Hosea 9:1-17

  • Tsy ho tian’Andriamanitra intsony i Efraima satria nanota (1-17)

    • Nanokan-tena ho an’ilay andriamanitra mahamenatra (10)

9  “Aza mifaly, ry Israely ô!+Aza mifalifaly hoatran’ireo firenena! Fa nijangajanga* ianao ka niala tamin’ny Andriamanitrao.+ Mivaro-tena eny amin’ny famoloana rehetra eny ianao, ary tianao ny karama azonao amin’izany.+   Tsy hahavita hamelona anao anefa ny famoloana sy ny lavaka famiazam-boaloboka,Ary tsy hanana divay vaovao intsony ianao.+   Tsy hipetraka eo amin’ny tanin’i Jehovah intsony ny Israely.+Fa hiverina any Ejipta kosa i Efraima,Ary hihinana zavatra maloto+ any Asyria izy ireo.   Tsy handraraka divay hatao fanatitra ho an’i Jehovah intsony izy ireo.+Tsy hankasitrahany koa ny sorona ataon’izy ireo.+ Toy ny mofo hohanina rehefa misaona ireny,Ka handoto ny tenany izay rehetra mihinana azy. Izy ireo ihany no hihinana ny mofony,Fa tsy hoentina ao an-tranon’i Jehovah izany.   Inona no hataonareo rehefa tonga ilay andro fivorianareo,*Ilay andro fankalazanareo fety ho an’i Jehovah?   Tsy maintsy handositra izy ireo satria haringana.+ Dia hanangona azy ireo i Ejipta,+ fa i Memfisa kosa handevina azy.+ Ho rakotry ny tsilo ny zava-tsarobidiny vita amin’ny volafotsy,Ary hisy kirihitra feno tsilo ao amin’ny tranolainy.   Ho avy ny andro hanasaziana.+Ho avy koa ny andro hamaliana,Ary ho fantatry ny Israely izany. Ho lasa adala ny mpaminaniny, ary ho very saina koa ny olona mihambo ho mitondra ny tenin’Andriamanitra.Betsaka mantsy ny fahadisoanao, ka ho betsaka koa no hankahala anao.”   Nanaraka ny tenin’ilay Andriamanitro+ ny mpiambin’i+ Efraima. Toy ny fandrika ataon’ny mpamandri-borona anefa izao ny zava-drehetra ataon’ny mpaminaniny.+Misy mpankahala ao an-tranon’Andriamanitra.   Efa tafahoatra loatra ny ratsy nataon’ny Israely, hoatran’ny tamin’ny andron’i Gibea.+ Hotsaroan’Andriamanitra ny fahadisoany, ka hosaziny izy ireo satria nanota.+ 10  “Tamin’izaho nahita ny Israely, dia toy ny nahita voaloboka tany an-tany efitra,+ Ary tamin’izaho nahita ny razambenareo, dia hoatran’ny nahita aviavy masaka voalohany, teo amin’ny aviavy vokatra aloha be. Nanaraka an’i Balan’i Peora anefa izy ireo,+Sady nanokan-tena ho an’ilay zavatra mahamenatra,*+Ka lasa naharikoriko hoatran’ilay zavatra tiany. 11  Lasa manidina hoatran’ny vorona ny voninahitr’i Efraima,Ka tsy hisy vehivavy hiteraka na ho bevohoka na hitoe-jaza ao.+ 12  Na mitaiza aza izy ireo,Dia haripako daholo ny zanany ka tsy hisy hiangana na iray aza.+Hahita loza koa izy ireo rehefa ialako!+ 13  Nambolena teo amin’ny toerana be vilona i Efraima, ka hoatran’i Tyro+ izy amiko.Izao anefa izy tsy maintsy mitondra ny zanany hovonoin’ny fahavalo.” 14  Omeo ny sahaza azy izy, Jehovah ô!Ataovy mora afa-jaza izy ireo, ary avelao ho ritra* ny nonony. 15  “Tao Gilgala+ izy ireo no nanao ny zava-dratsy rehetra, ka lasa halako izy ireo tao. Horoahiko hiala ao an-tranoko izy ireo satria nanao ratsy.+ Tsy ho tiako intsony izy ireo,+Fa mafy loha ny andrianany rehetra. 16  Hazera toy ny hazo i Efraima.+ Ho maina ny fakany, ka tsy hisy voany intsony izy ireo. Ary na miteraka aza izy ireo, dia hovonoiko ho faty ny zanany tiany.” 17  Tsy ho tian’ilay Andriamanitro intsony izy ireo,Satria tsy nihaino azy,+Ka ho lasa mpirenireny any amin’ireo firenena.+

Fanamarihana

Na: “nivaro-tena.”
Na: “andro fanaovanareo fety.”
Na: “andriamanitra mahamenatra.”
Na: “hifintina.”