Genesisy 31:1-55
31 Tatỳ aoriana, dia henon’i Jakoba ny zanakalahin’i Labana nifampiresaka hoe: “Efa lasan’i Jakoba daholo ny fananan’i Dada. Tsy ho nahangona an’ireo harena rehetra ireo izy raha tsy avy tamin’ny fananan’i Dada.”+
2 Ary hitan’i Jakoba tamin’ny endrik’i Labana fa tsy falifaly taminy hoatran’ny teo aloha intsony izy.+
3 Tamin’ny farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Jakoba: “Miverena any amin’ny tanin’ny razambenao sy any amin’ny havanao,+ fa hanampy anao foana aho.”
4 Dia nampiantso an’i Rahely sy Lea hankeny an-tsaha, hankeny amin’ny ondry aman’osiny, i Jakoba.
5 Ary hoy izy tamin’izy ireo:
“Hitako hoe niova be+ ny rainareo rehefa mahita ahy. Manampy ahy anefa ilay Andriamanitry ny raiko.+
6 Fantatrareo tsara koa fa tamin’ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.+
7 Nitady hametsifetsy ahy izy ka novany impolo be izao ny karamako. Tsy navelan’Andriamanitra hanisy ratsy ahy anefa izy.
8 Rehefa niteny izy hoe: ‘Ny sada no ho karamanao’, dia niteraka sada daholo ny ondry aman’osy. Dia rehefa niteny indray izy hoe: ‘Ny misoritsoritra no ho karamanao’, dia niteraka misoritsoritra+ daholo ny ondry aman’osy.
9 Dia nalain’Andriamanitra foana ny biby fiompin’ny rainareo ka nomeny ahy.
10 Indray andro izay, rehefa nitady lahy ny ondry aman’osy, dia hitako tao amin’ny nofy fa misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina ny osilahy mitaingina ny vavy.+
11 Ary hoy ny anjelin’Andriamanitra tamiko, tao amin’ilay nofy: ‘Jakoba!’ Dia hoy aho: ‘Ahoana izay?’
12 Ary hoy izy: ‘Mba jereo ange e! Misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina daholo ny osilahy mitaingina ny vavy. Hitako daholo mantsy izay ataon’i Labana aminao.+
13 Izaho ilay Andriamanitra niseho taminao tao Betela,+ teo amin’ilay toerana nasianao an’ilay tsangambato nohosoranao menaka sy ilay toerana nanaovanao voady tamiko.+ Mialà eto amin’ity tany ity, ka miverena any amin’ny tany nahaterahanao.’”+
14 Dia hoy i Rahely sy Lea taminy: “Angaha mbola misy anjara lova tokony ho anay ao an-tranon’i Dada?
15 Angaha izahay tsy efa ataony hoatran’ny vahiny satria efa namidiny? Efa laniny koa ny vola nomena mba hahazoana anay.+
16 Anay sy ny zanakay anefa ny harena rehetra nalain’Andriamanitra tamin’i Dada.+ Koa ataovy izay rehetra asain’Andriamanitra ataonao.”+
17 Dia niainga i Jakoba ka nampitaingeniny rameva ny vady aman-janany.+
18 Ary nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananana rehetra voangony.+ Nentiny ny biby fiompy voangony tao Padana-arama, ka lasa nankany amin’i Isaka rainy tany Kanana izy.+
19 Rehefa lasa nanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin’i Rahely ny sarivongana terafima*+ nivavahany.+
20 Nofitahin’i Jakoba koa i Labana Aramianina, satria tsy noteniteneniny taminy hoe handeha izy.
21 Dia lasa nandositra izy ka niampita ny Renirano,*+ niaraka tamin’ny fananany rehetra. Ary nizotra ho any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada+ izy.
22 Tamin’ny andro fahatelo, dia nisy nilaza tamin’i Labana hoe lasa nandositra i Jakoba.
23 Dia nentin’i Labana ny rahalahiny* ka lasa nanenjika an’i Jakoba izy ireo. Efa nandeha lalana fito andro izy ireo vao nahatratra azy teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada.
24 Ary niteny tamin’i Labana Aramianina+ tao amin’ny nofy Andriamanitra ny alin’iny,+ hoe: “Tandremo tsara izay hoteneninao amin’i Jakoba, na tsara na ratsy.”+
25 Efa nanangana ny tranolainy teo amin’ilay faritra be tendrombohitr’i Gileada i Jakoba, ary efa nasain’i Labana nitoby teo koa ny rahalahiny. Koa nanatona an’i Jakoba i Labana.
26 Dia hoy i Labana tamin’i Jakoba: “Fa inona ity nataonao? Fa maninona ianao no nametsifetsy ahy, ka nentinao toy ny babo azo tany an’ady ny zanako vavy?
27 Nahoana ianao no nandositra mangingina fa tsy niteny tamiko, ka nametsifetsy ahy? Raha mba niteny tamiko anefa ianao, dia ho faly aho nandefa anao, ka nihira sy nively ampongatapaka ary nitendry harpa ho anao izahay.
28 Tsy mba navelanao hanoroka ny zafikeliko* sy ny zanako vavy akory aho. Hadalana mihitsy izao ataonao izao!
29 Vitako ny manisy ratsy anareo, nefa efa notenenin’ilay Andriamanitry ny rainareo aho tamin’ny alina, hoe: ‘Tandremo tsara izay hoteneninao amin’i Jakoba, na tsara na ratsy.’+
30 Nandeha ianao izao satria te hody mafy any amin’ny ankohonan-drainao. Fa maninona anefa no nangalarinao ireo andriamanitro?”+
31 Ary hoy i Jakoba tamin’i Labana: “Koa izaho natahotra dia tsy niteniteny. Nieritreritra mantsy aho hoe mety halainao an-keriny amiko ny zanakao vavy.
32 Fa aleo ho faty izay olona hahitanao ny andriamanitrao. Jereo tsara izay ato amiko, eto anatrehan’ny rahalahintsika, dia alaivo izay anao.” Tsy fantatr’i Jakoba anefa fa efa nangalarin’i Rahely izany.
33 Koa niditra tao amin’ny tranolain’i Jakoba sy ny an’i Lea ary ny an’ireo mpanompovavy roa+ i Labana, saingy tsy nahita. Nivoaka avy tao amin’ny tranolain’i Lea izy avy eo, ka nankao amin’ny tranolain’i Rahely.
34 Efa nalain’i Rahely talohan’izay anefa ireo sarivongana terafima, dia napetrany tao anatin’ny harom-behivavy teo amin’ny laselin-drameva, ka nipetrahany. Dia nisava eran’ilay tranolay i Labana, fa tsy nahita.
35 Ary hoy i Rahely tamin-drainy: “Aza tezitra ianao, tompoko, fa tsy afaka mitsangana eo anatrehanao aho, satria tonga amiko ny zavatra mpahazo ny vehivavy.”*+ Dia mbola nikaroka hatraiza hatraiza i Labana, nefa tsy hitany ireo sarivongana terafima.+
36 Ary tezitra i Jakoba ka nanome tsiny mafy an’i Labana. Dia hoy izy tamin’i Labana: “Fa inona no ratsy nataoko, ary inona no fahotana vitako no dia nanenjika ahy mafy avy tao aoriana tao ianao?
37 Efa voasavanao daholo izao ny fananako, ka inona tamin’izay tao an-tranonao no hitanao? Avoahy eto imason’ny rahalahiko sy ny rahalahinao izany, dia avelao ry zareo no hitsara antsika mianaka.
38 Efa 20 taona aho izao no nipetraka tao aminao, nefa tsy mba nisy an’izany hoe tsy nahavanona anaka izany mihitsy ny ondry aman’osinao.+ Tsy mba nisy nohaniko mihitsy koa ny ondrilahinao.
39 Tsy nentiko tany aminao izay biby fiompinao noviravirain’ny bibidia,+ fa nosoloako. Nasainao nanonitra an’izay nangalarin’olona tamin’ny antoandro na tamin’ny alina koa aho.
40 Nodanihin’ny andro aho rehefa antoandro, ary matin’ny hatsiaka rehefa alina. Tsy nahita tory mihitsy koa aho.+
41 Efa 20 taona aho izao no nipetraka tao an-tranonao. Dia nanompo anao 14 taona aho mba hahazoako ny zanakao roa vavy, ary 6 taona kosa mba hahazoako anjara tamin’ny ondry aman’osinao. Efa novanao impolo anefa ny karamako.+
42 Raha tsy nanampy ahy ilay Andriamanitry ny raiko,+ ilay Andriamanitr’i Abrahama sy ilay Andriamanitra atahoran’i Isaka,*+ dia ho efa nalefanao nody maina fotsiny aho. Efa hitan’Andriamanitra anefa ny fahoriako sy ny asa mafy nataoko, dia izany no nahatonga azy hampitandrina anao halina.”+
43 Ary hoy i Labana taminy: “Ireo vehivavy ireo dia zanako vavy, ireo ankizy ireo dia zanako, ny ondry aman’osy dia ondry aman’osiko, ary fananako sy fananan’ny zanako vavy izao rehetra hitanao izao. Koa inona moa no ratsy azoko atao amin’ireo, na amin’ny zanany naterany?
44 Andao hanao fifanekena izaho sy ianao, ka izany no ho vavolombelona amintsika.”
45 Dia naka vato i Jakoba ka najorony ho tsangambato+ ilay izy.
46 Hoy koa i Jakoba tamin’ny rahalahiny:* “Makà vato!” Dia naka vato izy ireo ka nataony nifanaingina. Nihinana teo ambonin’ilay vato be dia be mivangongo izy ireo taorian’izay.
47 Ary nantsoin’i Labana hoe Jegara-sahadota* ilay izy, fa i Jakoba kosa niantso azy hoe Galeda.*
48 Dia hoy i Labana: “Ireto vato mivangongo ireto no vavolombelona amiko sy aminao androany.” Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay izy hoe Galeda+
49 sy hoe ny Tilikambo Fiambenana. Fa hoy izy: “Aleo i Jehovah hanara-maso ahy sy ianao rehefa tsy mifankahita isika.
50 Raha mampijaly ny zanako vavy ianao na manambady hafa ankoatra an’ireo, dia tadidio fa na tsy misy mahita aza izany, dia Andriamanitra no ho vavolombelona amiko sy aminao.”
51 Hoy koa izy tamin’i Jakoba: “Ireto vato mivangongo sy tsangambato naorintsika ireto no mariky ny fifanekena nifanaovantsika.
52 Ireto vato mivangongo sy tsangambato ireto no vavolombelona+ fa tsy hihoatra an’ireto vato ireto aho mba hanisy ratsy anao, ary ianao koa tsy hihoatra an’ireto vato mivangongo sy tsangambato ireto mba hanisy ratsy ahy.
53 Enga anie hitsara antsika ny Andriamanitr’i Abrahama+ sy ny Andriamanitr’i Nahora, ilay Andriamanitry ny rain’izy ireo!” Dia nanao fianianana tamin’ny anaran’ilay Andriamanitra atahoran’i* Isaka rainy+ i Jakoba.
54 Taorian’izany, dia nanao sorona teo amin’ilay tendrombohitra i Jakoba, ary nasainy hisakafo ny rahalahiny. Dia nisakafo izy ireo, ary natory teo amin’ilay tendrombohitra.
55 Ary nifoha maraina i Labana ka nanoroka an’ireo zafikeliny*+ sy zanany vavy, dia nitso-drano azy.+ Dia lasa nody i Labana+ avy eo.
Fanamarihana
^ Na: “ny andriamanitry ny fianakaviana; ny sampy.”
^ Izany hoe Eofrata.
^ Na: “havany.”
^ Abt: “zanako lahy.”
^ Na: “satria tonga fotoana.”
^ Abt: “ilay tahotr’i Isaka.”
^ Na: “havany.”
^ Teny aramianina midika hoe “Vato Mivangongo Vavolombelona.”
^ Teny hebreo midika hoe “Vato Mivangongo Vavolombelona.”
^ Abt: “tamin’ilay tahotr’i.”
^ Abt: “zanany lahy.”