Fitomaniana 3:1-66

  • Milaza an’izay tsapany sy izay antenainy i Jeremia

    • “Vonona hiandry aho” (21)

    • Vaovao isa-maraina ny famindram-pon’i Jehovah (22, 23)

    • Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy (25)

    • Tsara ho an’ny tanora ny mizaka ny mafy (27)

    • Nataon’i Jehovah sakana tsy ahafahana manatona azy ny rahona (43, 44)

א [Alefa] 3  Izaho ilay lehilahy nahita ny fahorian’ny olona noho ny tsorakazon’ny fahatezerany.   Noroahiny aho ary asainy mandeha ao anaty haizina, fa tsy ao amin’ny mazava.+   Tena asian’ny tanany foana aho tontolo andro.+ ב [Beta]   Nataony mihalany ny nofoko sy ny hoditro.Notapatapahiny ny taolako.   Nataony fahirano aho; poizina mangidy+ sy fahoriana no nataony manodidina ahy.   Notereny hipetraka tao amin’ny toerana maizina aho, toy ny olona maty efa ela. ג [Gimela]   Nofefeny ny manodidina ahy mba tsy ho afaka hitsoaka aho.Nofatorany tamin’ny gadra varahina+ mavesatra aho.   Ary tsy mety mihaino* ny vavaka ataoko izy rehefa mitalaho miantso vonjy aho.+   Nosakanany tamin’ny vato voapaika ny lalako,Sady nataony niolakolaka.+ ד [Daleta] 10  Toy ny orsa miafina mba hanafika ahy izy, ary toy ny liona mamitsaka mba hamely.+ 11  Notereny hivily lalana aho, ary norotidrotehiny.*Nataony lasa singan’olona aho sisa.+ 12  Nataony vonona hitifirana* ny tsipìkany, ary atsangany aho mba hokendreny amin’ny zana-tsipìka. ה [He] 13  Notsatohany tamin’ny zana-tsipìka avy tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany ny voako. 14  Lasa nataon’ny olona rehetra fihomehezana aho, sady nataony hirahira tontolo andro. 15  Novokisany zavatra mangidy aho, ary nosesefany zavamaniry mangidy be.+ ו [Vao] 16  Ataony mikarepoka vatokely ny nifiko ka tapaka.Ataony mitampify ao anaty lavenona aho.+ 17  Ataonao tsy mahita fiadanana aho; tsy tsaroako intsony izay tsara, 18  Ka hoy aho: “Nanjavona ny voninahitro sy izay nantenaiko tamin’i Jehovah.” ז [Zaina] 19  Tsarovy fa mijaly sy tsy manan-kialofana+ aho, ary mihinana zavamaniry mangidy be sy poizina mangidy.+ 20  Hahatsiaro izany tokoa ianao ka hiondrika hanampy ahy.+ 21  Tsaroako ato am-poko izany, ka vonona hiandry aho.+ ח [Heta] 22  Noho i Jehovah tia antsika sy tsy mivadika amintsika no tsy maharipaka antsika,+Satria tsy mety lany mihitsy ny famindram-pony.+ 23  Vaovao isa-maraina izany.+ Mendri-pitokisana foana ianao.+ 24  Hoy aho: “I Jehovah no anjarako,+ ka vonona hiandry azy aho.”+ ט [Teta] 25  Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy,+ dia amin’izay olona mitady azy foana.+ 26  Tsara ny miandry amim-panginana*+ ny famonjen’i Jehovah.+ 27  Tsara ho an’ny olona ny mizaka ny mafy* mandritra ny fahatanorany.+ י [Yôda] 28  Aoka izy hipetraka irery sy hangina, rehefa vesaran’Andriamanitra an’izany.+ 29  Aoka izy hanohoka ny vavany amin’ny vovoka;+ angamba mba hisy fanantenana ihany.+ 30  Aoka izy hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy; aoka izy hambanina tanteraka. כ [Kafa] 31  Fa tsy hanary antsika mandrakizay i Jehovah.+ 32  Na dia nahatonga fahoriana aza izy, dia hamindra fo koa satria be fitiavana sy tsy mivadika.+ 33  Fa tsy sitraky ny fony ny mampahory na manao izay hampalahelo ny zanak’olombelona.+ ל [Lameda] 34  Ny manosihosy ny voafonja rehetra eto an-tany,+ 35  Sy ny tsy manome rariny ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra,+ 36  Ary ny mamadika ny rariny eny amin’ny fitsarana,Dia samy tsy andeferan’i Jehovah. מ [Mema] 37  Iza àry no afaka milaza sy manatanteraka zavatra, raha tsy i Jehovah no manome didy hanatanterahana an’izany? 38  Tsy miara-mivoaka amin’ny vavan’ny Avo IndrindraNy ratsy sy ny tsara. 39  Nahoana moa ny olombelona no tokony hitaraina noho ny vokatry ny fahotany?+ נ [Nona] 40  Aoka isika handinika sy hamakafaka an’izay ataontsika,+ ka hiverina amin’i Jehovah.+ 41  Andao hasandratsika amin’Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika,+ ka hiteny isika hoe: 42  “Efa nandika lalàna sy nikomy izahay,+ ary ianao tsy namela ny helokay.+ ס [Sameka] 43  Tezitra ianao dia nosakananao tsy hanatona anao izahay.+Nanenjika anay sy namono anay tsy nisy indrafo ianao.+ 44  Nataonao sakana tsy ahafahana manatona anao ny rahona, mba tsy ho tonga any aminao ny vavaka ataonay.+ 45  Ataonao zavatra fanary sy fako eo amin’ireo firenena izahay.” פ [Pe] 46  Manoka-bava maneso anay ny fahavalonay rehetra.+ 47  Horohoro sy fandrika no anjaranay,+ ary potika sy rava+ izahay. 48  Misy rano mikoriana avy amin’ny masoko, satria voa mafy ny zanakavavin’ny fireneko.+ ע [Aina] 49  Mirotsaka tsy an-kijanona ny ranomasoko, ary tsy miato mihitsy,+ 50  Mandra-piondrik’i Jehovah hijery avy any an-danitra.+ 51  Nalahelo aho nahita an’izay nanjo an’ireo ankizivavy rehetra ao an-tanànako.+ צ [Tsade] 52  Nihaza ahy tsy amin’antony, toy ny mihaza vorona, ny fahavaloko. 53  Nanapitra ny aiko tao anaty lavaka izy ireo; nitora-bato ahy foana izy ireo. 54  Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho: “Vita ny amiko!” ק [Kôfa] 55  Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao anaty lavaka lalina+ aho. 56  Henoy ny feoko. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho sy rehefa mangataka anao hanamaivana ahy. 57  Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao, ka niteny hoe: “Aza matahotra.” ר [Resa] 58  Niaro ahy teo amin’ny fitsarana ianao, Jehovah ô! Navotanao ny aiko.+ 59  Hitanao ny ratsy natao tamiko, Jehovah ô! Mba omeo rariny aho.+ 60  Hitanao daholo ny valifatiny, dia ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy. ש [Sina] na [Shina] 61  Jehovah ô, efa renao ny esoeson’izy ireo sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy,+ 62  Ary ny tenin’ireo mpanohitra ahy, sy ny bitsibitsika ataony tontolo andro mba hamelezana ahy. 63  Jereo ry zareo! Manao hira manesoeso ahy izy ireo, na mipetraka na mitsangana. ת [Tao] 64  Hamaly azy araka izay nataony ianao, Jehovah ô! 65  Hataonao lasa mafy fo izy ireo, ary izany no ozona ataonao amin’izy ireo. 66  Henjehinao amin-katezerana izy ireo, Jehovah ô, ka haripakao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitrao.

Fanamarihana

Na: “Ary misakana.”
Na mety hoe “navelany hipetra-potsiny.”
Na: “Nataony miforitra”; Abt: “Nohitsahiny.”
Na: “amim-paharetana.”
Abt: “mitondra zioga.” Jereo F.T. “Zioga.”