Hosea 11:1-12

  • Tian’i Jehovah hatramin’ny mbola kely ny Israely (1-12)

    • “Nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako” (1)

11  “Tiako ny Israely tamin’izy mbola kely,+Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.+   Arakaraka ny niantsoan’ireny* azy ireoNo vao mainka nampitsoaka azy.+ Nanao sorona ho an’ny sarin’i Bala+ foana izy ireo,Ary nanao sorona ho an’ny sary sokitra.+   Izaho anefa no nampianatra an’i Efraima handeha,+ sy nitrotro azy.+Tsy nekeny anefa hoe izaho no nanasitrana azy.   Tady fitarihana olona* no nitarihako azy ireo, dia tadim-pitiavana.+Dia nesoriko teo amin’ny vozon’izy ireo ny ziogany,*Ary nanome sakafo azy tsirairay aho sady tsara fanahy taminy.   Tsy hiverina any Ejipta izy ireo, fa i Asyria no ho mpanjakany,+Satria tsy nety niverina tamiko izy.+   Ary hisy sabatra hihodinkodina ka hamely an’ireo tanànany,+Dia hanapatapaka ny bara hidim-bavahadiny sy handripaka azy ireo, satria izy ireo nitetika ny hanao ratsy.+   Aleon’ny vahoakako mivadika amiko.+ Na dia nantsoina hiverina ho any amin’ilay avo* aza izy ireo, dia tsy misy mitsangana na iray aza.   “Hataoko ahoana anefa ny hahafoy anao, ry Efraima ô?+ Ary hataoko ahoana no hanolotra anao amin’ny fahavalonao, ry Israely ô? Hataoko ahoana no handrava anao hoatran’i Adma? Ary hataoko ahoana no handrava anao hoatran’i Zeboima?+ Fa efa niova hevitra aho,Sady tena te hangoraka anao.*+   Tsy hanampatra ny hatezerako aho. Tsy handringana an’i Efraima intsony koa aho.+Andriamanitra mantsy aho fa tsy olona,Ary izaho Ilay Masina eo aminareo.Tsy hamely anareo amin-katezerana aho. 10  Hanaraka an’i Jehovah izy ireo, ary hierona hoatran’ny liona Andriamanitra.+Rehefa mierona izy, dia hangovitra ny zanany ka hanatona azy avy any andrefana.+ 11  Hangovitra hoatran’ny vorona izy ireo rehefa mivoaka avy any Ejipta,Dia hangovitra hoatran’ny voromailala rehefa mivoaka avy any Asyria.+Ary hapetrako ao an-tranony izy ireo”, hoy i Jehovah.+ 12  “Nataon’i Efraima voahodidina lainga aho,Ary nataon’ny taranak’Israely voahodidina fitaka.+ Ny Joda anefa mbola miara-mandeha* amin’Andriamanitra,Ary tsy mivadika amin’Ilay Masina Indrindra.”+

Fanamarihana

Izany hoe ny mpaminany sy ny olon-kafa nirahina hampianatra ny Israely.
Na: “Tadin’ny hatsaram-panahy.” Mety ho nampiasa tady ny ray aman-dreny taloha mba hampianarana ny zanany handeha.
Abt: “Hoatran’ny olona nanala ny zioga teo amin’ny valanoranony aho.”
Izany hoe hiverina hanaraka ny fivavahana marina.
Abt: “mahamay ny fangorahako.”
Na: “miara-mandehandeha.”