Hosea 6:1-11

  • Andao hiverina amin’i Jehovah (1-3)

  • Vetivety dia levona ny fitiavan’ilay vahoaka (4-6)

    • Izay be fitiavana sy tsy mivadika no ankasitrahana fa tsy izay manao sorona (6)

  • Mahamenatra ny zavatra ataon’ilay vahoaka (7-11)

6  “Andao hiverina amin’i Jehovah,Fa izy no namiravira antsika,+ nefa izy koa no hanasitrana antsika. Izy no namely antsika, nefa izy koa no hanisy fehy lamba ny ratrantsika.   Hataony velombelona indray isika rehefa afaka roa andro. Hatsangany isika amin’ny andro fahatelo,Ka ho velona eo anatrehany.   Dia hahalala an’i Jehovah isika, sady mbola hiezaka mafy hahalala azy. Tena ho avy atỳ amintsika izy, toy ny masoandro tsy maintsy hiposaka.Ho tonga izy, toy ny orana mivatravatra,Sy hoatran’ny oran-dohataona,* izay mahavonto ny tany.”   “Hataoko ahoana re ianao, ry Efraima e? Ary hataoko ahoana re ianao, ry Joda e? Fa toy ny zavona maraina ny fitiavanareo,*Sady hoatran’ny ando vetivety dia levona.   Noho izany, dia ny tenin’ny mpaminany no hamelezako* anareo,+Ary ny teny holazaiko no hamonoako anareo.+ Hazava amin’ny rehetra toy ny hazavana mamirapiratra ny didim-pitsarana manameloka anareo.+   Izay be fitiavana sy tsy mivadika* mantsy no ankasitrahako, fa tsy izay manao sorona,Ary ny olona mahalala an’Andriamanitra, fa tsy izay manao fanatitra dorana manontolo.+   Nivadika tamin’ny fifanekena+ anefa ny vahoakako, hoatran’ny olombelona ihany. Nivadika tamiko izy ireo tany amin’ny taniny.   Tanànan’ny mpanao ratsy i Gileada,+Ary nandatsaka ran’olona be dia be izy ireo.+   Toy ny andiana mpandroba miafina mba hanafika olona ny mpisorona. Mamono olona eny an-dalana izy ireo ao Sekema.+Tena mahamenatra ny zavatra ataony. 10  Nahita zavatra maharikoriko teo amin’ny taranak’Israely aho: Zatra mijangajanga i Efraima,+Ary efa nandoto ny tenany ny Israely.+ 11  Efa misy fotoam-pijinjana natokana ho anao, ry Joda ô,Rehefa angoniko izay babo tamin’ny vahoakako ka averiko any amin’ny taniny.”+

Fanamarihana

Orana manomboka eo antenatenan’ny Aprily any Israely. Jereo F.F. B15.
Na: “ny fitiavanareo sy ny tsy fivadihanareo.”
Abt: “hanapatapahako.”
Na: “Izay mamindra fo.”