Fitomaniana 5:1-22

  • Vavaka nataon’ny vahoaka mba haverina hoatran’ny taloha indray

    • “Tsarovy izay nanjo anay” (1)

    • ‘Idiran-doza izahay; nanota izahay’ (16)

    • ‘Ampodio izahay, Jehovah ô’ (21)

    • “Ataovy hoatran’ny taloha indray ny andronay” (21)

5  Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay. Jereo dia diniho ny fahafaham-baraka mahazo anay.+   Nomena ho an’ny vahiny ny lovanay, ary ho an’ny olona avy amin’ny firenen-kafa ny tranonay.+   Lasa kamboty ray izahay, ary toy ny mpitondratena ny reninay.+   Anay ny rano nefa tsy maintsy mandoa vola izahay vao afaka misotro,+ ary anay ny kitay nefa mividy izahay vao mahazo.   Manaraka akaiky anay ny mpanenjika.Reraka be izahay, nefa tsy avela haka aina mihitsy.+   Manolotra ny tananay amin’i Ejipta+ sy Asyria+ izahay mba hahazoana sakafo ampy ho anay.   Efa tsy eo intsony ny razambenay izay nanota, nefa izahay no tsy maintsy mizaka ny fahadisoany.   Mpanompo izao no mifehy anay, ary tsy mba misy misintona anay eny an-tanan’izy ireo.   Manao vivery ny ainay izahay vao mahazo sakafo,+ noho ny olona mitana sabatra any an-tany efitra. 10  Lasa mahamay be toy ny lafaoro ny hoditray, satria mijaly izahay noho ny hanoanana.+ 11  Natao afa-baraka* ny vehivavy manambady tao Ziona, sy ny virjiny tany amin’ireo tanànan’i Joda.+ 12  Nahantona tamin’ny tanany ilany ny andriana,+ ary tsy nohajaina ny anti-panahy.+ 13  Mibata vato fikosoham-bary ny tovolahy, ary tafintohina ireo ankizilahy milanja kitay mavesatra be. 14  Tsy eo am-bavahadin’ny tanàna intsony ny anti-panahy,+ ary tsy mitendry zavamaneno intsony ny tovolahy.+ 15  Tsy falifaly intsony ny fonay, ary tsy mandihy intsony izahay fa misaona.+ 16  Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay. Idiran-doza izahay satria nanota! 17  Marary ny fonay+ noho izany,Ary mihamanjavozavo ny masonay+ noho izany zavatra izany, 18  Satria lasa aolo ny Tendrombohitr’i Ziona,+ ka ny amboadia izao no mirenireny eny. 19  Ianao kosa Jehovah ô, mipetraka mandrakizay eo amin’ny seza fiandriananao, Izay haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+ 20  Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay, ka mahafoy anay ela be?+ 21  Ampodio ho aminao izahay, Jehovah ô, dia hiverina aminao avy hatrany.+ Ataovy hoatran’ny taloha indray ny andronay.+ 22  Nolavinao tanteraka anefa izahay. Mbola tezitra be aminay foana ianao.+

Fanamarihana

Na: “Naolana.”