Jeremia 18:1-23

  • Tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga (1-12)

  • Hanome lamosina ny Israely i Jehovah (13-17)

  • Tetika hamelezana an’i Jeremia; ny fitarainany (18-23)

18  Niteny tamin’i Jeremia i Jehovah hoe: 2  “Mitsangàna dia midìna any an-tranon’ny mpanefy tanimanga,+ fa any aho no hilaza aminao ny teniko.” 3  Dia nidina tany an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka nahita azy niasa teo amin’ilay milina mihodinkodina fampiasany. 4  Simban’ny tanan’ilay mpanefy tanimanga anefa ilay vilany nataony. Novany ho zavatra hafa àry ilay izy, araka izay tiany.* 5  Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe: 6  “‘Tsy afaka manao aminareo hoatran’ny nataon’io mpanefy tanimanga io koa ve aho, ry taranak’Israely?’, hoy i Jehovah. ‘Toy ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga ianareo eto an-tanako, ry taranak’Israely ô!+ 7  Isaky ny milaza aho hoe hanongotra sy handrodana ary handrava firenena na fanjakana iray,+ 8  nefa miala amin’ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena, dia hiova hevitra* aho ka tsy hampihariko aminy indray ilay loza nokasaiko hamelezana azy.+ 9  Fa isaky ny milaza kosa aho hoe hanorina sy hamboly firenena na fanjakana iray, 10  nefa manao ratsy eo imasoko izy ka tsy mankatò ny teniko, dia hiova hevitra* aho ka tsy hataoko aminy indray ilay zavatra tsara nokasaiko hatao aminy.’ 11  “Mba lazao amin’ny fokon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema àry hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Efa manomana* loza ho anareo aho ary efa mieritreritra ny fomba hamelezana anareo. Koa mialà re amin’ny lalan-dratsinareo e, ary ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.”’”+ 12  Hoy anefa izy ireo: “Aza manantena an’izany!+ Fa izay efa noeritreretinay ihany no hataonay, ary samy hikiry hanao izay tianay*+ izahay.” 13  Koa izao no lazain’i Jehovah: “Mba anontanio, azafady, ny olona any amin’ireo firenena. Iza no efa nandre zavatra hoatr’izany? Nanao zavatra faran’izay mahatsiravina+ ny Israely virjiny. 14  Tsy misy lanezy intsony ve eny amin’ny vatolampy, eny amin’ny tehezan’i Libàna? Ho ritra ve ny rano mangatsiatsiaka mikoriana avy lavitra? 15  Nanadino ahy anefa ny vahoakako.+ Manao sorona* ho an’ny zavatra tsy misy dikany+ mantsy izy ireo,Ary manao izay hahatafintohina ny olona eny amin’ny lalany, dia ny lalana fahiny,+Mba handehanan’izy ireny eny amin’ny lalan-kely mikitoantoana sy tsy mitovy tantana.* 16  Koa hanjary hihorohoro ny olona mahita ny tanin’izy ireo,+Ary hisioka haneso azy io mandrakizay.+ Ho tsiravina izay mpandalo rehetra mahita azy, ka hihivingivin-doha.+ 17  Haparitako eo anoloan’ny fahavalony izy ireo, toy ny ataon’ny rivotra avy any atsinanana. Hanome lamosina azy ireo aho fa tsy hanatrika azy, amin’ny andro hahitany loza.”+ 18  Dia hoy izy ireo: “Andao isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremia,+ satria mbola ho eo foana ny lalàna* avy amin’ny mpisorontsika, ny torohevitra avy amin’ny olon-kendry, ary ny teny avy amin’ny mpaminany. Andao isika hiampanga azy,* ary aza miraharaha an’izay lazainy.” 19  Henoy aho, Jehovah ô,Ary henoy ny tenin’ireo mpanohitra ahy. 20  Dia ratsy ve no havaly ny soa? Fa nihady lavaka hamonoana ahy izy ireo.+ Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao mba hilaza zavatra tsara momba azy ireo,Amin’izay dia tsy ho tezitra aminy intsony ianao. 21  Koa ataovy matin’ny mosary ny zanany,Ary atolory ho fatin’ny sabatra+ izy ireo. Enga anie ny vadiny ho maty zanaka, ary ho lasa mpitondratena!+ Enga anie ho fatin’ny aretina ny lehilahy eo aminy,Ary ny tovolahy ho fatin’ny sabatra any an’ady!+ 22  Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranon’izy ireo,Rehefa asainao manafika azy tampoka ny mpandroba. Nihady lavaka mantsy izy ireo mba hisamborana ahy,Ary nanisy fandrika hamandrihana ny tongotro.+ 23  Fa ianao kosa Jehovah ô,Mahafantatra tsara ny tetika rehetra ataon’izy ireo mba hamonoana ahy ho faty.+ Aza manarona ny fahadisoany,Ary aza kosehina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany. Aoka izy ireo ho tafintohina eo anatrehanao,+Rehefa mamely azy ireo ianao, noho ny fahatezeranao.+

Fanamarihana

Abt: “araka izay hitany fa mety hanamboarana azy.”
Na: “hanenina.”
Na: “hanenina.”
Abt: “mamorona.”
Na: “tian’ny fo ratsinay.”
Na: “Mandoro fanatitra mba hidona-tsetroka.”
Na: “tsy namboarina.”
Abt: “hamely azy amin’ny lela.”
Na: “fampianarana.”