Isaia 11:1-16
11 Hisy rantsana+ hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese,+Ary hisy tsimoka+ hipoitra avy amin’ny fakany ka hamoa.
2 Ho feno ny fanahin’i Jehovah izy,+Dia fanahy mahatonga azy ho hendry+ sy hahira-tsaina,Fanahy manome azy torohevitra sy hery,+Fanahy manome azy fahalalana sy mahatonga azy hatahotra an’i Jehovah.
3 Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah.+
Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy,Sady tsy hananatra araka izay henon’ny sofiny.+
4 Fa hitsara ny mahantra araka ny rariny* izy,Sady hananatra araka ny hitsiny, mba hahasoa ny mpandefitra eto an-tany.
Hokapohiny amin’ny tehin’ny vavany+ ny tany,Ary hovonoiny amin’ny fofonain’ny vavany+ ny ratsy fanahy.
5 Ny fahamarinana no ho fehikibo eo amin’ny andilany.Ho fehikibo eo amin’ny andilany koa ny tsy fivadihana.+
6 Dia hiaraka tsindraindray amin’ny zanak’ondry ny amboadia,+Hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara,Ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona* ary ny biby nohatavezina,*+Ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.
7 Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa,Dia hiara-matoritory ny zanany,
Ary hihinana mololo toy ny omby ny liona.+
8 Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono,Ary hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina ny zaza nisara-nono.
9 Tsy hanisy ratsy an’iza na iza izy ireo,+Sady tsy hanimba na inona na inona eran’ny tendrombohitro masina,+Satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany,Hoatran’ny rano manarona ny fanambanin’ny ranomasina.+
10 Amin’izany andro izany, dia hisy fakan’i Jese+ hitsangana toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ny vahoaka.+
Any aminy ny firenena no hangataka tari-dalana,*+Ary ho be voninahitra ny fonenany.*
11 Amin’izany andro izany, dia mbola hanolotra ny tanany fanindroany i Jehovah, mba hamerenana an’izay sisa tavela amin’ny vahoakany avy any Asyria+ sy Ejipta+ sy Patrosa+ sy Kosy+ sy Elama+ sy Sinara* sy Hamata ary avy any amin’ireo nosin-dranomasina.+
12 Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy, ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra izay niely tamin’ny mponin’i Joda.+
13 Tsy hialona intsony i Efraima,+Ary haripaka ireo mankahala an’i Joda.
I Efraima tsy hialona an’i Joda,Ary i Joda tsy hankahala an’i Efraima.+
14 Dia hanidina hifaoka remby eny amin’ny tehezan-kavoanan’ny* Filistinina any andrefana izy ireo,Ka hiaraka handroba an’ireo Tatsinanana.
Dia hanatsotra ny tanany hamely an’i Edoma+ sy Moaba+ izy ireo,*Ary ho lasa vahoakany ny Amonita.+
15 Hosarahin’i* Jehovah ny hoalan’ny* ranomasin’i Ejipta,+Ary hambanany amin’ny tanany ny Renirano.*+
Ny fofonainy mahamay no hamelezany azy eo amin’ireo* sampany fito,Dia hataony afaka miampita eo tsy miala kapa akory ny olona.
16 Ary hisy lalambe+ avy any Asyria ho an’izay sisa miangana amin’ny vahoakany, dia izay sisa tavela,+Hoatran’ilay lalambe ho an’ny Israely, tamin’ilay andro nivoahany avy tany Ejipta.
Fanamarihana
^ Na: “fahamarinana.”
^ Na: “liona tanora.”
^ Na mety hoe “Ary hiara-misakafo ny zanak’omby sy ny liona.”
^ Abt: “toerana fakany aina.”
^ Na: “Hitady azy ny firenena.”
^ Izany hoe Babylonia.
^ Abt: “soroky ny.”
^ Na: “Dia hofehezin’izy ireo hatramin’i Edoma sy Moaba.”
^ Na mety hoe “Hamainin’i.”
^ Abt: “lelan’ny.”
^ Izany hoe Eofrata.
^ Na: “hamelezany azy mba ho lasa.”