Hagay 2:1-23

  • Ho feno voninahitra ilay tempoly faharoa (1-9)

    • Hohozongozonina ny firenena rehetra (7)

    • Hiditra ny zava-tsarobidy eo amin’ny firenena (7)

  • Hahazo fitahiana satria naorina indray ny tempoly (10-19)

    • Tsy mifindra ny fahamasinana (10-14)

  • Hafatra ho an’i Zerobabela (20-23)

    • “Hataoko hoatran’ny peratra fanombohan-kase ianao” (23)

2  Nasain’i Jehovah nampita an’izao teniny izao i Hagay+ mpaminany, tamin’ny andro faha-21 amin’ny volana fahafito:  “Mba anontanio i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela, governoran’i Joda,+ sy Josoa+ mpisoronabe zanak’i Jozadaka,+ ary ny vahoaka sisa rehetra, hoe:  ‘Iza aminareo no nahita an’ity trano* ity tamin’ilay voninahiny taloha?+ Dia ahoana no fahitanareo azy izao? Tsy hitanareo hoe hoatran’ny tsy misy dikany ve raha oharina amin’ilay taloha?’+  “‘Mahereza anefa, ry Zerobabela ô!’, hoy i Jehovah, ‘ary mahereza, ry Josoa mpisoronabe zanak’i Jozadaka!’ “‘Mahereza daholo koa ianareo mponin’ity tany ity,+ ka miasà’, hoy i Jehovah. “‘Fa manampy anareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  ‘Tadidio izay nampanantenaiko anareo tamin’ianareo nivoaka avy tany Ejipta.+ Mbola eo aminareo foana koa ny fanahiko.*+ Aza matahotra.’”+  “Fa izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hohozongozoniko indray ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny tany maina, ary kely sisa dia hataoko izany.’+  “‘Ary hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin’ity trano ity ny zava-tsarobidy* eo amin’ny firenena rehetra.+ Dia hofenoiko voninahitra ity trano ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “‘Ahy ny volafotsy, ary ahy ny volamena’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  “‘Ho be voninahitra kokoa noho ilay trano taloha ity trano ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. “‘Ary homeko fiadanana ianareo eto amin’ity toerana ity’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.” 10  Izao no tenin’i Jehovah tamin’i Hagay+ mpaminany, tamin’ny andro faha-24 amin’ny volana fahasivy, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy: 11  “Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mba anontanio any amin’ny mpisorona izay lazain’ny lalàna momba an’izao:+ 12  “Raha mitondra hena masina ao anatin’ny akanjony ny olona anankiray, ka misy mofo na zavatra nandrahoina na divay na menaka na karazan-tsakafo hafa voakasik’ilay akanjony, dia ho lasa masina koa ve izany sakafo izany?”’” Dia hoy ny mpisorona: “Tsia!” 13  Nanontany indray i Hagay hoe: “Raha misy olona maloto satria nikasika faty, nefa avy eo nikasika ny iray tamin’ireo zavatra ireo, dia haloto ve ilay izy?”+ Dia hoy ny mpisorona: “Haloto!” 14  Ary hoy i Hagay: “Hoatr’izany ity vahoaka ity, ary hoatr’izany ity firenena ity eo anatrehako’, hoy i Jehovah. ‘Toy izany koa izay rehetra ataony. Maloto daholo izay zavatra ataony sorona.’ 15  “‘Mba eritrereto ihany anefa izao manomboka androany: Tamin’ny mbola tsy nisy vato narafitra hanorenana ny tempolin’i Jehovah,+ 16  dia inona no nitranga? Rehefa nisy nankeo amin’ny antontam-bary ka nanantena hahazo indroapolon’ny famarana, dia folo fotsiny no teo. Rehefa nisy indray nankeo amin’ny fanantazana divay mba hanovo divay indimampolon’ny famarana, dia 20 fotsiny no tao.+ 17  Dia nalefako hamely anareo, izany hoe hamely ny zavatra rehetra nisasaranareo, ny rivotra mahamay sy ny aretin-javamaniry+ ary ny havandra. Tsy mba nisy niverina tamiko anefa ianareo’, hoy i Jehovah. 18  “‘Androany faha-24 amin’ny volana fahasivy no andro ametrahana ny fototry ny tempolin’i Jehovah.+ Manomboka androany àry, dia mba eritrereto tsara izao: 19  Efa misy voa ve ao amin’ny trano fitehirizam-bokatra?*+ Ary mbola tsy mamoa ihany ve ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra ary ny oliva? Hitahy anareo anefa aho manomboka androany.’”+ 20  Dia niteny fanindroany tamin’i Hagay i Jehovah tamin’ny andro faha-24 amin’ny volana,+ hoe: 21  “Lazao amin’i Zerobabela governoran’i Joda hoe: ‘Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.+ 22  Dia haongako ny seza fiandrianan’ireo fanjakana, ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ireo firenena.+ Haongako koa ny kalesy sy ny mpitaingina azy. Izy samy izy ihany no hifamono amin’ny sabatra,+ ka ho fatin’ny sabatra ny soavaly sy ny mpitaingina azy.’” 23  “Hoy i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hampiasa anao aho amin’izany andro izany, ry Zerobabela+ mpanompoko zanak’i Sealtiela’,+ hoy i Jehovah, ‘ka hataoko hoatran’ny peratra fanombohan-kase ianao, satria ianao no nofidiko’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”

Fanamarihana

Na: “tempoly.”
Na mety hoe “Tamin’izay dia nitoetra teo aminareo ny fanahiko.”
Na: “zavatra tena irin’ny olona.”
Na: “lavaka fitehirizam-bokatra.”