Hosea 12:1-14

  • Tokony hiverina amin’i Jehovah i Efraima (1-14)

    • Nitolona tamin’Andriamanitra i Jakoba (3)

    • Nitomany sy nitalaho i Jakoba (4)

12  “Mihinana rivotra i Efraima, Ary manenjika rivotra avy any atsinanana izy mandritra ny andro. Vao mainka mandainga sy mahery setra izy. Fa manao fifanekena amin’i Asyria+ izy, ary mitondra menaka mankany Ejipta.+   Miady amin’ny Joda any amin’ny fitsarana i Jehovah.+Hataony ampamoaka i Jakoba noho ny ratsy nataony,Ary hovaliany araka izay nataony.+   Notazoniny ny voditongotry ny rahalahiny, tamin’izy tao an-kibo.+Nitolona tamin’Andriamanitra araka izay fara heriny koa izy.+   Nitolona tamin’ny anjely izy, ary nandresy. Nitomany izy sady nitalaho mafy taminy.”+ Nahita azy tao Betela Andriamanitra, ary tao Izy no niresaka tamintsika.+   Izy no Jehovah Andriamanitry ny tafika,+Ary Jehovah no anarana ahatsiarovana azy.+   “Miverena àry amin’ny Andriamanitrao.+Miezaha foana ho be fitiavana sy tsy hivadika ary hanao ny rariny,+Sady hanantena an’ilay Andriamanitrao.   Eny an-tanan’ny mpivarotra* anefa ny mizana mandainga,Ary tia manambaka izy.+   Hoy foana i Efraima: ‘Lasa mpanankarena aho,+Ary efa nahazo harem-be.+ Ho hitan’izy ireo fa tsy mba manao ratsy na manota aho, amin’ny asa mafy rehetra ataoko.’   Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao, nanomboka tamin’ianao tany Ejipta.+ Hataoko mipetraka ao anaty tranolay indray ianao,Hoatran’ny amin’ny andro voatondro.* 10  Niteny tamin’ny mpaminany aho.+Nataoko nahita fahitana be dia be izy ireo,Ary nasaiko nilaza fanoharana. 11  Namitaka*+ sy nanao ny tsy marina ny olona tao Gileada. Namono omby hatao sorona izy ireo tao Gilgala,+Ary hoatran’ny vato mifanaingina eny an-tanimboly ny alitarany.+ 12  Nandositra nankany amin’ny faritr’i* Arama*+ i Jakoba.Nanompo tany i Israely+ mba hahazoana vady.+Te hahazo vady izy ka niandry ondry.+ 13  Mpaminany no nasain’i Jehovah nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta,+Ary mpaminany koa no nasainy niambina azy.+ 14  Nampahatezitra an’Andriamanitra sy nanao izay hampalahelo azy i Efraima.+Nandatsaka ran’olona izy ka tsy havela ny helony.*Dia hovalian’ilay Tompony izy satria nanala baraka azy.”+

Fanamarihana

Na: “mpivaro-mandeha.”
Na mety hoe “fety.”
Na: “Nampiasa herin’ny maizina; Nanao zavatra hafahafa.”
Na: “Syria.”
Na: “ambanivohitr’i.”
Abt: “Mbola manana trosan-dra izy.”