Fitomaniana 4:1-22

  • Mahatsiravina ny vokatry ny fahirano nanjo an’i Jerosalema

    • Tsy ampy ny sakafo (4, 5, 9)

    • Nahandro ny zanany naterany ny vehivavy (10)

    • Nanampatra ny hatezerany i Jehovah (11)

א [Alefa] 4  Indrisy! Lasa vasoka ilay volamena namirapiratra, dia ilay volamena tena tsara.+ Miparitadritaka eny an-joron-dalana* rehetra+ eny ny vato masina.+ ב [Beta]   Sarobidy toy ny volamena voadio ny zanakalahin’i Ziona izay tena tiana taloha,Nefa indrisy fa heverina ho toy ny siny tany,Asa tanan’ny mpanefy tanimanga! ג [Gimela]   Na ny alikadia aza manome nono hampinonoana ny zanany,Fa ny zanakavavin’ny fireneko kosa lasa masiaka be,+ hoatran’ny aotirisy any an-tany efitra.+ ד [Daleta]   Main’ny hetaheta ny zaza minono ka miraikitra amin’ny lanilaniny ny lelany. Mangataka sakafo ny ankizy,+ nefa tsy misy manome.+ ה [He]   Mitsirara eny an-dalana ireo zatra nihinana sakafo matsiro satria maty noana.+ Nihosina teny amin’ny lavenona misavovona ireo nanao akanjo mena midorehitra hatramin’ny mbola kely.+ ו [Vao]   Ny sazin’ny* zanakavavin’ny fireneko dia lehibe noho ny sazin’i Sodoma vokatry ny fahotany,+Dia i Sodoma izay noravana tao anatin’ny indray mipy maso, ary tsy mba nisy tanana namonjy.+ ז [Zaina]   Nadio noho ny lanezy ny Naziritan’i+ Ziona, sady fotsy noho ny ronono. Mena noho ny haran-dranomasina* izy ireo, ary toy ny safira nokosehina hangirana. ח [Heta]   Lasa mainty noho ny molaly* anefa izy ireo,Ka tsy fantatra intsony eny an-dalana. Nikainkona sy niraikitra tamin’ny taolany ny hodiny,+ ary lasa maina toy ny kitay. ט [Teta]   Tsara kokoa ny nanjo an’ireo matin’ny sabatra noho ny nanjo an’ireo matin’ny mosary,+Izay nihareraka, ka toy ny hoe voatrobaka satria tsy ampy ny sakafo teny an-tsaha. י [Yôda] 10  Ny tanan’ny vehivavy be fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany.+ Lasa nataony sakafo* izy ireny nandritra ny fotoana naha voa mafy ny zanakavavin’ny fireneko.+ כ [Kafa] 11  Namoaka ny hatezerany i Jehovah.Nanampatra ny fahavinirany izy.+ Ary mandrehitra afo ao Ziona izy handevonana ny fototra iorenany.+ ל [Lameda] 12  Tsy nino ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’ny tanyHoe hiditra eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema+ ny mpanohitra sy ny fahavalo. מ [Mema] 13  Nitranga izany noho ny fahotan’ny mpaminaniny sy ny fahadisoan’ny mpisorony,+Izay nandatsaka ny ran’ireo olo-marina teo anivony.+ נ [Nona] 14  Niraparapa toy ny jamba+ teny an-dalana izy ireo. Mihosin-dra+ izy ireo,Ka tsy misy afaka mikasika ny akanjony. ס [Sameka] 15  Misy miantsoantso azy ireo hoe: “’Ndeha mandeha any! Maloto! ’Ndeha mandeha any! ’Ndeha mandeha any! Aza mikasika anay!” Fa lasa tsy nanan-kialofana izy ireo ka nirenireny. Hoy ny olona tany amin’ireo firenena: “Tsy afaka miara-mipetraka amintsika* eto ireny.+ פ [Pe] 16  I Jehovah mihitsy* no nanaparitaka azy ireny.+Tsy hankasitraka azy ireny intsony izy. Tsy hanaja an’ireo mpisorona+ ny olona, sady tsy hiraharaha an’ireo anti-panahy.”+ ע [Aina] 17  Na ankehitriny aza, dia mbola reraka ny masonay mitazana olona hanampy, saingy tsy misy.+ Nitady izahay ka nitady fanampiana avy any amin’ny firenena, izay tsy ho nahavonjy anay akory.+ צ [Tsade] 18  Nataon’izy ireo haza lambo izahay isaky ny nandeha,+ ka tsy afaka nankeny amin’ny tany malalaka intsony. Kely sisa dia ho vita ny aminay; tapitra ny andronay, fa tonga ny faran’ny fiainanay. ק [Kôfa] 19  Haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra ny mpanenjika anay.+ Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo, ary niafina tany an-tany efitra mba hanafika anay. ר [Resa] 20  Voasambotra tao amin’ny lavaka be nataon’izy ireo+ ilay voahosotr’i Jehovah,+ dia ilay fofonain’ny vavoronay,Izy ilay nolazainay hoe: “Hipetraka eo ambany alokalony izahay any amin’ireo firenena.” ש [Sina] 21  Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin’i Edoma+ mipetraka any Oza. Homena anao koa anefa ilay kaopy,+ ka ho mamo ianao ary hiboridana.+ ת [Tao] 22  Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry Ziona zanakavavy ô! Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao.+ Handinika ny fahadisoanao kosa izy, ry zanakavavin’i Edoma ô! Haharihariny ny fahotanao.+

Fanamarihana

Abt: “eny amin’ny lohan’ny lalana.”
Abt: “fahadisoan’ny.”
Jereo F.T.
Abt: “mainty.”
Na: “sakafom-pisaonana.”
Na: “mivahiny.”
Abt: “Ny tarehin’i Jehovah.”