Hosea 8:1-14

  • Hizaka ny vokatry ny fanompoan-tsampy (1-14)

    • Mamafy rivotra, hijinja tadio (7)

    • Nanadino ny Mpanao azy ny Israely (14)

8  “Tsofy ny anjombona!+ Fa misy fahavalo hoatran’ny voromahery tonga hamely ny tranon’i Jehovah,+Satria nivadika tamin’ny fifanekena nataoko+ taminy izy ireo, sady nandika ny lalàko.+   Miantso ahy izy ireo ka miteny hoe: ‘Ry Andriamanitray ô, mahafantatra anao izahay Israely.’+   Tsy nanao ny tsara intsony anefa ny Israely.+ Dia avelao izy henjehin’ny fahavalo!   Efa nanendry mpanjaka izy ireo, nefa tsy niteny tamiko akory. Efa nanendry andriana izy, nefa tsy niera tamiko. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovany sampy,+Ka ho ringana izy ireo.+   Nariako ilay zanak’ombinao, ry Samaria ô!+ Tezitra be aminao aho.+ Rahoviana ihany ianao vao tsy hanan-tsiny intsony?*   Fa avy tamin’ny Israely ilay zanak’ombin’i Samaria. Mpanao asa tanana no nanao azy, ka tsy Andriamanitra izy io,Dia hopotipotehina.   Fa rivotra no afafiny,Ka tadio no hojinjainy.+ Tsy mamoa ny varimbazaha na dia maniry aza.+Ary na mamoa aza dia tsy ahazoana lafarinina, Ary na ahazoana lafarinina aza, dia ny hafa firenena* no hihinana azy.+   Hatelin’ny fahavalo ny Israely.+ Ho lasa any amin’ireo firenena izy,+Toy ny vilany tsy misy ilana azy.   Niakatra tany Asyria izy,+ hoatran’ny ampondradia mandeha any amin’izay tiany fotsiny. Nanakarama mpivaro-tena i Efraima, dia ireny no niarahany.+ 10  Na dia manakarama an’ireny avy any amin’ireo firenena aza izy ireo,Dia hanangona azy ireo aho.Hijaly izy ireo+ satria hampitondra enta-mavesatra azy ny mpanjaka sy ny andriana. 11  Vao mainka nanao alitara be dia be i Efraima ka nanota.+ Nihamaro ny alitarany ka vao mainka izy ireo nanota.+ 12  Nanoratra lalàna* be dia be aho,Nefa tsy noraharahiany ireny.+ 13  Manolotra fanatitra atao fanomezana ho ahy izy ireo, dia mihinana ny henan’ilay fanatitra.Tsy tian’i Jehovah anefa ireny fanatitra ireny.+ Hahatsiaro ny fahadisoan’izy ireo izy, ka hanasazy azy noho izy nanota.+ Niverina tany* Ejipta izy ireo.+ 14  Nanadino ny Mpanao azy+ ny Israely, ka nanorina tempoly be dia be,+Ary ny Joda vao mainka nanao tanàna be dia be, sady nasiany manda ireny.+ Handefasako afo anefa ireny tanàna ireny,Ka ho levon’ny afo ny tilikambon’ny tanàna tsirairay.”+

Fanamarihana

Na: “vao hadio indray?”
Na: “ny vahiny.”
Na: “toromarika.”
Na mety hoe “Hiverina any.”