Genesisy 20:1-18
-
Abimeleka nosakanana tsy hanambady an’i Saraha (1-18)
20 Ary niala teo+ i Abrahama ka nifindra toby nankany amin’ny faritr’i Negeba. Dia nipetraka teo anelanelan’i Kadesy+ sy Sora+ izy. Tamin’izy nipetraka* tao Gerara,+
2 dia niteny foana i Abrahama hoe anabaviny+ i Saraha vadiny. Naniraka olona haka an’i Saraha àry i Abimeleka mpanjakan’i Gerara.+
3 Indray alina dia niteny tamin’i Abimeleka tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Ho faty ianao fa naka an’io vehivavy io.+ Vadin’olona mantsy izy.”+
4 Mbola tsy nanao firaisana tamin’i Saraha anefa i Abimeleka. Dia hoy izy: “Jehovah ô, firenena tsy manan-tsiny* ve dia hovonoinao?
5 Angaha moa tsy ilay lehilahy ihany no niteny tamiko hoe: ‘Anabaviko izy’? Ary angaha tsy ilay vehivavy koa no niteny hoe: ‘Anadahiko izy’? Tamin’ny fo madio no nanaovako an’izao, sady tsy fantatro hoe tsy nety ny nataoko.”
6 Dia niteny taminy tao amin’ny nofy Andriamanitra hoe: “Fantatro fa tamin’ny fo madio no nanaovanao an’izao, ka nosakanako tsy hanota amiko ianao. Izany no antony tsy namelako anao hikasika azy.
7 Avereno àry ny vadin’io lehilahy io, satria mpaminany+ izy. Dia hitalaho ho anao+ izy mba tsy ho faty ianao. Fa raha tsy averinao ilay vehivavy, dia fantaro fa tena ho faty ianao sy ny ankohonanao manontolo.”
8 Ary nifoha maraina i Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra, dia nitantara an’izany rehetra izany tamin’izy ireo. Dia natahotra be izy ireo.
9 Niantso an’i Abrahama i Abimeleka avy eo, ka niteny taminy hoe: “Fa inona ity nataonao taminay? Ary inona no fahotana nataoko taminao no dia nahatonga an’izao loza lehibe izao tamiko sy ny fanjakako ianao? Tsy mety mihitsy izao nataonao tamiko izao.”
10 Hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: “Fa inona no antony nanaovanao an’izao zavatra izao?”+
11 Dia hoy i Abrahama: “Nieritreritra aho hoe: ‘Tena tsy matahotra an’Andriamanitra ny olona eto amin’ity toerana ity, ka hovonoiny ho faty aho dia halainy ny vadiko.’+
12 Fa izy aloha tena anabaviko e! Zanaky ny raiko mantsy izy fa tsy zanaky ny reniko, ary lasa vadiko.+
13 Dia rehefa nasain’Andriamanitra niala tao amin’ny ankohonan-draiko+ aho ka nifindrafindra teny, dia hoy aho tamin’ny vadiko: ‘Mba ataovy izao raha tena tia ahy* ianao: Any amin’izay toerana rehetra halehantsika, dia lazao hoe anadahinao aho.’”+
14 Dia naka ondry sy omby sy mpanompolahy ary mpanompovavy i Abimeleka, ka nomeny an’i Abrahama. Naveriny taminy koa i Saraha vadiny.
15 Hoy koa i Abimeleka: “Taniko daholo ireo hitanao ireo. Afaka mipetraka any amin’izay tianao hipetrahana ianao.”
16 Hoy koa izy tamin’i Saraha: “Omeko volafotsy 1 000 sekely ny anadahinao.+ Iny no porofo hoe tsy manan-tsiny ianao* eo anatrehan’ireo olona rehetra miaraka aminao ireo sy eo imason’ny olona rehetra. Dia tsy hisy ho afaka hanome tsiny anao.”
17 Dia nitalaho tamin’Andriamanitra i Abrahama, ka nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny, dia afaka niteraka indray izy ireo.
18 Efa nataon’i Jehovah tsy niteraka mantsy ny vehivavy rehetra* tao an-tranon’i Abimeleka, satria nalain’i Abimeleka i Saraha vadin’i Abrahama.+
Fanamarihana
^ Na: “nivahiny.”
^ Na: “firenena marina.”
^ Na: “tia ahy sy tsy mivadika amiko.”
^ Abt: “Iny fa omena anao ho tampi-maso ilay izy.”
^ Na: “nohidian’i Jehovah tanteraka ny kibo rehetra.”