Hebreo 7:1-28

  • Miavaka i Melkizedeka, satria mpanjaka sady mpisorona (1-10)

  • Mpisoronabe ambony lavitra i Kristy (11-28)

    • Afaka mamonjy tanteraka i Kristy (25)

7  Mpanjakan’i Salema sy mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra io Melkizedeka io, ary nitsena an’i Abrahama tamin’izy niverina avy nandresy mpanjaka maro, ka nitso-drano azy.+  Ary nomen’i* Abrahama ny ampahafolon’ny zava-drehetra azony izy. Voalohany, midika hoe “Mpanjakan’ny Fahamarinana” ny anarany, dia izy koa mpanjakan’i Salema, izany hoe “Mpanjakan’ny Fiadanana.”  Tsy nanana ray sy reny izy, sady tsy nanana tetirazana.* Tsy nisy fiandohana ny androm-piainany sady tsy nisy fiafarana. Natao hoatran’ny Zanak’Andriamanitra kosa izy, ka ho mpisorona mandrakizay.+  Tena nanan-kaja io lehilahy io matoa i Abrahama, loham-pianakaviana, nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra tsara indrindra azony babo.+  Marina fa raha ny Lalàna no jerena, dia izay anisan’ny taranak’i Levy+ voatendry ho mpisorona no asaina manangona ny ampahafolon-karena avy amin’ny olona,+ izany hoe avy amin’ireo rahalahiny, na dia taranak’i* Abrahama koa aza izy ireny.  Fa io lehilahy io kosa, izay tsy mba taranak’i Levy, dia nahazo ampahafolon-karena avy tamin’i Abrahama, ka nitso-drano an’ilay nanaovana fampanantenana.+  Tsy azo lavina fa ilay mitso-drano no lehibe kokoa noho ilay mahazo tsodrano.  Amin’ilay iray, dia olombelona mety maty no mahazo ampahafolon-karena. Fa amin’ilay iray kosa, dia ilay voaporofo hoe velona+ no mahazo an’ilay izy.  Azo lazaina àry hoe na i Levy aza nandoa ny ampahafolon-karena tamin’ny alalan’i Abrahama, nefa i Levy no mandray ny ampahafolon-karena. 10  Mbola tsy teraka* mantsy io taranak’i Abrahama io, tamin’i Melkizedeka nitsena an’ilay razambeny.+ 11  Raha nahatonga ny olona ho lavorary àry ny fisoronan’ny Levita+—satria anisan’ilay Lalàna nomena ny vahoaka izy io—dia inona indray no ilana hanendrena mpisorona hafa lazaina hoe hoatran’i Melkizedeka,+ fa tsy hoatran’i Arona? 12  Satria ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny Lalàna.+ 13  Fa avy amin’ny foko hafa ilay lehilahy resahina amin’izany, ary tsy nisy nanompo teo amin’ny alitara+ ny olona avy tamin’io foko io. 14  Mazava fa avy tamin’ny fokon’i Joda+ ny Tompontsika, nefa tsy nilaza mihitsy i Mosesy hoe nisy mpisorona avy tamin’io foko io. 15  Ary vao mainka mazava amintsika izany rehefa misy mpisorona iray hafa voatendry, dia mpisorona+ hoatran’i Melkizedeka.+ 16  Tsy noho ny foko niaviany* araka izay takin’ny Lalàna anefa no mahatonga azy ho mpisorona, fa noho ilay hery manome azy fiainana tsy mety levona.+ 17  Izao mantsy no voalaza, ho vavolombelona manamarina azy: “Mpisorona mandrakizay ianao, hoatran’i Melkizedeka.”+ 18  Nofoanana àry ilay didy teo aloha satria voafetra ihany ny zavatra vitany,* ary tsy mandaitra+ ilay izy. 19  Tsy nahatonga na inona na inona ho lavorary mantsy ny Lalàna.+ Ilay fanantenana tsara kokoa+ omen’Andriamanitra kosa no nahavita an’izany sy nahatonga antsika ho afaka hanatona azy.+ 20  Ary tsy ho notendrena izany mpisorona izany raha tsy nisy fianianana natao, 21  —tena nisy anefa olona lasa mpisorona na dia tsy nisy fianianana natao aza, fa ity iray ity kosa lasa mpisorona noho ny fianianan’Ilay nilaza taminy hoe: “Nianiana i Jehovah* ary tsy hiova hevitra.* Hoy Izy: ‘Mpisorona mandrakizay ianao’”+ 22  dia izany no nahatonga an’i Jesosy ho antoka ny amin’ny fifanekena tsara kokoa.+ 23  Be dia be koa ny mpisorona tsy maintsy nifandimby,+ satria izay maty dia tsy afaka ny ho mpisorona intsony. 24  Izy kosa mpisorona velona mandrakizay,+ ka tsy misy mpandimby. 25  Afaka mamonjy tanteraka an’izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany koa àry izy, satria velona foana mba hiangavy ho an’ireo.+ 26  Fa mety amintsika ny mpisoronabe hoatr’izany, dia mpisoronabe tsy mivadika, tsy manan-tsiny, tsy misy loto,+ tafasaraka amin’ny mpanota, ary natao ambony noho ny lanitra.+ 27  Tsy mila manao sorona isan’andro hoatran’ny nataon’ireny mpisoronabe ireny izy, ka hoe mila manao sorona+ noho ny otan’ny tenany aloha, dia avy eo noho ny otan’ny vahoaka.+ Nanao an’izany indray mandeha fotsiny mantsy izy rehefa nanolotra ny tenany.+ 28  Lehilahy manana fahalemena+ no tendren’ny Lalàna ho mpisoronabe, fa Zanaka natao lavorary+ mandrakizay kosa no tendren’ilay fianianana+ natao taorian’ny Lalàna.

Fanamarihana

Abt: “nizaran’i.”
Na: “tetiarana.”
Abt: “avy amin’ny andilan’i.”
Abt: “Mbola tao amin’ny andilana.”
Na: “taranaka nipoirany.”
Abt: “satria malemy.”
Jereo F.F. A5.
Na: “tsy hanenina.”