Fitomaniana 2:1-22

  • Tezitra amin’i Jerosalema i Jehovah

    • Tsy namindrana fo (2)

    • Toy ny fahavalony i Jehovah (5)

    • Fitomaniana an’i Ziona (11-13)

    • Esoin’ny mpandalo ilay tanàna tsara tarehy taloha (15)

    • Faly ny fahavalo fa rava i Ziona (17)

א [Alefa] 2  Indrisy! Nataon’i Jehovah toy ny rahona nanarona an’i Ziona zanakavavy ny hatezerany. Nazerany avy any an-danitra ho amin’ny tany ny hatsaran-tarehin’ny Israely.+ Tsy tsaroany ny fitoeran-tongony,+ tamin’ny andro naha tezitra azy. ב [Beta]   Natelin’i Jehovah tsy nisy indrafo ny fonenan’i Jakoba rehetra. Nisafoaka izy ka noravany ny toerana voaro mafy izay an’i Joda zanakavavy.+ Nazerany tamin’ny tany sy nozimbazimbainy ilay fanjakana+ sy ny andrianany.+ ג [Gimela]   Tezitra be izy, ka nataony tsy manan-kery intsony* i Israely. Nesoriny ny tanany havanana rehefa nanatona ny fahavalo.+Nirehitra toy ny afo miredareda teo amin’i Jakoba izy, ka nandevona an’izay rehetra nanodidina azy.+ ד [Daleta]   Nataony vonona hitifirana* ny tsipìkany, toy ny ataon’ny fahavalo; ny tanany havanana dia vonona hanafika hoatran’ny mpanohitra;+Novonoiny izay rehetra nahafinaritra ny maso.+ Ary nararany toy ny afo+ tao amin’ny tranolain’i Ziona zanakavavy+ ny hatezerany. ה [He]   Lasa toy ny fahavalo i Jehovah;+Nateliny ny Israely. Nateliny ny tilikambony rehetra,Noravany daholo ireo toerany voaro mafy. Ampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana ao amin’i Joda zanakavavy. ו [Vao]   Potehiny toy ny trano bozaka eny an-jaridaina ny trano rantsankazony.+ Nataony tsy misy intsony* ny fetiny.+Nataon’i Jehovah hadino tao Ziona ny fety sy ny sabata, Ary tezitra be mihitsy izy, ka tsy raharahiany ny mpanjaka sy ny mpisorona.+ ז [Zaina]   Tsy neken’i Jehovah intsony ny alitarany;Nataony tsinontsinona ny toerany masina.+ Navelany horavan’ny fahavalo ny mandan’ireo tilikambony voaro mafy.+ Nihorakoraka tao an-tranon’i Jehovah izy ireo,+ hoatran’ny amin’ny andro fety. ח [Heta]   Nanapa-kevitra i Jehovah hoe horavany ny mandan’i Ziona zanakavavy.+ Nohenjaniny ny tady fandrefesana.+ Tsy nisakana ny tanany tsy handripaka* izy. Ataony misaona ny dongon-tany* sy ny manda. Samy nataony tsy nanan-kery izy ireny. ט [Teta]   Nilentika any anaty tany ny vavahadiny.+ Nosimbany sy nopotehiny ireo bara hidiny. Natao sesitany any amin’ireo firenena ny mpanjakany sy ny andrianany.+ Tsy misy intsony ny lalàna;* ary na ireo mpaminaniny aza tsy mahazo fahitana avy amin’i Jehovah.+ י [Yôda] 10  Mipetraka amin’ny tany sady mangina ny anti-panahin’i Ziona zanakavavy.+ Manipy vovoka eo amin’ny lohany izy ireo, ary mitafy lamba gony.+ Manondrika ny lohany amin’ny tany ireo virjiny ao Jerosalema. כ [Kafa] 11  Reraka ny masoko satria mitomany foana aho.+ Mangotikotika ny ato anatiko.* Mipotsaka amin’ny tany ny atiko, satria nianjera ny zanakavavin’ny* fireneko+Ary safotra eny amin’ny tany malalaky ny tanàna ny ankizy sy ny zazakely.+ ל [Lameda] 12  Tsy mitsahatra mangataka sakafo sy divay+ amin-dreniny izy ireo, Ary safotra hoatran’ny olona maratra eny amin’ny tany malalaky ny tanàna,Sady miala aina raha iny izy mbola trotroan-dreniny iny. מ [Mema] 13  Inona re no ohatra azoko omena anao e?Hampitoviko amin’inona ianao, ry Jerosalema zanakavavy ô? Hampitahaiko amin’inona ianao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virjiny ô? Fa midadasika hoatran’ny ranomasina ny fahavoazanao.+ Iza no afaka manasitrana anao?+ נ [Nona] 14  Diso sy tsy misy ilana azy ny fahitana hitan’ny mpaminaninao,+Ary tsy nahariharin’izy ireo ny fahadisoanao, nefa raha nanao an’izany izy ireo dia tsy ho lasa babo ianao.+Fa mbola diso sy mamitaka ihany ny fahitana nambarany taminao.+ ס [Sameka] 15  Mitehaka maneso+ anao daholo izay mandalo eo amin’ilay lalana. Gaga izy ireo dia misioka+ sy mihivingivin-doha mahita an’i Jerosalema zanakavavy, ka milaza hoe: “Io ve ilay tanàna nolazaina hoe ‘faran’izay tsara tarehy sy mahafaly ny olona rehetra eran-tany’?”+ פ [Pe] 16  Manoka-bava hamelezana anao ny fahavalonao rehetra. Misioka izy ireo ary mihidy vazana, dia miteny hoe: “Natelintsika izy.+ Ity mihitsy ilay andro efa nandrasantsika!+ Tonga ihany izy ity, sady hitantsika!”+ ע [Aina] 17  Nataon’i Jehovah izay efa nokasainy.+ Notanterahiny ny teniny,+Dia ny didy efa nomeny hatramin’ny ela be.+ Nandravarava tsy nisy indrafo izy.+ Navelany hifaly amin’izay manjo anao ny fahavalo. Nampitomboiny ny herin’ireo* manohitra anao. צ [Tsade] 18  Mitaraina mafy amin’i Jehovah ny fon’ny vahoaka, ry mandan’i Ziona zanakavavy ô! Aoka hikoriana andro aman’alina toy ny riaka ny ranomasonao. Aza mijanona mihitsy na vetivety aza, aza avela haka aina ny masonao.* ק [Kôfa] 19  Mitsangàna! Aoka ianao hiantsoantso mandritra ny alina, rehefa manomboka ny fiambenana. Aborahy eo anatrehan’i Jehovah toy ny rano atosaka ny ao am-ponao. Asandrato any aminy ny tananao mba tsy ho faty ny zanakao,*Izay safotra eny an-joron-dalana* rehetra eny, noho ny mosary.+ ר [Resa] 20  Jehovah ô, jereo ka diniho ilay nataonao nitondra faisana. Ny vehivavy ve dia mbola hihinana ny zanany ihany, dia ireo zaza salama tsara naterany?+Ary hovonoina ao amin’ny toerana masin’i Jehovah ve ny mpisorona sy ny mpaminany?+ ש [Shina] 21  Miampatrampatra eny an-dalana ny fatin’ireo ankizilahy sy ny lehilahy zokiolona.+ Matin’ny sabatra ny virjiny* sy ny tovolahy eo amiko.+ Namono ianao tamin’ny andro naha tezitra anao; nandripaka tsy nisy indrafo ianao.+ ת [Tao] 22  Antsoinao avy any amin’ny vazan-tany efatra ny horohoro, toy ny hoe hamonjy fety.+ Tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona, tamin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+Naripaky ny fahavaloko ireo zaza naterako* sy notezaiko.+

Fanamarihana

Abt: “nokapainy daholo ny tandrok’i.”
Na: “Nataony miforitra.” Abt: “Nohitsahiny.”
Na: “Noravany.”
Na: “tovon-tany.”
Abt: “tsy hitelina.”
Na: “toromarika.”
Natao toy ny hoe olona, amin’ny teny poetika, angamba ilazana fiantrana na fangorahana.
Abt: “tsinaiko.”
Abt: “Nasandrany ny tandrok’ireo.”
Abt: “zanakavavin’ny masonao.”
Na: “noho ny amin’ny ain’ny zanakao.”
Abt: “eny amin’ny lohan’ny lalana.”
Na: “tovovavy.”
Na: “zaza salama naterako.”