Isaia 9:1-21

  • Hazavana be ho an’i Galilia (1-7)

    • Teraka ilay “Andrianan’ny Fiadanana” (6, 7)

  • Hamely ny Israely ny tanan’Andriamanitra (8-21)

9  Ny haizina ao amin’ilay tany anefa, dia tsy ho toy ny tamin’ny fotoam-pahoriana taloha, tamin’ny fotoana nanaovana tsinontsinona ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly.+ Any aoriana kosa dia hataony mahazo voninahitra ilay tany, ilay lalana akaikin’ny ranomasina any amin’ny faritr’i Jordana, any Galilia fonenan’ny hafa firenena.  2  Nahita hazavana be+Ny olona nandeha tao amin’ny haizina, Ary namirapiratan’ny hazavanaIreo nipetraka tao amin’ny tanin’ny haizim-pito.  3  Nataonao be mponina ilay firenena,Ary nataonao faly be izy. Mifaly eo anatrehanao izy ireo,Hoatran’ny olona mifaly amin’ny fotoam-pijinjana,Sy hoatran’ny olona faly rehefa mizara zavatra azo babo.  4  Fa toy ny tamin’ny andron’ny Midianina,+Dia hopotipotehinao ny zioga nentin’izy ireo,Sy ny tsorakazo nikapohana ny sorony, izany hoe ny tehin’ireo mpanery azy hiasa.  5  Hatao fandrehetana afoNy baotin’izay mampihovotrovotra ny tany rehefa mandeha,Sy ny akanjo rehetra feno ra.  6  Fa misy zaza teraka ho antsika,+Zazalahy no homena antsika,Ary ho eo am-pelatanany* ny fahefana.*+ Ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga,+ Andriamanitra Mahery,+ Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana.  7  Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.Tsy hisy farany koa ny fiadanana+Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.Ho mafy orina+ izy io,Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,Manomboka izao ka ho mandrakizay. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.  8  Nilaza fanamelohana tamin’i Jakoba i Jehovah,Ka ho tanteraka amin’ny Israely izany.+  9  Ary hahalala an’izany ny vahoaka manontolo,Dia i Efraima sy ny mponin’i Samaria,Izay mirehareha sy maniratsira, ka milaza hoe: 10  “Nirodana ny biriky,Fa izahay kosa hanorina amin’ny vato voapaika.+ Nokapaina ny aviavidia,Fa izahay kosa hanolo azy amin’ny hazo sedera.” 11  Hampirisihin’i Jehovah ny fahavalon’i Rezina mba hanohitra azy,Ary hoentaniny hanao zavatra ny fahavalon’ny Israely, 12  Dia i Syria avy any atsinanana sy ny Filistinina avy any andrefana.*+Hanokatra ny vavany mba handrapaka ny Israely izy ireo.+ Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy,Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.+ 13  Tsy niverina tamin’Ilay namely azy mantsy ny vahoaka,Sady tsy nitady an’i Jehovah Tompon’ny tafika.+ 14  Dia hotapahin’i Jehovah ao anatin’ny iray androNy loha sy ny rambo, ary ny tsimoka sy ny harefo,* eo amin’ny Israely.+ 15  Ny anti-panahy sy ny olo-manan-kaja no loha,Ary ny mpaminany mampianatra zavatra diso no rambo.+ 16  Ny mpitarika an’ity vahoaka ity ihany no mampirenireny azy,Ka sahiran-tsaina ny olona tarihiny. 17  Tsy ho faly amin’ny ankizilahin’izy ireo àry i Jehovah,Sady tsy hamindra fo amin’ny kamboty ray sy ny mpitondratena eo aminy.Miala amin’Andriamanitra daholo mantsy izy ireo sady mpanao ratsy,+Ary miteniteny foana daholo ny olona rehetra. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy,Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.+ 18  Midedadeda hoatran’ny afo ny faharatsiana,Ka levoniny ny tsilo sy ny ahidratsy. Hodorany koa ny kirihitrala,Ka hidonaka ny setroka avy aminy. 19  Nodorana ilay tany,Satria tezitra be i Jehovah Tompon’ny tafika.Ary hatao fandrehetana afo ny olona. Tsy avelan’izy ireo hiangana na dia ny rahalahiny aza. 20  Hotetehiny ny eo ankavanana,Nefa mbola ho noana ihany izy,Ary hohaniny ny eo ankavia,Nefa tsy ho voky izy. Samy hihinana ny nofon-tsandriny izy ireo, 21  Ka i Manase hihinana an’i Efraima,Ary i Efraima hihinana an’i Manase. Hiaraka hamely an’i Joda izy ireo.+ Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy,Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.+

Fanamarihana

Abt: “ho eo an-tsorony.”
Na: “fitondrana; fahefan’andriana.”
Na: “fitondrany; fahefan’andriana ananany.”
Abt: “avy any aoriana.”
Na mety hoe “ny sampana palmie sy ny bararata.”