Ezra 7:1-28

  • Tonga tany Jerosalema i Ezra (1-10)

  • Taratasin’i Artaksersesy ho an’i Ezra (11-26)

  • Nidera an’i Jehovah i Ezra (27, 28)

7  Ary niverina i Ezra*+ tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana nanjakan’i Artaksersesy+ mpanjakan’i Persa. I Ezra dia zanak’i Seraia,+ zanak’i Azaria, zanak’i Hilkia,+  zanak’i Saloma, zanak’i Zadoka, zanak’i Ahitoba,  zanak’i Amaria, zanak’i Azaria,+ zanak’i Meraiota,  zanak’i Zerahia, zanak’i Ozy, zanak’i Boky,  zanak’i Abisoa, zanak’i Finehasa,+ zanak’i Eleazara,+ zanak’i Arona+ lehiben’ny mpisorona.  Niala avy tany Babylona io Ezra io. Mpanao dika soratra* izy, ary tena nahay tsara* ny Lalàn’i Mosesy,+ izay nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, satria nanampy azy ny tanan’i Jehovah Andriamaniny.  Niakatra nankany Jerosalema ny sasany tamin’ny Israelita, ny mpisorona, ny Levita,+ ny mpihira,+ ny mpiandry vavahady,+ ary ny mpanompo tao amin’ny tempoly,*+ tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka.  Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito nanjakan’io mpanjaka io.  Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany i Ezra no nanomboka an’ilay diany avy tany Babylona, ary tonga tany Jerosalema izy tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy. Nanampy azy mantsy ny tanan’ny Andriamaniny.+ 10  Efa nanomana ny fony i Ezra mba* handinika sy hampihatra ny Lalàn’i Jehovah,+ ary hampianatra ny fitsipika sy ny didim-pitsarana ao amin’izy io, tany Israely.+ 11  Intỳ ny dika mitovy amin’ilay taratasy nomen’i Artaksersesy Mpanjaka an’i Ezra, izay mpisorona sady mpanao dika soratra,* ary mpandalina* ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny ho an’ny Israely: 12  * “Avy amin’i Artaksersesy,+ ilay mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanao dika soratra* ny Lalàn’ilay Andriamanitry ny lanitra: Fiadanana anie ho anao! 13  Nanome baiko aho hoe na iza na iza amin’ny vahoakan’Israely sy ny mpisorony ary ny Levita eto amin’ny fanjakako, ka te hiaraka aminao ho any Jerosalema, dia mahazo mandeha.+ 14  Fa irahin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy fito ianao mba hanadihady any Joda sy Jerosalema, raha ampiharina tokoa ny Lalàn’ny Andriamanitrao, izay nankinina taminao.* 15  Ento koa ny volafotsy sy ny volamena avy any amin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy, nomen’izy ireo an-tsitrapo ho an’ilay Andriamanitry ny Israely, izay any Jerosalema. 16  Ento koa ny volafotsy sy ny volamena rehetra azonao* manerana ny faritanin’i Babylona, sy ny fanomezana avy amin’ny olona sy ny mpisorona, omen’izy ireo an-tsitrapo ho an’ny tranon’ny Andriamaniny any Jerosalema.+ 17  Ampiasao avy hatrany izany vola izany mba hividianana ombilahy+ sy ondrilahy+ sy zanak’ondry,+ ary fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ ilaina miaraka amin’ireo. Dia atolory eo amin’ny alitaran’ny tranon’ny Andriamanitrareo any Jerosalema izany. 18  “Azonao sy ny rahalahinao ampiasaina amin’izay hitanareo fa mety ny ambin’ny volafotsy sy volamena, araka ny sitrapon’ilay Andriamanitrareo. 19  Ary atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema daholo ny fitaovana nomena anao mba hampiasaina amin’ny fanompoana ao an-tranon’ny Andriamanitrao.+ 20  Izay zavatra hafa mbola ilaina ao an-tranon’ny Andriamanitrao ka tokony homenao, dia alaivo ao amin’ny trano fitehirizana ny harenan’ny mpanjaka.+ 21  “Izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manome baiko anareo mpitahiry ny harenam-panjakana rehetra any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano,* hoe tokony homenareo avy hatrany izay rehetra angatahin’i Ezra+ mpisorona, ilay mpanao dika soratra* ny Lalàn’ilay Andriamanitry ny lanitra. 22  Omeo azy izay angatahiny na dia hatramin’ny volafotsy 100 talenta,* varimbazaha 100 kora,* divay+ 100 bata,* ary menaka+ 100 bata aza. Omeo azy koa izay sira+ rehetra ilaina. 23  Tanteraho daholo ny baikon’ilay Andriamanitry ny lanitra ho an’ny tranony. Tokony hafana fo ianareo rehefa manao an’izany, amin’izay ilay Andriamanitry ny lanitra+ tsy ho tezitra amin’ny vahoaka ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy amin’ny zanaky ny mpanjaka.+ 24  Ilazana koa ianareo fa tsy azo atao ny mitaky hetra na haba+ na hetran-dalana amin’ny mpisorona, ny Levita, ny mpitendry zavamaneno,+ ny mpiandry varavarana, ny mpanompo ao amin’ny tempoly,*+ ary ny mpiasa ao amin’io tranon’Andriamanitra io. 25  “Ary ianao, ry Ezra, ampiasao ny fahendrena nomen’ilay Andriamanitrao anao,* dia manendre mpahay lalàna sy mpitsara, mba hitsara ny olona rehetra any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ny Andriamanitrao. Tokony hampianarinao kosa izay tsy mahalala an’izany.+ 26  Fa na iza na iza tsy mety mankatò ny Lalàn’ny Andriamanitrao sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia tokony hampiharina aminy avy hatrany ny didim-pitsarana, ka hovonoina ho faty izy na horoahina, na hampandoavina sazy na hogadraina.” 27  Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny razambentsika, izay nanao an’izany tao am-pon’ny mpanjaka mba hahatsara tarehy ny tranon’i Jehovah any Jerosalema!+ 28  Sady tia ahy Izy no tsy nivadika tamiko, ka nataony nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka+ sy ny mpanolo-tsainy+ ary ny andriana* rehetra miaraka amin’ny mpanjaka aho. Lasa be herim-po* àry aho, satria nanampy ahy ny tanan’i Jehovah Andriamanitro. Ary novoriko ireo lehilahy mpitarika* teo amin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko.

Fanamarihana

Midika hoe “Fanampiana.”
Na: “Mpanora-dalàna.”
Na: “tena havanana tamin’ny fanaovana dika soratra.”
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Na: “Efa tapa-kevitra tao am-pony i Ezra fa.”
Na: “mpanora-dalàna.”
Na: “mpanao dika.”
Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny Ezr 7:12 ka hatramin’ny 7:26, tamin’ny voalohany.
Na: “mpanora-dalàna.”
Na: “izay any aminao any.” Abt: “ny Lalàn’Andriamanitrao eo am-pelatananao.”
Abt: “hitanao.”
Na: “Ampitan’i Eofrata.”
Na: “mpanora-dalàna.”
1 kora = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Abt: “araka ny fahendren’Andriamanitrao eo am-pelatananao.”
Na: “andriana mahery.”
Na: “Nampahery ny tenako.”
Abt: “ireo lohany.”