Genesisy 50:1-26
50 Dia nihohoka teo amin’ny rainy i Josefa,+ ka nitomany teo aminy sady nanoroka azy.
2 Avy eo dia notenenin’i Josefa ireo mpitsabo anisan’ny mpanompony mba hanosotra zava-manitra*+ amin’ny rainy. Nohosoran’izy ireo zava-manitra àry i Israely,
3 ka 40 andro katroka no nanaovany an’izany. Izany mantsy no faharetan’ny fotoana fanosorana zava-manitra amin’ny faty. Ary nitomany azy 70 andro ny Ejipsianina.
4 Rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, dia hoy i Josefa tamin’ny tandapan’i* Farao: “Raha mahazo sitraka aminareo aho, dia izao lazaina amin’i Farao:
5 ‘Niteny tamiko ny raiko+ hoe: “Efa ho faty aho,+ ka mianiàna amiko fa halevinao ao amin’ny toeram-pandevenana+ efa nolavahako any Kanana+ aho.” Mba avelao re aho hiakatra handevina ny raiko e! Dia avy eo aho hiverina ihany.’”
6 Ary hoy i Farao: “Mandehana aleveno ny rainao, araka ny fianianana nasainy nataonao.”+
7 Dia lasa niakatra handevina ny rainy i Josefa. Niaraka taminy koa ny mpanompon’i Farao rehetra, izany hoe ny anti-panahy*+ tao an-dapa sy ny anti-panahy rehetra tany Ejipta,
8 ary ny ankohonan’i Josefa manontolo sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy.+ Ny zanak’izy ireo madinika sy ny ondriny ary ny ombiny ihany no navelany tao Gosena.
9 Nisy olona nitaingina kalesy+ sy soavaly koa niaraka taminy, ka be dia be mihitsy ny olona nandeha.
10 Dia tonga teo amin’ny famoloana tao Atada ao amin’ny faritr’i Jordana izy ireo, ka nisaona tamin’alahelo be sady nitomany mafy be teo. Ary naharitra fito andro ny fisaonana ny rain’i Josefa.
11 Hitan’ny Kananita tompon-tany ny fisaonana natao teo amin’ilay famoloana tao Atada, ka hoy izy ireo: “Tena misaona be mihitsy ny Ejipsianina!” Izany no nanaovana ny anaran’ilay famoloana hoe Abela-mizraima,* izay ao amin’ny faritr’i Jordana.
12 Izay notenenin’i Jakoba mihitsy àry no nataon’ny zanany lahy taminy.+
13 Nentin’ny zanany nankany Kanana ny fatiny, dia naleviny tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita, mba hataony toeram-pandevenana.+
14 Rehefa avy nandevina ny rainy i Josefa, dia niverina nankany Ejipta izy sy ny rahalahiny ary izay rehetra niaraka taminy nandevina ny rainy.
15 Rehefa maty ny rain’izy ireo, dia nifampiresaka ireo rahalahin’i Josefa hoe: “Mety hoe mbola mitana lolompo amintsika izao i Josefa, dia hovaliany amintsika ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”+
16 Dia nampitondra hafatra tany amin’i Josefa izy ireo hoe: “Talohan’ny hahafatesan’ny rainao, dia namela hafatra izy hoe:
17 ‘Izao lazaina amin’i Josefa: “Mitalaho aminao re aho e! Mba avelao ny heloky ny rahalahinao sy ny fahotany, tamin’izy ireo nanisy ratsy anao.”’ Koa mba avelao re ny heloky ny mpanompon’ilay Andriamanitry ny rainao e!” Dia nitomany i Josefa rehefa naheno an’izany.
18 Dia tonga koa ireo rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: “Ireto izahay mpanomponao!”+
19 Fa hoy i Josefa taminy: “Aza matahotra fa izaho angaha Andriamanitra no hitsara anareo?
20 Nieritreritra ny hanisy ratsy ahy ianareo,+ saingy navadik’Andriamanitra ho zavatra tsara ilay izy mba hamonjena ain’olona maro, hoatr’izao ataony izao.+
21 Koa aza matahotra, fa mbola hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika foana aho.”+ Dia nampionona sy nanome toky azy ireo izy.
22 Mbola nipetraka tany Ejipta foana i Josefa sy ny ankohonan-drainy. Ary velona 110 taona i Josefa.
23 Dia hitany hatramin’ny zafikelin’i Efraima,+ sy ny zanak’i Makira,+ zanakalahin’i Manase. Nentin’i Josefa toy ny zanany naterany* izy ireny.
24 Farany, dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: “Efa ho faty aho. Tsy maintsy hitsinjo anareo anefa Andriamanitra,+ ka hitondra anareo hiakatra hiala eto amin’ity tany ity, mba ho any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.”+
25 Hoy koa i Josefa tamin’ny zanak’i Israely: “Tsy maintsy hitsinjo anareo Andriamanitra. Koa mianiàna amiko hoe hoentinareo hiakatra hiala atỳ ny taolambaloko.”+
26 Dia maty i Josefa tamin’izy 110 taona. Ary nohosorana zava-manitra ny fatiny,+ ka napetraka tao anaty vatam-paty tany Ejipta.
Fanamarihana
^ Fomba fitehirizana faty tsy ho lo.
^ Na: “ankohonan’i.”
^ Midika hoe “Fisaonan’ny Ejipsianina.”
^ Abt: “Teraka teo amin’ny lohalik’i Josefa.”