Genesisy 44:1-34
44 Taorian’izay, dia nomen’i Josefa baiko ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony hoe: “Fenoy varimbazaha araka izay zakany ny gonin’ireo lehilahy ireo, ary ataovy eo am-bavan’ny gonin’ny tsirairay ny volany.+
2 Ataovy eo am-bavan’ny gonin’ilay zandriny indrindra kosa ny kaopiko volafotsy, miaraka amin’ny vola nividianany sakafo.” Dia nanao araka izay nolazain’i Josefa ilay lehilahy.
3 Rehefa nazava ny andro ny ampitso maraina, dia nasaina nandeha ireo lehilahy ireo, niaraka tamin’ny ampondrany,
4 ka niala tao an-tanàna. Mbola tsy lasa lavitra akory anefa izy ireo, dia hoy i Josefa tamin’ilay lehilahy niandraikitra ny tao an-tranony: “Mandehana enjeho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao ry zareo, dia lazao aminy hoe: ‘Fa maninona ianareo no mamaly ratsy ny soa natao taminareo?
5 Ilay kaopy lasanareo iny ange no fisotroan’ny tompoko e! Dia iny koa no ijereny fambara rehefa mamantatra ny hoavy* izy. Tena ratsy izao nataonareo izao.’”
6 Dia tratrany tokoa izy ireo ka nilazany an’ireo teny ireo.
7 Hoy anefa izy ireo: “Fa maninona ianao, tompoko, no miteny an’izany? Sanatria anay mpanomponao ny hanao hoatr’izany!
8 Ilay vola hitanay teo am-bavan’ny goninay aza nentinay avy tany Kanana dia naverinay taminao.+ Dia izahay ve dia hangalatra volafotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?
9 Aleo ho faty izay mpanomponao hahitana an’ilay izy, fa izahay kosa ho mpanompon’ny tompoko.”
10 Dia hoy ilay lehilahy: “Andao àry harahina ny teninareo, ka izay hahitana an’ilay izy no ho mpanompoko, fa ny sisa kosa tsy hanan-tsiny.”
11 Dia samy nampidina haingana ny goniny tamin’ny tany izy ireo, ka nanokatra an’izany.
12 Nikaroka tsara ilay lehilahy, dia natombony tamin’ny zokiny indrindra izany ka hatramin’ny zandriny indrindra. Farany, dia hita tao anaty gonin’i Benjamina ilay kaopy.+
13 Dia nandrovitra ny akanjony izy ireo, ary samy namerina ny entany teo ambony ampondrany, dia niverina tany an-tanàna.
14 Rehefa niditra tao an-tranon’i Josefa i Joda+ sy ny rahalahiny, dia io fa mbola tao izy. Dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.+
15 Ary hoy i Josefa: “Fa inona izao nataonareo izao? Tsy fantatrareo angaha fa mahay mamantatra ny hoavy aho?”+
16 Dia hoy i Joda: “Inona moa no holazainay aminao, tompoko? Inona intsony no hoteneninay? Dia ahoana no hanaporofoanay hoe tsy diso izahay? Efa nasehon’Andriamanitra hoe diso izahay mpanomponao.+ Mpanomponao àry izahay, tompoko, dia izahay sy ilay nahitana ny kaopy!”
17 Hoy anefa i Josefa: “Sanatria ahy ny hanao an’izany! Ilay nahitana ny kaopy ihany no ho mpanompoko.+ Fa ny sisa aminareo kosa, miakara soa aman-tsara any amin’ny rainareo.”
18 Ary nanatona azy i Joda ka niteny hoe: “Mitalaho aminao aho, tompoko ô! Mba avelao, tompoko, hiteny kely eto anatrehanao izaho mpanomponao, ary aza tezitra amin’ny mpanomponao. Hoatran’i Farao ihany mantsy ianao.+
19 Nanontanianao, tompoko, izahay mpanomponao hoe: ‘Mbola velona any ve ny rainareo, ary manana rahalahy hafa koa ve ianareo?’
20 Dia izao no nolazainay taminao, tompoko: ‘Mbola any ny rainay, ary efa be taona izy. Manana rahalahy hafa koa izahay. Izy no zandriny indrindra,+ ary zanaky ny rainay tao anatin’ny fahanterany izy. Efa maty kosa ny rahalahiny,+ dia izy irery sisa no tavela amin’ny zanaky ny reniny,+ ary tena tia azy ny rainy.’
21 Dia hoy ianao taminay mpanomponao: ‘Ento atỳ amiko izy mba ho hitako.’+
22 Fa hoy izahay taminao, tompoko: ‘Tsy afaka mandao ny rainy izy, fa raha mandao azy izy, dia ho faty ny rainy.’+
23 Hoy anefa ianao tamin’ny mpanomponao: ‘Raha tsy miara-midina aminareo ilay zandrinareo faralahy, dia tsy mahazo mankatỳ amiko intsony ianareo.’+
24 “Niakatra nankany amin’ny rainay mpanomponao àry izahay, dia nolazainay taminy ny teninao, tompoko.
25 Tatỳ aoriana, dia hoy ny rainay: ‘Mandehana ianareo miverina mividy sakafo kely ho antsika.’+
26 Fa hoy izahay: ‘Tsy afaka mankany izahay. Raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy, vao hidina izahay. Fa tsy mahazo mankany amin’ilay lehilahy intsony izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.’+
27 Dia hoy ny rainay mpanomponao taminay: ‘Fantatrareo tsara fa roa lahy fotsiny no nateraky ny vadiko tamiko.+
28 Tafasaraka tamiko anefa ny iray, dia hoy aho: “Tena noviravirain’ny bibidia tokoa izy!”+ Ary tsy hitako izy hatramin’izao.
29 Raha esorinareo amiko koa ity iray ity ka tratran’ny loza any dia maty, dia hidina amin’alahelo any amin’ny Fasana*+ aho noho ny ataonareo, amin’izao izaho efa fotsy volo izao.’+
30 “Koa raha miverina any amin’ny rainay mpanomponao aho ka tsy miaraka aminay io zandrinay io, nefa ny rainay tena miraiki-po be aminy,*
31 dia ho faty ny rainay raha vao hitany fa tsy eo io zandrinay io. Dia hidina amin’alahelo any amin’ny Fasana* ny rainay mpanomponao noho ny ataonay mpanomponao, amin’izao izy efa fotsy volo izao.
32 Fa izaho mpanomponao no niantoka an’io zandrinay io tamin’ny rainay, hoe: ‘Raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy, dia ho fahotako aminao mandrakizay izany.’+
33 Koa avelao re ny mpanomponao no hijanona ho solon’ny zandrinay mba hanompo ny tompoko e! Dia amin’izay izy ho afaka hiverina miaraka amin’ny rahalahiny.
34 Fa tsy ho vitako ny hiverina any amin’ny rainay raha tsy miaraka amiko izy. Tsy te hahita ny fahorian’ny rainay aho!”
Fanamarihana
^ Na: “mamantatra ny hevitry ny fambara.”
^ Na: “nefa ny ain’ny rainay mifamatotra amin’ny ainy.”