Hosea 14:1-9

  • Miverena amin’i Jehovah (1-3)

    • Toy ny fanatitra ny fiderana (2)

  • Hositranina ny Israely dia tsy hivadika intsony (4-9)

14  “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, ry Israely ô!+Lavo mantsy ianao noho ny fahadisoana nataonao.   Miverena amin’i Jehovah ka milazà aminy hoe:‘Mba avelao ny fahadisoanay+ ary mba ekeo izay tsara avy aminay,Dia hidera anao izahay ka ho toy ny fanatitra vantotr’ombilahy ny fiderana ataon’ny molotray!*+   Tsy hamonjy anay i Asyria,+ Ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay.+Tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony izahay hoe: “Ianao no Andriamanitray!”Ianao mantsy no mamindra fo amin’ny kamboty ray.’+   Hanasitrana azy ireo aho, dia tsy hivadika amiko intsony izy.+ Sitrapoko ny ho tia azy,+Satria tsy tezitra aminy intsony aho.+   Ho toy ny ando ho an’ny Israely aho,Dia hamelana hoatran’ny lisy izy,Ary hisy fakany lava be hoatran’ny fakan’ny hazon’i Libàna.   Hisandrahaka ireo rantsany,Dia ho tsara tarehy hoatran’ny hazo oliva izy,Ary ho manitra be hoatran’ny hazon’i Libàna.   Hipetraka eo ambany alokaloko indray ny vahoakako. Hamboly varimbazaha izy ireo, ary hitsimoka hoatran’ny voaloboka.+ Dia halaza be* hoatran’ny divain’i Libàna aho.   Hiteny i Efraima hoe: ‘Inona intsony no ilako sampy?’+ Fa hihaino azy aho ary hikarakara azy.+ Ho lasa hoatran’ny hazo zenevrie midoroboka aho, Dia ho eo amiko izy no haka voankazo.”   Iza no hendry? Asaivo miezaka hahazo ny dikan’izany izy! Ary iza no malina? Asaivo miezaka hahalala an’izany izy! Fa mahitsy ny lalan’i Jehovah,+Ka ny olo-marina no handeha eo amin’izy io,Fa ny mpandika lalàna kosa ho lavo eo.

Fanamarihana

Abt: “Dia hanolotra ny vantotr’ombilahin’ny molotray izahay.”
Abt: “hotsaroana.”