Genesisy 18:1-33
18 Taorian’izay, dia niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazobe tao Mamre+ i Jehovah.+ Nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy i Abrahama tamin’izay, rehefa tena nahamay be iny ny andro.
2 Dia nitraka izy ka nahita lehilahy telo nijoro terỳ lavidavitra terỳ.+ Rehefa nahita azy ireo izy, dia nihazakazaka avy teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy mba hitsena azy, ka niankohoka tamin’ny tany.
3 Dia hoy izy: “Raha ankasitrahanao aho, Jehovah ô, dia aza andalovana fotsiny re ny mpanomponao e!
4 Ao re mba hitondrana rano kely ianareo, dia hosasana ny tongotrareo e!+ Dia eo ambanin’ny hazo eo ianareo mitsotsotra rehefa avy eo.
5 Ianareo efa mba mankatỳ amin’ny mpanomponareo ihany, ka aleo aho mba haka mofo hohaninareo, mba hampody aina anareo.* Dia mahazo mandeha ianareo avy eo.” Dia hoy izy ireo: “Hay! Ataovy àry e!”
6 Dia lasa haingana i Abrahama nankao an-tranolay tao amin’i Saraha, ka niteny hoe: “Makà haingana lafarinina tsara toto intelon’ny famarana,* dia volavolao ho koba, dia ataovy mofo.”
7 Avy eo dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’omby i Abrahama, ka nifidy omby mbola vantony sady tsara. Dia nomeny ny mpanompo ilay izy, ka lasa haingana ilay mpanompo nikarakara an’ilay izy.
8 Naka dibera sy ronono i Abrahama avy eo, ary nalainy koa ilay vantotr’omby efa nokarakarainy, ka narosony teo amin’izy telo lahy. Dia nijoro teo akaikin’izy ireo teo ambanin’ilay hazo izy, tamin’izy ireo nihinana.+
9 Hoy izy ireo taminy: “Fa aiza i Saraha vadinao?”+ Dia hoy izy: “Ao an-tranolay ao.”
10 Ary niteny koa ny iray tamin’izy ireo hoe: “Hiverina atỳ aminao tokoa aho amin’ny herintaona hoatr’izao, ka hanan-janakalahy i Saraha vadinao.”+ I Saraha kosa tamin’izay nihaino teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay, izay tao andamosin’ilay lehilahy.
11 Ary efa antitra sady be taona i Abrahama sy Saraha.+ Efa antitra i Saraha ka tsy afaka niteraka intsony.*+
12 Koa nihomehy anakampo i Saraha nanao hoe: “Izaho efa antitra ity ve dia mbola ho faly ihany fa hiteraka?+ Sady ny tompoko koa aza efa antitra!”
13 Dia hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Fa maninona i Saraha no nihomehy sady niteny hoe: ‘Tena hiteraka tokoa ve aho, nefa izaho efa antitra?’
14 Angaha misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah?+ Hiverina atỳ aminao aho amin’ny herintaona hoatr’izao, ka hanan-janakalahy i Saraha.”
15 Nanda anefa i Saraha hoe: “Tsy nihomehy izany aho!” Natahotra mantsy izy. Dia hoy ilay anjely: “Tena nihomehy ianao ka!”
16 Dia nitsangana ireo lehilahy ireo avy eo ka niala teo, dia nitazana an’i Sodoma.+ Niaraka taminy koa i Abrahama mba hanatitra azy.
17 Ary hoy i Jehovah: “Dia hafeniko amin’i Abrahama ve ny zavatra hataoko?+
18 Ho lasa firenena lehibe sy mahery mantsy i Abrahama, ary amin’ny alalany no hitahiana* ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+
19 Efa fantatro tsara izy izao. Koa azoko antoka hoe hasainy manaraka ny lalan’i Jehovah ny ankohonany sy ny zanany handimby azy, ka hanao ny tsara sy hanao ny rariny.+ Amin’izay dia hotanterahin’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nampanantenainy momba azy.”
20 Hoy ihany i Jehovah: “Tena be loatra ny fitarainana henoko+ momba an’i Sodoma sy Gomora, ary tafahoatra loatra ny fahotan’izy ireo.+
21 Hidina mihitsy aho hijery raha tena hoatr’izany tokoa ny ataon’izy ireo, hoe marina na tsia ny fitarainana tonga atỳ amiko. Tiako ho fantatra mantsy izany.”+
22 Dia niala teo ireo lehilahy ireo ka lasa nankany Sodoma. Fa i Jehovah+ kosa mbola nijanona niaraka tamin’i Abrahama.
23 Ary nanatona i Abrahama ka niteny hoe: “Dia haringanao miaraka amin’ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina?+
24 Ahoana raha misy olo-marina 50 ao amin’io tanàna io? Dia haringanao daholo ve izy ireo ka tsy havelanao ny helok’ilay tanàna, nefa misy an’ireo olo-marina 50 ireo ao?
25 Sanatria anao ny hamono ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy, ka hoe hitovy ihany ny hiafaran’ny olo-marina sy ny ratsy fanahy!+ Sanatria anao ny hanao an’izany!+ Dia tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”+
26 Dia hoy i Jehovah: “Raha mahita olo-marina 50 ao amin’ny tanànan’i Sodoma aho, dia havelako daholo ny helok’ilay tanàna manontolo, noho ireo olo-marina ireo.”
27 Hoy indray anefa i Abrahama: “Azafady re e! Efa sahy niresaka tamin’i Jehovah ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.
28 Ary ahoana raha tsy ampy 50 ny olo-marina ao, fa latsaka dimy? Horavanao ve ilay tanàna manontolo, noho ireo olona dimy ireo?” Dia hoy izy: “Tsy horavako ilay izy, raha mahita 45 ao aho.”+
29 Hoy indray anefa i Abrahama: “Ary raha 40 no hita ao?” Dia hoy izy: “Tsy hanao an’izany aho raha mahita 40 ao.”
30 Mbola niteny ihany i Abrahama hoe: “Aza tezitra re, Jehovah ô,+ fa mba avelao aho hiteny ihany. Ahoana raha 30 fotsiny no hita ao?” Dia hoy izy: “Tsy hanao an’izany aho raha mahita 30 ao.”
31 Fa mbola hoy ihany i Abrahama: “Efa sahy niresaka tamin’i Jehovah ihany aho. Ary raha 20 fotsiny no hita ao?” Dia hoy izy: “Tsy handrava an’ilay tanàna aho raha mahita 20 ao.”
32 Farany, dia hoy i Abrahama: “Aza tezitra re, Jehovah ô, fa mba avelao aho hiteny farany. Ahoana raha folo fotsiny no hita ao?” Dia hoy izy: “Tsy handrava an’ilay tanàna aho raha mahita folo ao.”
33 Rehefa avy niresaka tamin’i Abrahama i Jehovah dia lasa, fa i Abrahama kosa nandeha nody.+
Fanamarihana
^ Abt: “ny fonareo.”
^ Abt: “Efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy i Saraha”, izany hoe efa tsy tonga fotoana intsony.
^ Na: “hahazo fitahiana.”