Hosea 13:1-16

  • Nanadino an’i Jehovah i Efraima mpanompo sampy (1-16)

    • “Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?” (14)

13  “Nangovitra be ny olona rehefa niteny i Efraima.Nalaza teo amin’ny Israely izy.+ Lasa meloka anefa izy ka maty satria nanompo an’i Bala.+   Vao mainka izy ireo izao manota,Ka manao sarivongana amin’ny volafotsiny.*+Tena mahay manamboatra sampy izy ireo. Asan’ny mpanao asa tanana daholo ireny. Hoy izy ireo amin’ireny: ‘Asaivo manoroka an’ireo zanak’omby+ ireo ny olona manao sorona.’   Ho lasa hoatran’ny zavona maraina àry izy ireo,Toy ny ando levona vao maraina,Hoatran’ny akofa eny am-pamoloana tsofin’ny rivotra mifofofofo,Ary hoatran’ny setroka mivoaka eo amin’ny lavaky ny tafo.   Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao, nanomboka tamin’ianao tany Ejipta.+Tsy nahafantatra Andriamanitra afa-tsy izaho ianao,Ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.+   Izaho no nikarakara anao tany an-tany efitra,+ tany amin’ny tany karakaina.   Voky izy ireo rehefa nentina teny amin’ny tany be vilona.+Voky izy ireo ka lasa niavonavona, Dia hadinony aho.+   Ho toy ny liona tanora ho azy ireo aho,+Ary ho hoatran’ny leopara mamitsaka eny amoron-dalana.   Hanafika azy aho, hoatran’ny ataon’ny orsa very anaka,Ka hataoko rotidrotika ny tratrany.* Handrapaka azy koa aho, hoatran’ny fanaon’ny liona,Ary hoviravirain’ny bibidia izy.   Handringana anao izany, ry Israely ô,Satria ianao nanohitra ahy, nefa izaho nanampy anao. 10  Aiza àry izay mpanjakanao, mba hamonjy anao any amin’ny tanànanao rehetra,+Dia aiza koa izay mpitsaranao?*Fa ianao ihany no niteny hoe: ‘Omeo mpanjaka sy andriana izahay.’+ 11  Tezitra aho nefa nomeko mpanjaka ihany ianao,+Ary ho tezitra be aho ka hesoriko tsy ho mpanjaka izy.+ 12  Efa voafono tsara* ny fahadisoan’i Efraima.Efa tsara tahiry ny fahotana vitany. 13  Hanaintaina hoatran’ny vehivavy mihetsi-jaza izy. Tsy zaza hendry koa izy,Satria tsy mety mivoaka rehefa tonga ny fotoana ahaterahany. 14  Havotako avy any amin’ny* Fasana*Sy ny fahafatesana izy ireo.+ Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry Fahafatesana ô?+ Aiza koa ianao izay mandravarava eo, ry Fasana ô?+ Mbola tsy hangoraka an’i Efraima ihany anefa aho. 15  Na maniry be hoatran’ny bararata aza izy,Dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, izay rivotra avy amin’i Jehovah.Mitsoka avy any amin’ny tany karakaina izany, ka hataony maina ny lavadranony ary hataony ritra ny loharanony. Horobainy daholo ny harenany sarobidy rehetra.+ 16  Ho meloka i Samaria,+ satria nikomy tamin’ny Andriamaniny.+ Ho fatin’ny sabatra izy ireo.+Ny zanany hatao torotoro,Ary ny kibon’ny vehivavy bevohoka ao hotatahana.”

Fanamarihana

Na: “sarivongana vita amin’ny volafotsy narendrika.”
Abt: “ny fefin’ny fony.”
Na: “mpitondranao.”
Na: “Efa nampirimina.”
Abt: “amin’ny herin’ny.”
Jereo F.T.