Isaia 46:1-13

  • Tsy hoatran’ny sampin’i Babylona ny Andriamanitry ny Israely (1-13)

    • Milaza mialoha ny hoavy i Jehovah (10)

    • Vorona mpihaza avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro (11)

46  Miondrika i Bela,+ ary miforitra i Nebo. Ataingina eo ambony biby ny sampiny, eo ambony biby mpitondra entana,+Hoatran’ny entana manavesatra biby efa reraka.  2  Hiaraka hiforitra sy hiondrika daholo izy ireo.Tsy mahavonjy an’ilay enta-mavesatra* izy ireo,Ary lasa babo.  3  “Henoy aho, ry taranak’i Jakoba, sy ianareo rehetra sisa amin’ny taranak’i Israely,+Dia ianareo izay nampiako hatramin’ianareo vao teraka, sady nentiko hatrany an-kibo.+  4  Tsy hiova aho mandra-pahantitrareo,+Ary hanohana anareo foana mandra-pahafotsin’ny volonareo. Hitondra anareo sy hanohana anareo aho ary hamonjy anareo, hoatran’ny efa fanaoko.+  5  Hampitovinareo amin’iza aho, ary hampitahainareo amin’iza,+Mba hahitana raha mitovy izahay?+  6  Misy olona mandraraka volamena be dia be avy ao amin’ny kitapom-bolany,Dia mandanja volafotsy amin’ny mizana. Manakarama mpanefy izy ireo, ka amboariny ho lasa andriamanitra ilay volafotsy.+ Dia miondrika izy ireo, ary mivavaka* aminy.+  7  Ingain’izy ireo ho eo an-tsorony ilay sampy,+Dia entiny sy apetrany eo amin’ny toerany ka mijanona eo fotsiny. Tsy mihetsika eo amin’ny toerany ilay izy.+ Dia mitaraina aminy izy ireo, nefa tsy mamaly izy,Satria tsy afaka mamonjy na iza na iza amin’ny fahoriana.+  8  Tadidio izany, ary manàna herim-po. Raiso ao am-ponareo izany, ry mpandika lalàna.  9  Tadidio izay nitranga taloha ela be,*Ka tadidio hoe izaho no Andriamanitra, ary tsy misy ankoatra ahy. Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy mitovy amiko.+ 10  Efa nolazaiko hatramin’ny voalohany ny zavatra hitranga amin’ny farany,Ary efa nolazaiko hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.+ Hoy aho: ‘Tsy hiova ny fanapahan-kevitro,*+Ary hataoko ny sitrapoko rehetra.’+ 11  Hantsoiko avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro*+ ny vorona iray mpihaza,Ary hantsoiko avy any an-tany lavitra ilay olona hanatanteraka ny fanapahan-kevitro.*+ Efa niteny aho ka hotanterahiko ny teniko. Efa nokasaiko izany ka hataoko.+ 12  Henoy aho, ry mafy loha,*Dia ianareo izay lavitra ny fahamarinana. 13  Nataoko akaiky ny fahamarinako,Ka tsy lavitra ilay izy.Tsy ho tara ny famonjena hataoko.+ Hovonjeko i Ziona, ary homeko amin’ny voninahitro ny Israely.”+

Fanamarihana

Izany hoe ny sampy nataingina eo ambonin’ireo biby.
Abt: “miankohoka.”
Abt: “voalohany.”
Na: “fikasako; torohevitro.”
Na: “avy any atsinanana.”
Na: “fikasako; torohevitro.”
Abt: “mafy fo.”