho* ny haavony, ary 60 hakiho ny sakany.+  Ny rindrina kosa ataovy amin’ny vato ngezabe, izay nakodiadia haka toerana. Ataovy telo andalana ireo vato ireo ary iray andalana ny vatan-kazo.+ Avy ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ihany no handoavana ny lany.+  Tokony haverina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tao an-tranon’Andriamanitra, izay nalain’i Nebokadnezara tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny tany Babylona.+ Amin’izay dia haverina amin’ny toerany ao amin’ny tempoly any Jerosalema ireny, dia hapetraka ao an-tranon’Andriamanitra.’+  “Aza midikiditra amin’izany àry ianareo, ry Tatenay governoran’ny faritra Ampitan’ny Renirano* sy Setara-bozenay ary ny mpiara-miasa aminareo, dia ireo governora lefitra any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.+  Aza sakantsakanana ny asa ao amin’io tranon’Andriamanitra io. Fa hanorina indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ny toerany taloha ny governora sy ny anti-panahin’ny Jiosy.  Manome an’izao baiko izao koa aho ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo anti-panahin’ny Jiosy ireo, mba hanorenana indray an’io tranon’Andriamanitra io: Tokony homena an’ireo lehilahy ireo avy hatrany ny vola holanina amin’ilay asa, mba hitohy foana ilay izy.+ Avy amin’ny trano fitehirizana ny harenan’ny mpanjaka+ ilay izy no halaina, izany hoe avy amin’ny hetra voangona any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.  Tsy maintsy homena azy ireo foana isan’andro koa izay ilainy, dia vantotr’ombilahy+ sy ondrilahy+ ary zanak’ondry+ atao fanatitra dorana ho an’ilay Andriamanitry ny lanitra, varimbazaha,+ sira,+ divay,+ ary menaka,+ araka izay lazain’ireo mpisorona any Jerosalema. 10  Amin’izay izy ireo ho afaka hanolotra fanatitra tsy tapaka, izay mampifaly an’ilay Andriamanitry ny lanitra, sady ho afaka hivavaka ho an’ny mpanjaka sy ny zanany.+ 11  Manome baiko koa aho fa izay tsy manaraka an’izao didy izao, dia hakana hazo iray ny tranony ary hahantona* eo amin’ilay hazo izy. Ny tranony kosa hatao kabinem-bahoaka.* 12  Ary ilay Andriamanitra izay nametraka ny anarany any+ Jerosalema anie, hanongana an’izay mpanjaka na olona mitady handika an’izao didy izao sy mitady handrava an’ilay tranon’Andriamanitra any! Izaho Dariosy no manome baiko, ka ataovy avy hatrany izany.” 13  Tonga dia nanatanteraka ny baiko rehetra nomen’i Dariosy Mpanjaka i Tatenay governoran’ny faritra Ampitan’ny Renirano sy Setara-bozenay+ ary ny mpiara-miasa aminy. 14  Ary nanohy an’ilay asa fanorenana foana ny anti-panahin’ny Jiosy, ka nandroso tsara ilay izy.+ Nampahery azy ireo mantsy ny faminanian’i Hagay+ mpaminany sy Zakaria+ zafikelin’i Ido. Dia vitan’izy ireo ilay trano, noho ny baikon’ilay Andriamanitry ny Israely+ sy ny baikon’i Kyrosy+ sy Dariosy+ ary Artaksersesy+ mpanjakan’i Persa. 15  Vitany tanteraka ilay trano tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,* tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy Mpanjaka. 16  Dia nitokana an’ilay tranon’Andriamanitra ny Israelita, izany hoe ny mpisorona sy ny Levita+ ary ny sisa tavela tamin’ny olona avy natao sesitany. Faly be izy ireo tamin’izay. 17  Izao avy no natolotr’izy ireo tamin’ny fitokanana an’io tranon’Andriamanitra io: Omby 100, ondrilahy 200, zanak’ondry 400, ary osilahy 12 ho fanatitra noho ny ota ho an’ny Israely rehetra, mifanaraka amin’ny isan’ny fokon’ny Israely.+ 18  Dia notendren’izy ireo araka ny sokajiny avy ny mpisorona, ary araka ny fizarany avy ny Levita mba hanao ny fanompoana an’Andriamanitra tao Jerosalema,+ araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy.+ 19  Nankalaza ny Paska ny olona avy natao sesitany, tamin’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany.+ 20  Samy nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, ka nadio daholo.+ Koa novonoin’izy ireo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, ho an’ny olona rehetra avy natao sesitany sy ho an’ireo mpisorona hafa ary ho an’ny tenany. 21  Dia nihinana tamin’izany ny Israelita nody avy any an-tsesitany, sy ny olona rehetra niaraka tamin’izy ireo. Efa tsy nanao intsony an’izay zavatra mandoto fanaon’ny firenena teo amin’ilay tany ireny olona ireny, mba hanompoany* an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 22  Nankalaza ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay+ nandritra ny fito andro koa izy ireo sady falifaly be. Nataon’i Jehovah mantsy izay hahafaly azy ireo. Nataony tsara fanahy tamin’izy ireo koa ny mpanjakan’i Asyria,+ ka nanampy azy ireo* tamin’ilay asa fanorenana ny tranon’ilay tena Andriamanitra, dia ny Andriamanitry ny Israely.

Fanamarihana

Abt: “trano mirakitra ny tantara.”
26,7 m eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Na mety hoe “fanariam-pako; fanariana taim-biby.”
Na: “hofantsihana.”
Abt: “hitadiavany.”
Abt: “nanatanjaka ny tanan’izy ireo.”