Isaia 52:1-15
52 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao,+ ry Ziona ô!+
Anaovy ny akanjonao tsara tarehy,+ ry Jerosalema tanàna masina ô!
Fa tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny tsy madio.+
2 Ahintsano ny vovoka, ry Jerosalema ô, dia miarena ka mipetraha!
Vahao ny tady mamatotra ny vozonao, ry Ziona zanakavavy nentina ho babo.+
3 Fa izao no tenin’i Jehovah:
“Namidy maimaim-poana ianareo,+Ka tsy hisy vola haloa koa rehefa avotana ianareo.”+
4 Izao mantsy no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:
“Tamin’ny voalohany, dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny tany,+Dia avy eo nampijalin’i Asyria tsy amin’antony.”
5 “Inona àry no tokony hataoko?” hoy i Jehovah.
“Fa nalaina maimaim-poana ny vahoakako.
Mihorakoraka foana ireo manjaka amin’izy ireo fa nandresy”,+ hoy i Jehovah.“Tsy hajain’ny olona mihitsy ny anarako, tontolo andro.+
6 Ho fantatry ny vahoakako àry ny anarako.+Dia ho fantany koa amin’izany andro izany fa izaho Ilay miteny.
Izaho mihitsy no miteny!”
7 Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara mandeha eny an-tendrombohitra,+Ilay mitory fiadanana,+Ilay mitondra vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa,Ilay mitory momba ny famonjena,Dia ilay miteny amin’i Ziona hoe: “Lasa Mpanjaka ny Andriamanitrao!”+
8 Izany fa miantsoantso mafy ny mpitilinao!
Miara-mihoby izy ireo,Satria ho hitan’izy ireo tsara* ny hamerenan’i Jehovah an’i Ziona amin’ny laoniny.
9 Mifalia, ry toerana rava ao Jerosalema,+ dia miaraha mihoby!Nampionona ny vahoakany mantsy i Jehovah,+ sady nanavotra an’i Jerosalema.+
10 Nataon’i Jehovah hitan’ny firenena rehetra ny sandriny masina,+Ary ho hitan’ny vazan-tany efatra ny zavatra nataon’ilay Andriamanitsika mba hamonjena ny vahoakany.*+
11 Ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah,+
Mialà, mialà, mivoaha avy ao,+ ary aza mikasika an’izay maloto!+Mivoaha avy ao aminy,+ ary miezaha hadio foana.
12 Fa tsy hisahotaka ianareo rehefa miala avy ao,Sady tsy voatery handositra.Handeha eo alohanareo mantsy i Jehovah,+Ary ilay Andriamanitry ny Israely no ho vodilaharana mpiaro anareo.+
13 Ho malina ny mpanompoko+ rehefa manao zavatra.
Homena toerana ambony izy,Ary hasandratra ka homena voninahitra lehibe.+
14 Betsaka no nidanàka rehefa nahita azy.Nosimbana mihoatra noho ny endrik’olon-kafa rehetra mantsy ny endriny,Ary nosimbana mihoatra noho ny an’ny olombelona ny bikany.
15 Dia hoatr’izany koa fa hataony izay hahagaga firenena be dia be.+
Hitampim-bava* eo anatrehany ireo mpanjaka,+Satria zavatra mbola tsy notantaraina tamin’izy ireo no ho hitany,Ary zavatra mbola tsy henony no hodinihiny.+