Jeremia 42:1-22
42 Dia nanatona an’i Jeremia ny lehiben’ny tafika rehetra, sy Johanana+ zanak’i Karea, sy Jazania zanak’i Hosaia, ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
2 Hoy izy ireo tamin’i Jeremia mpaminany: “Mba henoy re ny fitalahoanay e, ka mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitrao ho anay rehetra tavela eto! Be dia be mantsy izahay taloha nefa ireo sisa,+ araka izao hitanao izao.
3 I Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay!”
4 Dia namaly azy ireo i Jeremia mpaminany hoe: “Eny àry fa efa re izay! Hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitrareo aho araka izany fangatahanareo izany. Ary holazaiko aminareo daholo izay teny havalin’i Jehovah anareo. Tsy hisy teny hafeniko aminareo, na iray aza.”
5 Hoy izy ireo tamin’i Jeremia: “I Jehovah anie no ho vavolombelona marina sy mendri-pitokisana hiampanga anay, raha tsy arahinay an-tsakany sy an-davany izay asain’i Jehovah Andriamanitrao lazainao aminay!
6 Hankatoavinay ny tenin’i Jehovah Andriamanitray, ilay nasainay nanontanianao, na mety aminay ilay izy na tsia. Amin’izay dia hahita soa izahay satria mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitray.”
7 Dia nampita ny teniny tamin’i Jeremia i Jehovah rehefa afaka folo andro.
8 Koa nantsoin’i Jeremia i Johanana zanak’i Karea, sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.+
9 Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Naniraka ahy ianareo mba hitalaho amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho anareo, ka izao no lazainy:
10 ‘Raha mijanona eto amin’ity tany ity tokoa ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako. Fa hanenina* aho noho ny loza namelezako anareo.+
11 Aza atahorana ny mpanjakan’i Babylona, izay atahoranareo.’+
“‘Aza matahotra azy’, hoy i Jehovah, ‘fa ho eo foana aho, mba hamonjy sy hanafaka anareo tsy ho azon’ny tanany.
12 Hamindra fo+ aminareo aho, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo eto amin’ny taninareo.
13 “‘Fa raha hoy kosa ianareo: “Tsia! Tsy hijanona eto amin’ity tany ity izahay!”, ka tsy mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
14 fa milaza hoe: “Tsia! Aleonay ihany mankany Ejipta,+ fa tsy hahita ady izahay rehefa any sady tsy handre feon’anjombona, ary tsy ho ory sakafo. Any izahay no hipetraka.”
15 Dia henoy ny tenin’i Jehovah, ry sisa tavela amin’ny Joda! Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Raha tena tapa-kevitra ny ho any Ejipta ianareo ka mandeha mipetraka* any,
16 dia hahatratra anareo any Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary hanaraka anareo any ny mosary izay mampanahy anareo, ka any ianareo no ho faty.+
17 Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izay rehetra tapa-kevitra ny ho any Ejipta mba hipetraka any. Tsy hisy hiangana izy ireo ary tsy hisy ho afa-mandositra an’ilay loza hamelezako azy.”’
18 “Fa hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Toy ny nanamparako ny hatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema,+ no hanamparako ny hatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo. Hanozona anareo ny olona ary hihorohoro mahita an’izay hanjo anareo. Hanala baraka sy handatsa anareo koa izy ireo.+ Ary tsy hahita an’ity toerana ity intsony mihitsy ianareo.’
19 “Efa niteny anareo i Jehovah, ry sisa amin’ny Joda ô! Aza mankany Ejipta. Fantaro tsara fa efa nampitandrina anareo aho androany
20 hoe hafoinareo ny ainareo noho ny fahadisoanareo. Naniraka ahy ho any amin’i Jehovah Andriamanitrareo mantsy ianareo, ka nilaza hoe: ‘Mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitray ho anay. Ary teneno aminay izay rehetra lazain’i Jehovah Andriamanitray, dia hataonay.’+
21 Dia izany no noteneniko taminareo androany, nefa tsy hankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo na hanao izay nasainy nolazaiko taminareo.+
22 Koa fantaro tsara fa ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any amin’ilay toerana tianareo handehanana sy hipetrahana ianareo.”+