Hagay 1:1-15

  • Notenenina mafy satria tsy nanorina ny tempoly (1-11)

    • ‘Izao ve no fotoana hipetrahana ao anaty trano tsara tarehy?’ (4)

    • “Mba eritrereto ihany izay ataonareo” (5)

    • Mamafy voa be dia be, nefa kely no jinjaina (6)

  • Nihaino ny tenin’i Jehovah ny olona (12-15)

1  Tamin’ny voalohan’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Mpanjaka, dia nasain’i Jehovah nampita ny teniny i Hagay*+ mpaminany. Nasainy nolazaina tamin’i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela, governoran’i Joda, sy tamin’i Josoa mpisoronabe zanak’i Jozadaka, hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Miteny ity vahoaka ity hoe: “Mbola tsy izao no fotoana hanaovana* ny tranon’i* Jehovah.”’”+  Dia izao indray no nasain’i Jehovah nolazain’i Hagay+ mpaminany:  “Izao ve no fotoana tokony hipetrapetrahanareo ao anaty trano voaravaka hazo tsara tarehy, nefa ity trano ity rava?+  Izao àry no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba eritrereto ihany izay ataonareo.  Mamafy voa be dia be ianareo, nefa kely no jinjainareo.+ Mihinana ianareo nefa tsy voky. Misotro divay ianareo nefa tsy afa-po. Manao akanjo ianareo nefa tsy mba misy mafana. Ary izay mikarama dia mametraka ny karamany ao anaty kitapo loaka.’”  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba eritrereto ihany izay ataonareo.’  “‘Miakara any an-tendrombohitra’, hoy i Jehovah, ‘dia makà hazo any.+ Dia ataovy ity trano ity,+ mba hampifaliana ahy sy hanomezam-boninahitra ahy.’”+  “‘Nanantena hahazo be dia be ianareo, nefa kely fotsiny no azonareo. Nentinareo tao an-trano izany, nefa notsofiko dia nanjavona’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. ‘Fa nahoana? Satria rava ny tranoko, nefa ianareo samy maika hikarakara ny tranonareo avy.+ 10  Tsy nandatsaka ando taminareo àry ny lanitra, ary tsy nanome vokatra ny tany. 11  Ary nataoko maina ny taninareo sy ny tendrombohitra, ka lasa tsy nisy ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka. Lasa tsy nisy koa ny vokatry ny tany. Dia nijaly ianareo sy ny biby fiompy, ary very maina fotsiny ny asa mafy nataonareo.’” 12  Dia nihaino ny tenin’i Jehovah Andriamaniny i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy Josoa mpisoronabe zanak’i Jozadaka,+ ary ny vahoaka sisa rehetra. Nihaino ny tenin’i Hagay mpaminany koa izy ireo satria nirahin’i Jehovah Andriamaniny izy. Dia nanomboka natahotra an’i Jehovah ny vahoaka. 13  Izao no hafatra nasain’i Jehovah nolazain’i Hagay, irak’i Jehovah, tamin’ny vahoaka: “‘Hanampy anareo aho’,+ hoy i Jehovah.” 14  Dia nentanin’i Jehovah+ i Zerobabela zanak’i Sealtiela, governoran’i Joda,+ sy Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra. Natombok’izy ireo àry ny asa tao an-tranon’ny Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+ 15  Izany no nitranga tamin’ny andro faha-24 amin’ny volana fahenina, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy Mpanjaka.+

Fanamarihana

Midika hoe “Teraka Andro Fety.”
Na: “hanorenana indray.”
Na: “tempolin’i.”