Genesisy 30:1-43
30 Rehefa hitan’i Rahely fa tsy niteraka tamin’i Jakoba izy, dia lasa nialona ny rahavaviny izy, ka niteny tamin’i Jakoba hoe: “Omeo zaza aho, fa raha tsy izany dia ho faty.”
2 Dia tezitra be tamin’i Rahely i Jakoba, ka hoy izy: “Izaho angaha solon’Andriamanitra? Izy ange no nisakana anao tsy hanan-janaka e!”
3 Ary hoy i Rahely: “Io i Bilaha mpanompovaviko,+ dia manaova firaisana aminy. Dia amin’izay izy no hanan-janaka eo amin’ny toerako,* dia ho lasa hoatran’ny hoe zanako ny zanany.”
4 Dia nomeny ho vadin’i Jakoba i Bilaha mpanompovaviny, ka nanao firaisana taminy i Jakoba.+
5 Ary bevohoka i Bilaha ka nitera-dahy taminy.
6 Dia hoy i Rahely: “Andriamanitra no mpitsara ahy, dia nihaino ny fangatahako izy ka nanome ahy zazalahy.” Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay zaza hoe Dana.*+
7 Ary bevohoka indray i Bilaha mpanompovavin’i Rahely, ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba.
8 Dia hoy i Rahely: “Nifampitolona mafy tamin’ny rahavaviko aho, dia mbola nandresy koa!” Dia nataony hoe Naftaly*+ ny anarany.
9 Rehefa hitan’i Lea fa tsy niteraka intsony izy, dia nalainy i Zilpa mpanompovaviny ka nomeny ho vadin’i Jakoba.+
10 Dia nitera-dahy tamin’i Jakoba i Zilpa mpanompovavin’i Lea.
11 Ary hoy i Lea: “Tena nambinina aho!” Dia nataony hoe Gada*+ ny anarany.
12 Taorian’izay, dia niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba i Zilpa mpanompovavin’i Lea.
13 Dia hoy i Lea: “Sambatra erỳ aho, fa tena hiantso ahy hoe sambatra izao ny zazavavy.”+ Koa nataony hoe Asera*+ ny anarany.
14 Ary nandehandeha i Robena+ tamin’ny fotoana fijinjana varimbazaha, ka nahita angividia naniry tany an-tsaha. Koa nentiny tany amin’i Lea reniny ilay angividia. Ary hoy i Rahely tamin’i Lea: “Mba omeo amin’ny angividia hitan’ny zanakao re aho e!”
15 Dia hoy i Lea: “Mbola tsy ampy anao angaha ny naka ny vadiko,+ no alainao koa ny angividia hitan’ny zanako?” Dia hoy i Rahely: “Ao àry fa hanao firaisana aminao izy rahalina ho takalon’ny angividia hitan’ny zanakao.”
16 Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba ny harivan’iny, dia nivoaka hitsena azy i Lea ka niteny hoe: “Izaho no hanaovanao firaisana rahalina, satria ny angividia hitan’ny zanako no karama naloako hahazoana anao.” Dia nanao firaisana taminy i Jakoba iny alina iny.
17 Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataon’i Lea. Dia bevohoka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba.
18 Ary hoy i Lea: “Efa nomen’Andriamanitra ahy ny karamako,* satria nomeko ho an’ny vadiko ny mpanompovaviko.” Dia nataony hoe Isakara*+ ny anarany.
19 Ary bevohoka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakoba.+
20 Dia hoy i Lea: “Efa nomen’Andriamanitra fanomezana tsara be aho. Mba handefitra amiko amin’izay izao ny vadiko,+ satria niteraka zazalahy enina taminy aho.”+ Dia nataony hoe Zebolona*+ ny anarany.
21 Ary niteraka zazavavy izy taorian’izay, ka nataony hoe Dina+ ny anarany.
22 Farany, dia nahatsiaro an’i Rahely Andriamanitra ka nihaino ny vavaka nataony, dia nataony izay hahatonga azy ho bevohoka.*+
23 Bevohoka àry i Rahely ka tera-dahy. Dia hoy izy: “Efa nesorin’Andriamanitra ny fahafaham-barakako!”+
24 Dia nataony hoe Josefa*+ ny anarany, fa hoy izy: “Efa nampian’i Jehovah zazalahy iray ny zanako.”
25 Rehefa avy niteraka an’i Josefa i Rahely, dia niteny tamin’i Labana avy hatrany i Jakoba hoe: “Alefaso ho any amin’ny toerana niaviako sy ny taniko aho.+
26 Omeo ahy ny vady aman-janako dia handeha aho, fa ny hahazoako an’ireo no antony nanompoako anao. Fantatrao tsara ny fanompoana mafy nataoko ho anao.”+
27 Ary hoy i Labana taminy: “Raha ankasitrahanao aho, dia mijanòna re e! Fantatro tamin’ny fambara* mantsy fa mitahy ahy i Jehovah noho ianao.”
28 Hoy koa izy: “Lazao ahy izay tokony ho karamanao fa homeko.”+
29 Dia hoy i Jakoba taminy: “Fantatrao tsara ny nanompoako anao sy ny nikarakarako tsara ny biby fiompinao.+
30 Kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako, nefa nihabetsaka ny biby fiompinao ka lasa be dia be. Notahin’i Jehovah mihitsy ianao hatramin’ny nahatongavako teto. Fa rahoviana kosa aho izany vao mba hanao zavatra ho an’ny ankohonako?”+
31 Ary hoy i Labana: “Inona àry no homeko anao?” Dia hoy i Jakoba: “Tsy mila manome ahy na inona na inona ianao! Fa izao fotsiny no ataovy ho ahy, dia mbola hiandry sy hiambina ny ondry aman’osinao aho:
32 Hitety ny ondry aman’osinao rehetra aho anio, ka atokany ny ondry sada sy mara rehetra, sy ny vantotr’ondrilahy mivolontsôkôlà rehetra, ary ny osivavy mara sy sada rehetra. Dia izay hoatran’ireo no ho karamako manomboka izao.+
33 Ary ho hitanao fa manao ny marina* aho, rehefa tonga hijery ny karamako ianao indray andro any. Izay osivavy rehetra tsy sada na mara sy izay vantotr’ondrilahy tsy mivolontsôkôlà, dia halatra raha hita atỳ amiko.”
34 Dia hoy i Labana: “Mety izany. Andao hataontsika izany noteneninao izany.”+
35 Tamin’iny andro iny ihany àry, dia natokan’i Labana ny osilahy misoritsoritra sy mara, sy ny osivavy sada sy mara rehetra, sy izay rehetra misy fotsy, ary izay vantotr’ondrilahy mivolontsôkôlà, ka nomeny hokarakarain’ny zanany lahy.
36 Taorian’izay dia lasa i Labana, ka lalana telo andro no nataony nanelanelana azy sy Jakoba. Dia niandry ny ondry aman’osin’i Labana sisa tavela i Jakoba.
37 Ary naka tsorakazo mbola maitso tamin’ny hazo stiraksa sy hazo amandie ary hazo platana i Jakoba. Dia nanendahany ny hoditr’ireo tsorakazo mba hiseho ny fotsy ao anatiny, ka lasa maramara ireo tsorakazo.
38 Napetrany teo alohan’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny avy eo, ka nataony tao anaty tavin-drano fisotroan’ny biby, fa eo ny ondry aman’osy no misotro rano. Amin’izay dia hitady lahy* eo alohan’ireny ny ondry aman’osy rehefa tonga hisotro rano.
39 Nitady lahy teo alohan’ireny tsorakazo ireny àry ny ondry aman’osy, ka niteraka misoritsoritra sy sada ary mara.
40 Dia natokan’i Jakoba ny vantotr’ondrilahy. Ary ny ondry aman’osy dia natodiny tany amin’izay misoritsoritra sy izay mivolontsôkôlà rehetra mbola niaraka tamin’ny ondry aman’osin’i Labana. Avy eo dia natokan’i Jakoba ny ondry aman’osiny ka tsy nampiarahiny tamin’ny an’i Labana intsony.
41 Ary isaky ny nitady lahy ny ondry aman’osy matanjaka, dia napetrak’i Jakoba tao anaty tavin-drano teo alohan’ny ondry aman’osy ireo tsorakazo, mba ho eo akaikin’ny tsorakazo ireny no hitady lahy.
42 Raha osaosa kosa ny ondry aman’osy, dia tsy napetrany teo ireo tsorakazo. Izay osaosa foana àry no lasan’i Labana, fa ny matanjaka kosa no an’i Jakoba.+
43 Ary lasa mpanankarena be i Jakoba, ka nanana ondry aman’osy maro be sy mpanompolahy sy mpanompovavy sy rameva ary ampondra.+
Fanamarihana
^ Abt: “hiteraka eo ambony lohaliko.”
^ Midika hoe “Mpitsara.”
^ Midika hoe “Ny Fitolomako.”
^ Midika hoe “Fanambinana Be.”
^ Midika hoe “Sambatra; Fahasambarana.”
^ Na: “ny karaman’ny olona mikarama.”
^ Midika hoe “Izy no Karama.”
^ Midika hoe “Fandeferana.”
^ Abt: “ka nihaino azy ary nanokatra ny kibony.”
^ Fanafohezana ny hoe Josifia izay midika hoe “Hanampy (Hampitombo) Anie i Jah.”
^ Na: “Hitako tamin’ny porofo.”
^ Na: “ho hitanao fa olo-marina.”
^ Na: “te hanaraka.”