Jeremia 23:1-40
23 “Hahita loza ireo mpiandry ondry mandripaka sy manaparitaka ny ondry ao an-kijanako!”, hoy i Jehovah.+
2 Izao àry no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mba hanamelohana an’ireo mpiandry izay miandry ny vahoakany: “Aparitakareo ny ondriko. Aelinareo izy ireo, fa tsy karakarainareo.”+
“Koa tsy hananako antra ianareo noho ny ratsy nataonareo”, hoy i Jehovah.
3 “Dia hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko ao amin’ny kijanany.+ Ho maro anaka sy hihabetsaka izy ireo.+
4 Ary hanendry mpiandry izay tena hiandry azy ireo aho.+ Tsy hatahotra intsony izy ireo na hihorohoro, ary tsy hisy ho very na iray aza”, hoy i Jehovah.
5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+
6 Hovonjena ny Joda+ ary hilamina ny tanin’ny Israely+ amin’ny androny. Ary izao no anarana hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.”+
7 “Ho avy anefa ny andro”, hoy i Jehovah, “izay tsy hilazana intsony hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan’Israely avy tany Ejipta!’+
8 Fa izao kosa no holazaina: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka sy nampody ny taranaky ny vahoakan’Israely avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahako azy.’ Dia hipetraka ao amin’ny taniny izy ireo.”+
9 Ary izao no lazaiko amin’ireo mpaminany:
Torotoro ny foko ato anatiko.
Mangozohozo daholo ny taolako.
Hoatran’ny olona mamo aho,Ary toy ny lehilahy avembenan’ny divay,Noho ny amin’i Jehovah sy ny teniny masina.
10 Feno mpanitsakitsa-bady+ mantsy ilay tany.Misaona koa ilay tany+ satria voaozona,Ary maina ny kijana any an-tany efitra.+
Ratsy ny ataon’izy ireo, ary manampatra fahefana izy ireo.
11 “Samy maloto* na ny mpaminany na ny mpisorona.+
Na dia ao an-tranoko aza, dia ahitako ny faharatsian’izy ireo”,+ hoy i Jehovah.
12 “Koa halama sy ho maizina+ ny lalana izoran’izy ireo.Hisy hanosika izy ireo, ka ho lavo.
Fa hahatonga loza aminy aho,Amin’ny taona hanasaziana azy”, hoy i Jehovah.
13 “Hitako ny zavatra maharikoriko ataon’ireo mpaminanin’i Samaria.+
Maminany amin’ny anaran’i Bala izy ireo,Ary mitarika ny Israely vahoakako any amin’ny lalan-diso.
14 Hitako koa ny zavatra mahatsiravina ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema.
Manitsakitsa-bady+ sy mandainga+ izy ireo,Ary manohana an’ireo* mpanao ratsy.Tsy misy miala amin’ny ratsy fanaony izy ireo.
Hoatran’i Sodoma+ daholo izy ireo amiko,Ary hoatran’i Gomora+ ny mponina ao.”
15 Izao àry no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika mba hanamelohana an’ireo mpaminany ireo:
“Hampihinaniko zavamaniry mangidy be izy ireo,Ary hampisotroiko rano misy poizina.+
Fa miely eran’ilay tany ny fivadiham-pinoana, noho ny ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema.”
16 Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:
“Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany milaza faminaniana aminareo.+
Mamitaka* anareo fotsiny izy ireo.
Fahitana avy ao am-pony no lazainy,+Fa tsy avy amin’ny vavan’i Jehovah.+
17 Izao no averimberiny amin’ireo tsy manaja ahy:‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hiadana ianareo.”’+
Ary izay rehetra mikiry manao izay tian’ny fony kosa ataony hoe:‘Tsy hisy loza hanjo anareo.’+
18 Fa iza no nijoro teo amin’ireo olona akaiky an’i JehovahMba hahita sy handre ny teniny?
Iza no nanongilan-tsofina mba hihaino ny teniny?
19 Hifofofofo toy ny tafio-drivotra ny fahatezeran’i Jehovah.Ho toy ny rivo-mahery hihodinkodina eo amin’ny lohan’ny ratsy fanahy izany.+
20 Tsy hitony ny fahatezeran’i JehovahRaha tsy efa vitany sy tanterany ny fikasan’ny fony.
Ho azonareo tsara izany any am-parany.
21 Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa nihazakazaka nanao an’izany izy ireo.
Tsy niteny taminy aho nefa naminany izy ireo.+
22 Raha nijoro teo amin’ireo olona akaiky ahy anefa izy ireo,Dia ho nataony izay handrenesan’ny vahoakako ny teniko,Ary ho nasainy niala tamin’ny lalan-dratsiny sy tamin’ny ratsy fanaony izy ireny.”+
23 “Rehefa akaiky ihany angaha izaho vao Andriamanitra”, hoy i Jehovah, “fa tsy rehefa lavitra koa?”
24 “Misy olona afaka miafina ao amin’ny takona ve ka tsy ho hitako?”,+ hoy i Jehovah.
“Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve aho?”,+ hoy i Jehovah.
25 “Efa reko izay nolazain’ireo mpaminany maminany lainga amin’ny anarako hoe: ‘Nanonofy aho! Nanonofy aho!’+
26 Mandra-pahoviana no mbola ho ao am-pon’ireo mpaminany ireo foana ny hoe haminany lainga? Mpaminany milaza fitaka izy ireo, ka izay ao am-pony fotsiny no lazainy.+
27 Mifampitantara ny nofiny izy ireo satria tiany hanadino ny anarako ny vahoakako, hoatran’ny razambeny izay nanadino ny anarako noho izy ireny nanompo an’i Bala.+
28 Avelao hitantara ny nofiny izay mpaminany manonofy. Fa izay nanankinana ny teniko kosa, dia tokony ho ny teniko ihany no holazainy.”
“Inona moa izay mololo raha oharina amin’ny voam-bary?”, hoy i Jehovah.
29 “Tsy hoatran’ny afo ve ny teniko”,+ hoy i Jehovah, “ary hoatran’ny marotoan’ny mpanefy, izay manapotipotika harambato?”+
30 “Koa hosaziko”, hoy i Jehovah, “ireo mpaminany mifangalatra ny teniko.”+
31 Hoy koa i Jehovah: “Hosaziko ireo mpaminany mampiasa ny lelany hilazana hoe: ‘Izao no lazainy!’”+
32 “Hosaziko ireo mpaminany manonofy lainga sy mitantara an’izany”, hoy i Jehovah, “ka mitarika ny vahoakako any amin’ny lalan-diso noho izy ireo mandainga sy mirehareha.”+
“Tsy naniraka na nanome baiko azy ireo anefa aho. Koa tsy hahasoa an’ity vahoaka ity mihitsy izy ireo”,+ hoy i Jehovah.
33 “Ary raha manontany anao ity vahoaka ity na ny mpaminany na ny mpisorona hoe: ‘Inona no enta-mavesatr’i* Jehovah?’, dia valio hoe: ‘“Ianareo no enta-mavesatra! Koa hariako ianareo”,+ hoy i Jehovah.’
34 Ary raha misy mpaminany na mpisorona na olona milaza hoe: ‘Izao no enta-mavesatr’i* Jehovah!’, dia tsy hananako antra izany olona izany sy ny ankohonany.
35 Samy miteny amin’ny namanareo sy ny rahalahinareo avy ianareo hoe: ‘Inona no navalin’i Jehovah? Ary inona no nolazain’i Jehovah?’
36 Tsy tokony hilaza intsony anefa ianareo hoe enta-mavesatr’i* Jehovah, satria ny tenin’ny tsirairay ihany no enta-mavesatra.* Novanareo ny tenin’ilay Andriamanitra velona, dia i Jehovah Tompon’ny tafika sady Andriamanitsika.
37 “Izao no holazainao amin’ilay mpaminany: ‘Inona no navalin’i Jehovah anao? Inona no nolazain’i Jehovah?
38 Ary raha mbola milaza ianareo hoe: “Ny enta-mavesatr’i* Jehovah!”, dia izao kosa no lazain’i Jehovah: “Koa satria nilaza ianareo hoe: ‘Izany teny izany ilay enta-mavesatr’i* Jehovah’, nefa izaho efa niteny taminareo hoe: ‘Tsy tokony hilaza intsony ianareo hoe: “Enta-mavesatr’i* Jehovah!”’,
39 dia hingaiko sy hariako tsy ho eo anatrehako ianareo sy ilay tanàna nomeko anareo sy ny razambenareo.
40 Hataoko menatra sy afa-baraka mandrakizay ianareo, ary tsy hohadinoina mihitsy izany.”’”+
Fanamarihana
^ Na: “mpandova.”
^ Na: “mivadi-pinoana.”
^ Abt: “manatanjaka ny tanan’ireo.”
^ Na: “Mampanantena poakaty.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.” Manana heviny roa ilay teny hebreo: “Fanambarana mavesa-danja avy amin’Andriamanitra” na “zavatra manavesatra.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.”
^ Na: “hafatra manavesatra.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.”
^ Na: “hafatra manavesatr’i.”