Hosea 5:1-15

  • Fanamelohana an’i Efraima sy Joda (1-15)

5  “Henoy izao, ry mpisorona,+Mihainoa tsara, ry taranak’Israely ô,Ary mihainoa ianareo ao amin’ny lapan’ny mpanjaka,Fa hotsaraina ianareo.Fandrika tany Mizpa mantsy ianareo,Ary fandrika harato novelarina tao Tabara.+   Efa nandripaka olona be dia be ireo niala tamiko,*Ka mampitandrina* azy rehetra aho.   Fantatro i Efraima,Ary tsy misy miafina amiko ny momba ny Israely. Fa mijangajanga* foana ianao, ry Efraima ô,Ary efa nandoto ny tenany ny Israely.+   Ny zavatra ataony no misakana azy tsy hiverina amin’ny Andriamaniny.Te hijangajanga* foana mantsy izy ireo,+Ary tsy ekeny fa izaho no Jehovah Andriamaniny.   Voaporofo hoe meloka* ny Israely satria nirehareha.+Ny nataon’ny Israely sy Efraima ihany no nahavoa azy,Ary niaraka voa taminy koa ny Joda.+   Nitady an’i Jehovah izy ireo, niaraka tamin’ny ondriny sy ny ombiny,Fa tsy nahita azy. Efa niala tamin’izy ireo mantsy izy.+   Nivadika tamin’i Jehovah izy ireo,+Satria niteraka zaza hafa firenena.* Ao anatin’ny iray volana ihany dia ho ringana izy ireo sy ny fananany.*   Tsofy ao Gibea ny anjombona,+ ary tsofy ao Rama+ ny trompetra! Tariho ny tafika, ry Benjamina ô! Manaova hiakan’ady ao Beti-avena.+   Ry Efraima ô, hihorohoro ny olona rehefa mahita an’izay hanjo anao, amin’ny andro hanafaizana anao.+ Efa nolazaiko tamin’ny fokon’ny Israely hoe inona no tena hitranga. 10  Ny andriana ao Joda dia manao hoatran’ny olona manakisaka ny marika mamaritra ny tanin’olon-kafa,+ Ka ho tezitra be aminy aho.* 11  Rariny raha ampahorina sy ravaravana i Efraima,Satria izy tapa-kevitra ny hanaraka ny fahavalony.+ 12  Hoatran’ny bibikely* nanimba an’i Efraima àry aho,Ary toy ny zavatra nahatonga ny taranak’i Joda ho lò. 13  Rehefa hitan’i Efraima ny aretiny, ary hitan’i Joda ny feriny,Dia nankany Asyria i Efraima,+ sady naniraka olona ho any amin’ny mpanjaka lehibe. Tsy nahavita nitsabo anareo anefa izy,Sady tsy nahavita nanasitrana ny ferinareo. 14  Ho toy ny liona tanora ho an’i Efraima aho,Ary ho liona matanjaka* ho an’ny taranak’i Joda. Izaho mihitsy no hamiravira azy ireo dia handeha,+Ary hitondra azy aho, ka tsy hisy hamonjy azy.+ 15  Handeha aho ka hiverina any amin’ny toerana nisy ahy, ary tsy hiala any raha tsy efa avy nizaka ny vokatry ny nataony izy ireo.Dia hitady sitraka amiko* izy ireo.+ Ary hitady fanampiana amiko izy rehefa azom-pahoriana mafy.”+

Fanamarihana

Na: “ireo mpikomy.”
Na: “hananatra.”
Na: “mivaro-tena.”
Na: “hivaro-tena.”
Abt: “Miampanga ny tavany.”
Na: “sahany.”
Mety ho zanany tamin’ny vehivavy hafa firenena ka lasa tsy nanompo an’Andriamanitra.
Abt: “Hararako aminy hoatran’ny rano ny fahatezerako.”
Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.
Na: “liona tanora.”
Abt: “hitady ny tavako.”