Isaia 54:1-17

  • Ho betsaka ny zanak’i Ziona, ilay vehivavy momba (1-17)

    • I Jehovah no vadin’i Ziona (5)

    • Hampianarin’i Jehovah ny zanak’i Ziona (13)

    • Tsy hisy hahomby izay fiadiana hamelezana an’i Ziona (17)

54  “Mihobia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka!+ Mifalia sy mihobia+ ianao izay tsy mba narary nihetsi-jaza mihitsy!+Fa ny zanaky* ny vehivavy nilaozam-bady,Dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady”,*+ hoy i Jehovah.  2  “Halalaho ny tranolainao,+ Ary henjano ny lamban’ny tranolainao be voninahitra. Aza mihafihafy mihitsy rehefa manao an’izany, ary halavao ny tady manenjana ny lainao.Hamafiso koa ny fantsika be fanenjanan-day.+  3  Fa hiparitaka hiankavanana sy hiankavia ianao, Ary ho lasan’ny taranakao ireo firenena.Hipetrahan’izy ireo koa ny tanàna aolo.+  4  Aza matahotra+ fa tsy ho menatra ianao.+Aza mieritreritra hoe afa-baraka ianao, fa tsy ho diso fanantenana ianao. Hohadinoinao mantsy ny henatrao tamin’ny fahatanoranao,Ary tsy hotsaroanao intsony ilay ianao afa-baraka satria hoe maty vady.”  5  “Ilay Be Voninahitra Mpanao anao+ mantsy no vadinao,*+Ary Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.Ilay Masin’ny Israely no Mpanavotra anao,+ Ary hantsoina hoe Andriamanitry ny tany manontolo izy.+  6  Fa nampodin’i Jehovah ianao, izay toy ny vehivavy nilaozan’ny vadiny sy nalahelo be,+Hoatran’ny vehivavy nalaina ho vady tamin’izy tanora nefa nariana tatỳ aoriana”, hoy ilay Andriamanitrao.  7  “Fa vetivety ihany aho no nahafoy anao.Be famindram-po anefa aho ka hampody anao.+  8  Tezitra be taminao aho, ka nafeniko vetivety ny tarehiko mba tsy ho hitanao.+Tia anao sy tsy mivadika aminao mandrakizay anefa aho ka hamindra fo aminao”,+ hoy i Jehovah, ilay Mpanavotra anao.+  9  “Amiko dia toy ny tamin’ny andron’i Noa izao.+ Efa nianiana aho hoe tsy ho safotry ny rano toy ny tamin’ny andron’i Noa intsony ny tany,+Dia hoatr’izany koa fa mianiana aho hoe tsy ho tezitra aminao intsony na hiteny mafy anao.+ 10  Fa na hesorina aza ny tendrombohitra,Ary na hihozongozona aza ny havoana,Dia mbola ho tia anao sy tsy hivadika aminao aho,+Ary tsy ho rava ny fifanekem-pihavanana ataoko aminao”,+ hoy i Jehovah, Ilay mamindra fo aminao.+ 11  “Ry vehivavy mijaly+ sy asafotofoton’ny rivo-mahery, sady tsy misy mampionona!+Hampiasa rihitra mafy aho hanakambanako ireo vato eo aminao,Ary safira no hataoko fototrao.+ 12  Vatosoa robia no hanaovako ny tampon’ny mandanao,Vatosoa mamirapiratra* no hanaovako ny vavahadinao,Ary vatosoa sarobidy ny sisin-taninao rehetra. 13  Hampianarin’i Jehovah ny zanakao* rehetra,+Ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.*+ 14  Hiorina tsara amin’ny fahamarinana ianao.+ Hesorina lavitra anao koa ny fampijaliana.+Tsy hisy hatahoranao ary tsy hisy hampihorohoro anao,Satria tsy hanakaiky anao izany.+ 15  Raha misy manafika anao,Dia tsy noho ny baiko avy amiko izany. Ho resy izay manafika anao.”+ 16  “Izaho no namorona ny mpanao asa tanana,Izay mitsoka ny afon-tsaribao,Ka mahavita fitaovam-piadiana. Izaho koa no namorona an’ilay mpandringana izay handravarava.+ 17  Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao,+Ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra miampanga anao. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah,Ary olo-marina izy ireo amiko”,* hoy i Jehovah.+

Fanamarihana

Na: “zanakalahin’ny.”
Na: “manana tompo.”
Na: “tomponao.”
Na: “Vato mena midorehitra.”
Na: “zanakao lahy.”
Na: “zanakao lahy.”
Na: “Avy amiko ny fahamarinan’izy ireo.”