Nosoratan’i Jaona 13:1-38
13 Fantatr’i Jesosy talohan’ny fetin’ny Paska fa tonga ny fotoana+ hialany eo amin’izao tontolo izao sy handehanany ho any amin’ny Ray.+ Ary satria efa tia ny mpianany* eo amin’izao tontolo izao izy, dia tiany hatramin’ny farany izy ireo.+
2 Mbola nisakafo hariva izy ireo tamin’izay. Ary efa nataon’ny Devoly tao am-pon’i Jodasy Iskariota,+ zanak’i Simona, ny faniriana hamadika azy.+
3 Efa fantatr’i Jesosy koa fa efa nomen’ny Ray ho eo an-tanany ny zava-drehetra, sady avy tany amin’Andriamanitra izy ka hankany amin’Andriamanitra.+
4 Koa raha mbola nisakafo izy ireo, dia nitsangana izy, ka napetrany ny akanjony ivelany. Dia naka servieta izy, ka nisikinany.*+
5 Avy eo dia nasiany rano tao anaty koveta. Dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra izy, ka nohamaininy tamin’ilay servieta nisikinany ny tongotr’ireo.
6 Tonga teo amin’i Simona Petera izy avy eo. Hoy anefa i Petera: “Tompo ô, ianao ve no hanasa ny tongotro?”
7 Namaly azy i Jesosy hoe: “Amin’izao aloha tsy azonao izay ataoko, fa mbola ho azonao ihany any aoriana any.”
8 Hoy i Petera: “Tsy ianao mihitsy kosa no hanasa ny tongotro e!” Hoy anefa i Jesosy: “Raha tsy sasako ianao,+ dia tsy ho afaka hiaraka amiko.”*
9 Dia hoy i Simona Petera: “Tompo ô, tsy ny tongotro ihany àry sasana, fa ny tanako sy ny lohako koa e!”
10 Ary hoy i Jesosy: “Izay efa avy nandro dia efa madio tanteraka, ka ny tongony ihany sisa no mila sasana. Efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.”
11 Fantany mantsy ilay hamadika azy,+ ka izany no nilazany hoe: “Tsy ianareo rehetra no madio.”
12 Rehefa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nanaovany ny akanjony ivelany. Dia naka toerana* teo amin’ny latabatra indray izy, ka niteny hoe: “Azonareo ve ilay nataoko taminareo teo?
13 Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina izany satria izany tokoa aho.+
14 Koa raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo,+ dia ianareo koa mba tokony hifanasa* tongotra.+
15 Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo hoatran’ny nataoko taminareo koa.+
16 Lazaiko marimarina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, ary izay irahina tsy lehibe noho ilay naniraka azy.
17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao an’izany.+
18 Tsy ianareo rehetra no resahiko amin’izany, fa fantatro izay nofidiko. Tsy maintsy mitranga anefa izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina+ hoe: ‘Ilay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.’*+
19 Ilazako mialoha ianareo, manomboka izao, amin’izay rehefa tena mitranga izany, dia hino ianareo hoe izaho no izy.+
20 Lazaiko marimarina aminareo fa izay mandray an’izay irahiko dia mandray ahy,+ ary izay mandray ahy dia mandray an’Ilay naniraka ahy koa.”+
21 Nitebiteby be i Jesosy rehefa avy nilaza an’izany, ka notsoriny hoe: “Lazaiko marimarina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo.”+
22 Dia nifampijery ny mpianatra, ka sahiran-tsaina nieritreritra hoe iza no noresahiny.+
23 Ary efa teo akaikin’i Jesosy* ny mpianany anankiray tamin’izay,+ dia ilay mpianatra tiany.
24 Koa nanaovan’i Simona Petera fihetsika tamin’ny lohany izy ka noteneniny hoe: “Fa iza, hono, izany resahiny izany?”
25 Niankina teo an-tratran’i Jesosy àry ilay mpianatra tiany, ka nanontany hoe: “Fa iza izany, Tompo ô?”+
26 Dia namaly i Jesosy hoe: “Ilay homeko ny sombi-mofo atsoboko ao anaty vilia.”+ Natsobony tao anaty vilia àry ilay mofo, dia nalainy ka nomeny an’i Jodasy zanak’i Simona Iskariota.
27 Rehefa nalain’i Jodasy ilay mofo, dia niditra tao aminy i Satana.+ Dia hoy i Jesosy taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.”
28 Tsy nisy nahafantatra ny antony nilazany an’izany anefa ireo nisakafo* teo.
29 Nisy aza nieritreritra hoe satria i Jodasy no nitazona ny boatim-bola,+ dia nilaza taminy i Jesosy hoe: “Vidio izay ilaintsika amin’ny fety”, na hoe tokony hanao fanomezana ho an’ny mahantra izy.
30 Tonga dia nivoaka àry izy rehefa nahazo an’ilay sombi-mofo. Efa alina ny andro tamin’izay.+
31 Rehefa lasa i Jodasy, dia hoy i Jesosy: “Omem-boninahitra ny Zanak’olona izao,+ ary amin’ny alalany no anomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
32 Ary Andriamanitra mihitsy no hanome voninahitra azy,+ ary hanome voninahitra azy avy hatrany.
33 Kely sisa no iarahako aminareo, ry zanako malalako. Hitady ahy ianareo, ary izay nolazaiko tamin’ny Jiosy ihany no lazaiko aminareo koa izao, hoe: ‘Izay alehako dia tsy azonareo aleha.’+
34 Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo+ no tokony mba hifankatiavanareo koa.+
35 Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”+
36 Hoy i Simona Petera: “Fa ho aiza ianao, Tompo ô?” Dia hoy i Jesosy: “Tsy afaka manaraka ahy any amin’izay alehako ianao izao, nefa hanaraka ahy ihany any aoriana any.”+
37 Ary hoy i Petera: “Tompo ô, fa maninona aho izao no tsy afaka manaraka anao? Na ny aiko aza ange hafoiko ho anao e!”+
38 Dia hoy i Jesosy: “Tena hahafoy ny ainao ho ahy tokoa ve ianao? Lazaiko marimarina aminao fa mbola tsy maneno akory ny akoho, dia efa handa ahy intelo ianao.”+
Fanamarihana
^ Na: “ny azy.”
^ Na: “nafatony teo amin’ny andilany.”
^ Abt: “tsy hanana anjara miaraka amiko.”
^ Na: “nandry ilika.”
^ Na: “tsy maintsy mifanasa.”
^ Na: “no lasa nanohitra ahy.”
^ Abt: “efa nandry ilika teo an-tratran’i Jesosy.”
^ Na: “nandry ilika teo amin’ny latabatra.”