Hosea 3:1-5

  • Novidin’i Hosea ilay vadiny nanitsakitsaka azy (1-3)

  • Hiverina amin’i Jehovah ny Israely (4, 5)

3  Hoy koa i Jehovah tamiko: “Mandehana tiavo indray ilay vehivavy miaraka amin’ny lehilahy hafa sy manitsakitsa-bady.+ Tiavo izy, hoatran’ny itiavan’i Jehovah ny vahoakan’Israely,+ na dia manompo andriamani-kafa aza+ izy ireo sady tia manolotra mofo vita amin’ny voaloboka maina ho an’ireny sampy ireny.”  Dia novidiko tamin’ny volafotsy 15 sekely sy vary orza eran’ny homera* sy tapany i Gomera.  Dia hoy aho taminy: “Aza mijangajanga* na manao firaisana amin’ny lehilahy hafa, fa mijanòna eto amiko mandritra ny andro maro. Izaho koa tsy hanao firaisana aminao.”  Tsy hisy mpanjaka+ na andriana mantsy eo amin’ny vahoakan’Israely mandritra ny fotoana ela be,* sady tsy hisy sorona, na tsangambato masina, na efoda,+ na sarivongana terafima.*+  Aorian’izay, dia hiverina ny vahoakan’Israely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny+ sy Davida mpanjakany.+ Any am-parany any,+ dia hanatona an’i Jehovah izy ireo satria matahotra azy, sady maniry ny hanehoany ny hatsaran-toetrany.

Fanamarihana

1 homera = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “mivaro-tena.”
Abt: “andro maro.”
Na: “andriamanitry ny fianakaviana; sampy.”