Hosea 7:1-16

  • Ny zava-dratsy ataon’i Efraima (1-16)

    • Tsy hisy ho afaka handositra ny haraton’i Jehovah (12)

7  “Isaky ny te hanasitrana ny Israely aho,Dia vao mainka hitako ny fahadisoan’i Efraima,+Sy ny ratsy ataon’i Samaria.+ Fa zatra mamitaka izy ireo.+Mamaky trano ny mpangalatra, ary manafika eny ivelany ny mpandroba.+   Tsy mba eritreretin’izy ireo mihitsy anefa hoe tsy hohadinoiko ny zava-dratsy rehetra ataony.+ Ny ataony ihany no mamandrika azy,Ary tsy misy miafina amiko ireny.   Mampifaly ny mpanjaka izy ireo rehefa manao zava-dratsy,Ary mampifaly ny andriana izy ireo rehefa mamitaka.   Mpanitsakitsa-bady izy rehetra,Sady toy ny lafaoro efa nampirehetin’ny mpanao mofo.Tsy manampy kitay intsony izy rehefa avy mamolavola koba, fa miandry mandra-pitombon’ilay izy.   Tamin’ny andron’ny mpanjakantsika, dia lasa narary ny andriana.Romotra izy ireo rehefa avy nisotro divay.+ Ninamana tamin’ny mpaneso ny mpanjaka.   Mahamay be hoatran’ny ao anaty lafaoro ny ao am-pony, satria zava-dratsy ihany no tiany hatao.* Matory mandritra ny alina ny mpanao mofo,Ary amin’ny maraina dia mirehitra be ny afon’ilay lafaoro.   Mahamay toy ny lafaoro izy rehetra,Ary ataony indray mitelina ny mpitondra eo aminy.* Nianjera daholo ny mpanjakany,+Nefa tsy misy miantso ahy izy ireo.+   Mifangaroharo amin’ireo firenena i Efraima,+ Ary hoatran’ny mofo boribory tsy navadika ka tsy masaka ny tapany ambony.   Nataon’ny hafa firenena tsy misy hery intsony izy,+ nefa tsy fantany akory izany. Lasa fotsy daholo ny volony, nefa tsy tsikariny akory. 10  Voaporofo hoe meloka ny Israely satria nirehareha.+Tsy niverina tamin’i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo,+Sady tsy nitady azy, na dia efa izany rehetra izany aza no nanjo azy. 11  Hoatran’ny voromailala mora ambakaina sady tsy ampy saina*+ i Efraima. Tany Ejipta mantsy izy no nangataka fanampiana,+ dia avy eo tany Asyria.+ 12  Hovelariko eo amin’izy ireo ny haratoko, na aiza na aiza alehany. Hampidiniko avy any ambony toy ny voro-manidina izy ireo. Hofaiziko koa izy araka ny efa nampitandremana azy.*+ 13  Hahita loza izy fa nandositra ahy! Ary ho ringana izy fa nandika ny lalàko! Vonona ny hanavotra azy aho, nefa nandainga momba ahy izy.+ 14  Mba nangataka fanampiana tamiko izy ireo, nefa tsy avy amin’ny fony akory izany,+Na dia nitaraindraina teo am-pandrianany aza izy. Nodidididiany ny tenany mba hahazoany varimbazaha sy divay vaovao.Lasa manohitra ahy izy ireo. 15  Izaho mba nananatra sy nanatanjaka azy,Nefa izy nitetika ny hanao ratsy foana ka nanohitra ahy. 16  Mba novany ihany ny zavatra fanaony, nefa tsy nihatsara akory.*Tsy nisy nilana azy hoatran’ny tsipìka migoragora izy ireo.+ Ho fatin’ny sabatra ny andriana eo aminy satria tezitra sady manao vava be. Noho izany, dia hesoin’ny olona izy ireo any Ejipta.”+

Fanamarihana

Na mety hoe “satria tonga miaraka amin’ny teti-dratsy izy ireo.”
Abt: “ny mpitsarany.”
Abt: “tsy manana fo.”
Abt: “ny fiangonany.”
Izany hoe mbola tsy nanaraka ny fivavahana marina ihany izy ireo.