Ezra 8:1-36

  • Lisitry ny olona niverina niaraka tamin’i Ezra (1-14)

  • Niomana hanao an’ilay dia (15-30)

  • Niala tany Babylona dia tonga tany Jerosalema (31-36)

8  Ireto avy ny lohan’ireo fianakaviambe sy ireo voasoratra tao amin’ny tetirazana,* izay niaraka tamiko niala avy tany Babylona, tamin’ny andro nanjakan’i Artaksersesy Mpanjaka:+  I Gersoma, avy amin’ny taranak’i Finehasa;+ Daniela, avy amin’ny taranak’i Itamara;+ Hatosy, avy amin’ny taranak’i Davida;  Zakaria, avy amin’ny taranak’i Sekania sy avy amin’ny taranak’i Parosy, ary nisy 150 lahy voasoratra anarana niaraka taminy;  Eliho-enay zanak’i Zerahia, avy amin’ny taranak’i Pahata-moaba,+ ary nisy 200 lahy niaraka taminy;  Sekania zanak’i Jahaziela, avy amin’ny taranak’i Zato,+ ary nisy 300 lahy niaraka taminy;  Ebeda zanak’i Jonatana, avy amin’ny taranak’i Adina,+ ary nisy 50 lahy niaraka taminy;  Jesaia zanak’i Atalia, avy amin’ny taranak’i Elama,+ ary nisy 70 lahy niaraka taminy;  Zebadia zanak’i Mikaela, avy amin’ny taranak’i Sefatia,+ ary nisy 80 lahy niaraka taminy;  Obadia zanak’i Jehiela, avy amin’ny taranak’i Joaba, ary nisy 218 lahy niaraka taminy; 10  Selomita zanak’i Josifia, avy amin’ny taranak’i Bany, ary nisy 160 lahy niaraka taminy; 11  Zakaria zanak’i Bebay,+ avy amin’ny taranak’i Bebay, ary nisy 28 lahy niaraka taminy; 12  Johanana zanak’i Hakatana, avy amin’ny taranak’i Azgada,+ ary nisy 110 lahy niaraka taminy; 13  Elifeleta sy Jeiela ary Semaia no anaran’ireo avy amin’ny taranak’i Adonikama,+ ka ireo no farany amin’io taranaka io, ary nisy 60 lahy niaraka tamin’izy ireo; 14  Otahy sy Zaboda, avy amin’ny taranak’i Bigvay,+ ary nisy 70 lahy niaraka tamin’izy ireo. 15  Novoriko teo amin’ilay renirano mankany Ahava+ izy ireo, dia nitoby telo andro teo izahay. Rehefa nandinika tsara ny vahoaka sy ny mpisorona anefa aho, dia tsy nahita Levita na iray aza. 16  Dia nampanantsoiko i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, Elnatana, Natana, Zakaria, ary Mesolama izay samy lehilahy mpitarika, ary Joariba sy Elnatana izay samy mpampianatra. 17  Ary nomeko baiko izy ireo ho any amin’i Ido, ilay mpitarika tao amin’ilay toerana atao hoe Kasifia. Nasaiko niteny tamin’i Ido sy ny rahalahiny, izay mpanompo tao amin’ny tempoly* nipetraka tao Kasifia, izy ireo, mba hitondra olona hanompo ao an-tranon’ilay Andriamanitray. 18  Nanampy anay ny tanan’ilay Andriamanitray, ka nentin’izy ireo tany aminay ilay lehilahy malina atao hoe Serebia,+ avy amin’ny taranak’i Maly+ zafikelin’i Levy, zanak’i Israely. Nentin’izy ireo koa ny zanak’i Serebia sy ny rahalahiny, 18 lahy; 19  ary Hasabia sy Jesaia avy amin’ny Merarita,+ niaraka tamin’ireo rahalahiny sy ny zanak’izy ireo, 20 lahy. 20  Ary nisy 220 ny mpanompo tao amin’ny tempoly,* izay samy voasoratra anarana. I Davida sy ny andriana no efa nanome mpanompo tao amin’ny tempoly mba hanampy ny Levita. 21  Dia nasaiko nifady hanina teo amin’ny reniranon’i Ahava ny olona. Tianay mantsy ny hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitray, sy hangataka azy hitarika ny dianay, dia izahay sy ny zanakay miaraka amin’ny fanananay rehetra. 22  Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly tamin’ny mpanjaka, mba hiaro anay tamin’ny fahavalo teny an-dalana. Efa nilaza tamin’ny mpanjaka mantsy izahay hoe: “Ny tanan’ilay Andriamanitray manampy an’izay rehetra mitady azy,+ fa ny heriny sy ny hatezerany kosa ampihariny amin’izay rehetra mahafoy azy.”+ 23  Dia nifady hanina sy nangataka momba an’izany tamin’Andriamanitray izahay, ka nohenoiny ny fitalahoanay.+ 24  Natokako ny 12 lahy tamin’ny lehiben’ny mpisorona, dia i Serebia sy Hasabia+ ary ny folo tamin’ny rahalahin’izy ireo. 25  Nolanjaiko dia nomeko azy ireo ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana, izany hoe ny fanomezana nomen’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny andrianany ary ny Israelita rehetra teo ho an’ny tranon’ny Andriamanitray.+ 26  Ireto no nomeko azy ireo, rehefa avy nolanjaiko: Volafotsy 650 talenta,* fitaovana volafotsy 100 izay nitentina 2 talenta, volamena 100 talenta, 27  vilia baolina kely volamena 20 izay nitentina 1 000 darìka,* ary fitaovana 2 vita amin’ny varahina tena tsara, izay mena mamirapiratra sady sarobidy hoatran’ny volamena. 28  Dia hoy aho tamin’izy ireo: “Masina amin’i Jehovah ianareo,+ ary masina ireo fitaovana ireo. Fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo koa ireo volafotsy sy volamena ireo. 29  Arovy tsara ireo mandra-pandanjanareo azy ao amin’ny efitra* ao an-tranon’i Jehovah, eo imason’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Levita ary ny andrianan’ny fianakaviamben’ny Israely any Jerosalema.”+ 30  Dia nalain’ny mpisorona sy ny Levita ireo volafotsy sy volamena ary fitaovana voalanja ireo, mba hoentina any Jerosalema any an-tranon’ny Andriamanitray. 31  Ary niala teo amin’ny reniranon’i Ahava+ izahay tamin’ny andro faha-12 amin’ny volana voalohany,+ mba hankany Jerosalema. Nanampy anay ny tanan’Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny fahavalo sy tamin’izay niafina mba hanafika anay teny an-dalana. 32  Dia tonga tany Jerosalema+ izahay ary nijanona telo andro tao. 33  Ary tamin’ny andro fahefatra, dia nolanjainay tao an-tranon’Andriamanitray+ ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana, ka natolotray an’i Meremota+ mpisorona zanak’i Oria, sy Eleazara zanak’i Finehasa, ary ny Levita niaraka tamin’izy ireo, dia i Jozabada+ zanak’i Jesoa sy Noadia zanak’i Binoy.+ 34  Nisaina sy nolanjaina ny zava-drehetra, ary nosoratana daholo ny lanjany. 35  Ary nanolotra an’ireto sorona dorana ireto ho an’ny Andriamanitry ny Israely ny olona babo taloha sy natao sesitany: Ombilahy+ 12 ho an’ny Israely rehetra, ondrilahy+ 96, ondrilahy kely 77, ary osilahy+ 12 ho fanatitra noho ny ota. Fanatitra dorana ho an’i Jehovah daholo ireo.+ 36  Dia nomenay an’ireo lehibem-paritany* notendren’ny mpanjaka,+ sy ny governora atỳ amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano*+ ny didin’ny mpanjaka, ka nanampy ny vahoaka izy ireo sady nanome an’izay nilaina ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra.+

Fanamarihana

Na: “tetiarana.”
Na: “Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
Na: “ny Netinima.” Abt: “ireo nomena.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Vola madinika volamena persianina ny darìka. Jereo F.F. B14.
Na: “trano fisakafoana.”
Anaram-boninahitra persianina midika hoe “mpiaro ny fanjakana” no teto tany am-boalohany, fa ilazana mpitondra tany amin’ny faritanin’ny Fanjakana Persianina izy eto.
Na: “Ampitan’i Eofrata.”