Isaia 62:1-12
-
Homena anarana vaovao i Ziona (1-12)
62 Tsy hangina aho noho ny amin’i Ziona,+Ary tsy hipetra-potsiny aho noho ny amin’i Jerosalema,Raha tsy efa mamirapiratra hoatran’ny hazavana ny fahamarinany,+Ary raha tsy efa mirehitra hoatran’ny fanilo ny famonjena azy.+
2 “Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ry vehivavy,+Ary hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra.+
Dia homena anarana vaovao+ ianao,Ka i Jehovah mihitsy no hanome an’izany.
3 Ho lasa satroboninahitra tsara tarehy eo an-tanan’i Jehovah ianao,Ho fehilohan’ny mpanjaka, eo am-pelatanan’ilay Andriamanitrao.
4 Tsy hantsoina intsony hoe vehivavy nilaozam-bady+ ianao,Ary ny taninao tsy hatao intsony hoe tany tsy misy mponina.+
Fa ianao kosa hantsoina hoe Sitrako Izy,+Ary ny taninao hoe Ilay Manambady.
Fa hankasitraka anao i Jehovah,Ary ny taninao ho lasa hoatran’ny hoe manambady.
5 Fa hoatran’ny tovolahy manambady virjiny,Dia hanambady anao koa ny zanakao.
Faly be amin’ny ampakarina ny mpampakatra,Dia hoatr’izany koa fa ho faly be aminao ilay Andriamanitrao.+
6 Efa nanendry mpitily ho eny ambonin’ny mandanao aho, ry Jerosalema ô!
Tsy tokony hangina mihitsy izy ireo, na andro na alina.
“Ianareo izay miresaka momba an’i Jehovah,Aza mitsahatra mihitsy,
7 Dia aza avela hitsahatra mihitsy koa izy, raha tsy efa voaoriny mafy i Jerosalema,Ary raha tsy efa ataony midera azy io ny olona eran-tany.”+
8 Efa nanangana ny tanany ankavanana sy ny sandriny mahery i Jehovah, ka nianiana hoe:
“Tsy homeko ho sakafon’ny fahavalonao intsony ny varimbazahanao,Ary tsy hosotroin’ny hafa firenena intsony ny divainao vaovao, izay efa nisasaranao.+
9 Fa izay mijinja azy ihany no hihinana azy, ka hidera an’i Jehovah.Dia izay mioty azy ihany no hisotro azy ao amin’ny tokotaniko masina.”+
10 Mivoaha amin’ny vavahady, mivoaha!
Karakarao izay lalana halehan’ny olona!+
Manamboara lalambe, manamboara!
Esory izay vato eny.+
Manangàna tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena.+
11 Izao no nolazain’i Jehovah hatrany amin’ny faran’ny tany:
“Teneno i Ziona zanakavavy hoe:‘Efa kely sisa dia hovonjena ianao.+
Efa eny aminy ny valisoa homeny,Ary efa any aminy ny karama haloany.’”+
12 Dia hantsoina hoe vahoaka masina navotan’i Jehovah+ izy ireo.Ary ianao koa hantsoina hoe Ilay Notadiavina, Tanàna Tsy Nilaozana.+