Habakoka 1:1-17

  • Niantso vonjy i Habakoka (1-4)

    • “Jehovah ô, mandra-pahoviana?” (2)

    • “Maninona no jerenao fotsiny ny olona manjakazaka?” (3)

  • Hampiasa ny Kaldeanina i Jehovah (5-11)

  • Nitalaho tamin’i Jehovah i Habakoka (12-17)

    • “Tsy ho faty ianao, Andriamanitro ô” (12)

    • ‘Madio loatra ianao ka tsy tia mijery zava-dratsy’ (13)

1  Izao no nolazaina tamin’i Habakoka* mpaminany, tao amin’ny fahitana:   Jehovah ô, mandra-pahoviana aho no hiantso vonjy nefa tsy henoinao?+ Mandra-pahoviana aho no hangataka aminao hoe vonjeo amin’ny herisetra, nefa ianao tsy manao na inona na inona?*+   Fa maninona aho no avelanao hahita olona manao ratsy? Maninona no jerenao fotsiny ny olona manjakazaka?* Maninona koa aho no mahita olona mandroba sy mahery setra? Ary maninona no mifamaly sy miady ny olona hatraiza hatraiza?   Dia lasa tsy manan-kery ny lalàna,Ary tsy misy manao ny rariny intsony. Fa voahodidin’ny ratsy fanahy ny olo-marina,Ka lasa miova tanteraka ny atao hoe rariny.+   “Jereo ireo firenena, dia mandiniha tsara! Aoka ianareo ho gaga sy talanjona,Satria hisy zavatra hitranga amin’ny andronareo,Dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.+   Fa hampiasa* ny Kaldeanina aho,+Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra. Mitety toerana midadasika eny ambonin’ny tany izy ireo,Mba haka fonenana tsy azy.+   Mampatahotra sy mampihorohoro izy ireo. Izy ireo ihany no mamaritra an’izay eritreretiny hoe rariny, ary tsy raharahiany izay fahefana ankoatra ny azy.*+   Haingam-pandeha noho ny leopara ny soavalin’izy ireo,Ary masiaka noho ny amboadia amin’ny alina ny mpitaingin-tsoavaliny.+ Mihazakazaka ny soavaly fitondrany miady,Ary avy lavitra ny soavaliny. Misidina hoatran’ny voromahery handeha hifaoka ny hazany izy ireo.+   Ny hampiasa herisetra no efa masaka ao an-tsain’izy rehetra.+ Miaraka daholo izy ireo ka mifofofofo hoatran’ny rivotra avy any atsinanana,+Ary manangona babo be dia be hoatran’ny fasika. 10  Esoesoin’izy ireo ny mpanjaka,Ary ihomehezany ny manam-pahefana ambony.+ Ihomehezany koa ny tanàna rehetra voaro mafy.+Manao dongon-tany izy ireo, dia alainy ho babo ny tanàna. 11  Dia mifofofofo be hoatran’ny rivotra izy ireo ka mandeha hatraiza hatraiza.Ho meloka anefa izy ireo,+Satria lazainy fa ny andriamaniny no manome hery azy.”*+ 12  Tsy efa nisy hatramin’izay ve ianao, Jehovah ô?+ Tsy ho faty ianao,* Andriamanitro ô, Ilay Masina ivavahako.+ Ny hampihatra didim-pitsarana no nanendrenao azy ireo, Jehovah ô,Ary ny hanasazy*+ no nifidiananao azy, ry Vatolampy ô!+ 13  Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy,Ary tsy tantinao mihitsy ny mahita zava-dratsy.+ Fa maninona anefa no jerenao fotsiny ny mpivadika,+Ary maninona ianao no mangina fotsiny rehefa manjakazaka amin’ny olona marina kokoa noho izy ny ratsy fanahy?+ 14  Fa maninona ny olombelona no ataonao hoatran’ny trondro any an-dranomasina,Sy hoatran’ny biby mandady tsy manana mpanjaka? 15  Ampiakariny* amin’ny lelam-pintana izy rehetra, Ka samboriny amin’ny harato tarihina,Ary angoniny ao anatin’ny haratony. Dia izany no mahatonga azy ho faly be.+ 16  Izany no mahatonga azy hanao sorona ho an’ny harato tarihina,Sy hanao sorona* ho an’ny haratony.Fa ireo no mahatonga ny anjara haniny ho matsiro,*Sy ny sakafony ho tsara be. 17  Izy ve dia havela hanafoana ny ao anaty harato tarihina* foana, Sady havela handripaka firenena foana ka tsy hiantra mihitsy?+

Fanamarihana

Mety hidika hoe “Famihinana Mafy.”
Na: “tsy mamonjy.”
Na: “mampahory ny hafa.”
Abt: “hanangana.”
Na: “ary ny tenany ihany no omeny voninahitra.”
Na mety hoe “ny andriamaniny no heriny.”
Na: “hananatra.”
Na mety hoe “Tsy ho faty izahay.”
Izany hoe ampiakarin’ny Kaldeanina fahavalo.
Na: “handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.”
Abt: “be menaka.”
Na mety hoe “hanatsoaka ny sabany.”