Isaia 53:1-12
53 Iza no mba nino ny zavatra henony taminay?*+
Ary iza no nampisehoan’i Jehovah ny sandriny?+
2 Hitsiry toy ny rantsankazo+ eo anatrehany* izy, hoatran’ny faka maniry eny amin’ny tany karakaina.
Tsy mba hoatran’ny olo-manan-kaja no fahitana azy, sady tsy manana voninahitra izy.+Tsy mba voasarika hanatona azy izahay rehefa mahita ny bika aman’endriny.*
3 Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy,+Ary lehilahy nahalala fanaintainana,* sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina.
Hoatran’ny hoe nafenina anay ny endriny.*
Natao tsinontsinona izy, ary noheverinay ho tsy misy dikany.+
4 Nitondra ny aretinay tokoa izy,+Ary nizaka ny fanaintainanay.+
Nihevitra anefa izahay hoe voaozona izy, ka nokapohin’Andriamanitra sy nampijalina.
5 Notrobarana+ noho ny helokay anefa izy,+Ary natao torotoro noho ny fahadisoanay.+
Izy no niharan’ny sazy mba hahafahanay hihavana amin’Andriamanitra,+Ary ny ratrany no nahatonga anay ho sitrana.+
6 Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra,+Ka samy nivily nanaraka ny lalanay avy.Ary nampitondrain’i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.+
7 Nampijalina+ sy nanaiky hampahorina izy,+Nefa tsy mba niteny mihitsy.
Nentina hoatran’ny ondry hovonoina izy,+Hoatran’ny ondrivavy mangina eo anatrehan’ny mpanety azy,Ka tsy niteny mihitsy.+
8 Noho ny fampahoriana* sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy.*Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?*
Nesorina hiala tamin’ny tanin’ny velona izy.+Nokapohina* koa izy noho ny heloky ny vahoakako.+
9 Nomena fasana niaraka tamin’ny ratsy fanahy izy,*+Ary niaraka nalevina tamin’ny mpanankarena* izy rehefa maty,+Na dia tsy nanao ratsy* mihitsy azaSady tsy nisy fitaka teo am-bavany.+
10 Sitrapon’i Jehovah* anefa ny hanorotoro azy, dia navelany hijaly izy.
Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka ny ainy,+Dia hahita an’izay ho taranany izy sady ho lava andro iainana.+Izy koa no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany an’izay tian’i* Jehovah.+
11 Niaritra ny mafy izy ka ho afa-po amin’izay hitany.
Efa mahalala zavatra betsaka ny mpanompoko,+ dia ilay olo-marina,Ka hanampy olona be dia be ho lasa olo-marina.+Hozakainy koa ny fahadisoan’izy ireo.+
12 Noho izany, dia homeko anjara miaraka amin’ny maro izy,Ka hifampizara babo miaraka amin’ny mahery.Fa nanome ny ainy izy ka maty mihitsy,+Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna.+Nitondra ny fahotan’ny olona maro koa izy,+Sady nanelanelana mba hahasoa an’ireo mpandika lalàna.+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “zavatra henonay?”
^ Mety hoe eo anatrehan’ny olona iray mitazana, na eo anatrehan’Andriamanitra, izany.
^ Na: “Tsy mba miavaka ny bika aman’endriny ka tsy manintona anay.”
^ Na mety hoe “Nihodina ny olona mba tsy hijery ny endriny.”
^ Na: “natao hanaintaina.”
^ Na: “sakantsakana.”
^ Abt: “nesorina izy.”
^ Na: “ny fomba fiainany?”
^ Na: “Nokapohina ho faty.”
^ Na: “tsy nahery setra.”
^ Abt: “lehilahy iray mpanankarena.”
^ Na: “Hisy hanome ny fasany miaraka amin’ny ratsy fanahy.”
^ Na: “Nahafinaritra an’i Jehovah.”
^ Na: “an’izay sitrapon’i; an’izay mahafinaritra an’i.”