Hebreo 6:1-20
6 Efa nilaozantsika ny fampianarana fototra+ momba an’i Kristy. Noho izany, dia andao isika hiezaka handroso haingana mba ho matotra,+ fa tsy hiverina amin’ny fampianarana fototra* indray, toy ny fibebahana amin’ny asa maty,* ny finoana an’Andriamanitra,
2 ny fampianarana momba ny batisa samihafa sy ny fametrahan-tanana,+ ny fitsanganana amin’ny maty,+ ary ny fitsarana mandrakizay.
3 Ary hanao an’izany isika, raha avelan’Andriamanitra.
4 Fa izay olona efa nahazo hazavana indray mandeha,+ sady efa nahazo ny fanomezana maimaim-poana avy any an-danitra sy ny fanahy masina,
5 ary efa nandray ny teny tsara avy amin’Andriamanitra sy nahazo ny fitahiana hoentin’ilay* tontolo* ho avy,
6 kanefa nihemotra,+ dia tsy azo ampiana intsony mba hibebaka. Fantsihan’izy ireny eo amin’ny tsato-kazo indray mantsy ny Zanak’Andriamanitra, sady alany baraka+ eo imason’ny olona.
7 Rehefa avy matetika ny orana, dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra ny tany, satria rehefa lena ny tany dia mamokatra zavamaniry ilain’ny mpamboly.
8 Raha mamokatra tsilo sy ahidratsy kosa ny tany, dia tsy misy ilana azy intsony. Tsy ho ela ilay izy dia hozonina, ka hodorana amin’ny farany.
9 Marina fa miteny hoatr’izany izahay, ry malala, nefa raha ny aminareo indray, dia matoky izahay fa manana tombony noho izy ireny ianareo, ka manao zavatra hahazoanareo famonjena.
10 Tsy mba manao ny tsy rariny mantsy Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany,+ tamin’ianareo nikarakara ny olona masina sady mbola mikarakara azy ireo hatramin’izao.
11 Ary irinay ianareo tsirairay mba hazoto hoatr’izany foana. Amin’izay ianareo dia hatoky hatramin’ny farany+ hoe ho tanteraka ilay zavatra antenainareo.+
12 Amin’izay koa ianareo tsy ho kamo,+ fa hanahaka an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo mino sy manam-paharetana.
13 Fa nianiana tamin’ny tenany Andriamanitra tamin’izy nilaza ny fampanantenany tamin’i Abrahama. Tsy misy lehibe noho ny tenany azony nianianana mantsy,+
14 ka hoy izy: “Tena hotahiko ianao ka tena hataoko lasa be dia be.”+
15 Nahazo an’izany fampanantenana izany àry i Abrahama, rehefa avy nampiseho faharetana.
16 Fa mianiana amin’izay lehibe noho izy ny olona. Dia mifarana daholo ny adihevitra rehefa avy mianiana izy ireo, satria ilay fianianana no antoka ara-dalàna manamarina ny tenin’izy ireo.+
17 Nanao hoatr’izany koa Andriamanitra rehefa nanapa-kevitra fa hampiseho mazava kokoa amin’ireo mpandova an’ilay fampanantenana+ fa tsy miova ny fikasany.* Nanome antoka ny amin’izany* àry izy ka nianiana.
18 Tsy miova mihitsy ireo zavatra roa ireo* sady tsy hain’Andriamanitra andaingana,+ ka vao mainka izany mampirisika antsika hifikitra amin’ilay fanantenana natao teo anoloantsika, dia isika izay mialoka aminy.
19 Izany fanantenana+ ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika. Sady azo antoka izy io no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao.+
20 Ary mba hahasoa antsika dia niditra tao koa i Jesosy,+ mpialoha lalana antsika, izay lasa mpisoronabe mandrakizay hoatran’i Melkizedeka.+
Fanamarihana
^ Abt: “tsy hametraka fototra.”
^ Abt: “asa tsy misy dikany.”
^ Abt: “ny herin’ilay.”
^ Na: “vanim-potoana.” Jereo F.T. “Izao tontolo izao.”
^ Na: “ny heviny.”
^ Na: “Nanamafy an’izany.” Abt: “Nanelanelana an’izany.”
^ Izany hoe ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fianianana nataony.